Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 51:2 - DIEM PROTESTANTA

2 Olona hafa firenena no halefako amin’i Babilôna ka hanaparitaka azy toy ny akofa, ary hahatonga ny taniny ho foana. Amin’izany andro mandoza izany dia hipoitra hatraiza hatraiza ireo mpamely azy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Ary handefa iraka hafa firenena ho any Babilona Aho, izay hikororoka azy ka hahafoana ny taniny; fa hamely azy manodidina amin’ny andro fahoriana ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Olona hafa firenena no halefako amin’i Babilôna ka hanaparitaka azy toy ny akofa, ary hahatonga ny taniny ho foana. Amin’izany andro mandoza izany dia hipoitra hatraiza hatraiza ireo mpamely azy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Ary handefa mpanakororòka hikororòka an’i Babela Aho ka hataony foana ny tany fa hiantoraka hamely azy hatraiza hatraiza ireo, amin’ny andro fahoriana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Ary haniraka olona hafa firenena ho any Babylona Aho, Izay hikororoka azy ka hahafoana ny taniny; Fa hamely azy manodidina amin’ny andro fahoriana ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Ary haniraka olona hafa firenena ho any Babylona Aho, izay hikororoka azy ka hahafoana ny taniny; Fa hamely azy manodidina amin'ny andro fahoriana ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Ary handefa iraka hafa firenena ho any Babilona Aho, izay hikororoka azy ka hahafoana ny taniny; fa hamely azy manodidina amin’ny andro fahoriana ireo.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 51:2
9 Rohy Ifampitohizana  

Hokororohinao hoentin’ny rivotra izy sy haelin’ny tadio; fa ianao kosa dia Izaho TOMPO no hifalianao ary Izaho ilay Masin’i Israely no hireharehanao.


Izao no lazain’ny TOMPO mpanavotra anareo, dia ilay Masin’i Israely: «Noho ny fitiavako anareo dia haniraka olona hankany Babilôna Aho, mba hamaha ny hidy rehetra.


Naparitako tamin’ny fitaovana fikororohana ny tao amin’ny isan-tanàna teo amin’ny tany, tsy nomeko zanaka fa naringako ny oloko, nefa tsy novany ny fitondrantenany.


Antsoy ny mpandefa zana-tsipîka, dia ireo rehetra mpanenjana tsipîka, ka vorio hamely an’i Babilôna. Aoka ireo hitoby manodidina azy ka tsy hamela ny mponiny ho afa-miala. Aoka hovaliana araka ny ratsy nataony izy ka izay rehetra nataony tamin’ny hafa no mba ampiharo aminy kosa! Satria izy niavonavona tamin’ny TOMPO, dia tamin’ilay Masin’i Israely.


Mivembena ary mianjera ilay mpiavonavona, fa tsy misy manarina azy. Andrehetako afo amin’ireo tanànany ka handevona izay rehetra manodidina azy izany.»


Ny ampahatelonareo ho fatin’ny areti-mandringana sy mosary ao an-tanàna; ny ampahatelo ho fatin’ny sabatra eny manodidina; ary ny ampahatelo haeliko any amin’ny vazan-tany rehetra ka hanatsoaka sabatra Aho hoenti-manenjika azy.


Efa eny an-tanany ny fikororohana ary hodioviny tanteraka ny vary eo am-pamoloana; ka ny vary moa hangoniny an-tsompitra, fa ny mololo kosa hodorany amin’ny afo tsy mitsaha-mirehitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra