Jeremia 50:32 - Baiboly Katolika32 Handraingiraingy ilay mpirehareha, ho lavo izy, ka tsy hisy mpanarina; horehetako afo ny tanànany, ka ho levon’izany avokoa ny manodidina azy. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201132 Ho tafintohina i Babilona mpiavonavona dia ho lavo ka tsy hisy hanarina azy; ary handrehitra afo ao an-tanànany Aho ka handevona ny manodidina azy rehetra izany. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA32 Mivembena ary mianjera ilay mpiavonavona, fa tsy misy manarina azy. Andrehetako afo amin’ireo tanànany ka handevona izay rehetra manodidina azy izany.» Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara32 Mivembena ary mianjera ilay mpiavonavona, fa tsy misy manarina azy. Andrehetako afo amin’ireo tanànany ka handevona izay rehetra manodidina azy izany.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy32 Ho tafintohina Ifiavonavonana, dia ho lavo, Ka tsy hisy hanarina azy; Ary handrehitra afo ao an-tanànany Aho, Ka handevona ny manodidina azy rehetra izany. Jereo ny tokoMalagasy Bible32 Ho tafintohina Ifiavonavonana, dia ho lavo, ka tsy hisy hanarina azy; Ary handrehitra afo ao an-tanànany Aho, ka handevona ny manodidina azy rehetra izany. Jereo ny toko |