Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 51:3 - DIEM PROTESTANTA

3 –Aoka tsy hanenjan-tsipîka intsony ao Babilôna ireo mpitifitra amin’ny tsipîka! aoka izy tsy hisalotra intsony ny akanjo vy fiarovan-tratra!– Aza avela hisy ho afa-mitsoaka ny tovolahiny; ataovy ringana ny tafiny manontolo!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Izay manenjana tsipìka mbamin’izay miandranandrana amin’ny akanjo fiarovan-tratrany, dia aoka samy hasian’izay manenjana tsipìka; aza tsitsìnareo ny zatovony, aringano toy ny zavatra voaozona avokoa ny miaramilany rehetra

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 –Aoka tsy hanenjan-tsipîka intsony ao Babilôna ireo mpitifitra amin’ny tsipîka! aoka izy tsy hisalotra intsony ny akanjo vy fiarovan-tratra!– Aza avela hisy ho afa-mitsoaka ny tovolahiny; ataovy ringana ny tafiny manontolo!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Aoka ny mpandefa tsipìka hanenjana ny tsipìkany, hamely ny mpandefa tsipìka mbamin’izay miedinedina amin’ny akanjo fiarovan-tratrany. Aza mitsitsy ny zatovony, aringano avokoa ny tafiny rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Izay manenjana tsipìka Mbamin’izay miandranandrana amin’ny akanjo fiarovan-tenany, Dia aoka samy hasian’izay manenjana tsipìka; Aza tsitsinareo ny zatovony, Aringano avokoa ny miaramilany rehetra,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Izay manenjana tsipìka mbamin'izay miandranandrana amin'ny akanjo fiarovan-tenany, dia aoka samy hasian'izay manenjana tsipìka; Aza tsitsinareo ny zatovony, aringano avokoa ny miaramilany rehetra,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Izay manenjana tsipìka mbamin’izay miandranandrana amin’ny akanjo fiarovan-tratrany, dia aoka samy hasian’izay manenjana tsipìka; aza tsitsìnareo ny zatovony, aringano toy ny zavatra voaozona avokoa ny miaramilany rehetra

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 51:3
12 Rohy Ifampitohizana  

Sambatra izay hanainga ny zanakao madinika ka hanorotoro azy eo ambonin’ny vatolampy!


Afatory ny lasely, ary taingeno ny soavaly! Anaovy ny satro-by fiarovan-doha ka milahara! Arangarangao ny lefona; iakanjoy ny akanjo vy fiarovan-tratra.»


Ianareo rehetra mpitifitra amin’ny tsipîka, milahara manodidina an’i Babilôna. Amelezo azy ny zana-tsipîkanareo ka aza tsitsîna mihitsy satria meloka eo anatrehan’ny TOMPO izy.


Tafiho ny tanin’i Merataîma! Tafiho izy sy ny mponina ao Pekôda. Vonoy ho faty ireo ka aringano hatramin’ny olona farany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Tanteraho izay rehetra voadidiko!


Vonoy ho faty ny miaramilany rehetra; aoka hidina any an-toeram-pamonoana ireo! Idiran-doza ireo fa tonga ny androny dia ny fotoana hamalian’ny Tompo azy.


Na dia hisondrotra any an-danitra aza i Babilôna ka hanao ny fiarovany ho avo tsy azo anihina, dia ny baikoko no hahatraran’ny mpandrava azy hoy ny teny hentitry ny TOMPO.


Ambarao kosa, ry Jeremià, izao teny hentitry ny TOMPO izao: «Eny amin’ny tany eny no miampatrampatra ny fatin’olona, toy ny zezika aparitaka eny an-tanimboly; tahaka ny amboara voajinja sady efa nilaozan’ny mpijinja saingy tsy misy olona mpanangona.»


Eny ivelany, dia ny sabatra no handringana; ao an-trano, dia ny tahotra no hahafaty. Ka samy hiharan’izany avokoa na zatovolahy na zatovovavy na zazakely na beantitra.»


satria fitsarana tsy misy indrafo no hataon’Andriamanitra amin’izay tsy namindra fo; ny famindrampo kosa afa-mirehareha tsy matahotra ny fitsarana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra