Hokororohinao izy, ka hopaohin’ny rivotra, sy haelin’ny ranonoram-baratra. Fa ianao kosa hientan-kafaliana amin’i Iaveh, ary ilay Masin’i Israely no hireharehanao.
Jeremia 51:2 - Baiboly Katolika Ary handefa mpanakororòka hikororòka an’i Babela Aho ka hataony foana ny tany fa hiantoraka hamely azy hatraiza hatraiza ireo, amin’ny andro fahoriana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary handefa iraka hafa firenena ho any Babilona Aho, izay hikororoka azy ka hahafoana ny taniny; fa hamely azy manodidina amin’ny andro fahoriana ireo. DIEM PROTESTANTA Olona hafa firenena no halefako amin’i Babilôna ka hanaparitaka azy toy ny akofa, ary hahatonga ny taniny ho foana. Amin’izany andro mandoza izany dia hipoitra hatraiza hatraiza ireo mpamely azy.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Olona hafa firenena no halefako amin’i Babilôna ka hanaparitaka azy toy ny akofa, ary hahatonga ny taniny ho foana. Amin’izany andro mandoza izany dia hipoitra hatraiza hatraiza ireo mpamely azy.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary haniraka olona hafa firenena ho any Babylona Aho, Izay hikororoka azy ka hahafoana ny taniny; Fa hamely azy manodidina amin’ny andro fahoriana ireo. Malagasy Bible Ary haniraka olona hafa firenena ho any Babylona Aho, izay hikororoka azy ka hahafoana ny taniny; Fa hamely azy manodidina amin'ny andro fahoriana ireo. La Bible en Malgache Ary handefa iraka hafa firenena ho any Babilona Aho, izay hikororoka azy ka hahafoana ny taniny; fa hamely azy manodidina amin’ny andro fahoriana ireo. |
Hokororohinao izy, ka hopaohin’ny rivotra, sy haelin’ny ranonoram-baratra. Fa ianao kosa hientan-kafaliana amin’i Iaveh, ary ilay Masin’i Israely no hireharehanao.
Izao no lazain’i Iaveh, mpanavotra anareo, ilay Masin’i Israely: «Noho ny aminareo, dia naniraka hamely an’i Babilôna Aho, ka hataoko vaky mandositra avokoa izy ireo, dia ny Kaldeanina, ka hidina any amin’ny sambo ireharehany fatratra!
Hokororohiko amin’ny sahafa fikororohana eo amin’ny vava-tany izy; hofoanako anaka, ary haringako ny vahoakako; fa tsy mety miverina hiala amin’ny lalany izy.
Antsoy hamely an’i Babela ny mpandefa tsipìka, mbamin’izay rehetra mpanenjana tsipìka, mitobia manodidina azy ianareo; aza misy afa-mandositra! Valio araka ny asany izy. Toraky ny nataony rehetra no mba ataony aminy kosa, fa nitsangana hanohitra an’i Iaveh, hanohitra an’ilay Masin’i Israely.
Handraingiraingy ilay mpirehareha, ho lavo izy, ka tsy hisy mpanarina; horehetako afo ny tanànany, ka ho levon’izany avokoa ny manodidina azy.
Ny ampahatelon’ny zanakao, ho fatin’ny pesta na ho levon’ny mosary eo aminao; ny ampahatelony, ho lavon’ny sabatra eny manodidina anao rehetra eny; ary ny ampahatelony haeliko any amin’ny vazantany rehetra; sady hanatsoahako sabatra avy ato aoriana.
eny an-tanany ny fikororohany ary hodioviny tsara ny famoloana, ka ny variny hangoniny any an-tsompitra, fa ny mololo kosa hodorany any amin’ny afo tsy mety maty.»