Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 51:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Izao no lazain’ny TOMPO: «Indro misy tafio-drivotra mpandrava asaiko mitsoka hamely an’i Babilôna sy hamely ny mponina ao aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Izao no lazain’NY TOMPO: Indro, hampirisihiko ny fanahin’ny mpandringana hamely an’i Babilona sy izay monina ao Leba-Kamay.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Izao no lazain’ny TOMPO: «Indro misy tafio-drivotra mpandrava asaiko mitsoka hamely an’i Babilôna sy hamely ny mponina ao aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Izao no lazain’i Iaveh: Indro hohetsehiko hamely an’i Babela sy hamely ny mponina amin’i Kaldea ilay fanahy mpandringana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 Izao no lazain’i Jehovah: Indro, hamporisihiko ny fanahin’ny mpandringana Hamely an’i Babylona sy izay monina ao Leba-kamay.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Izao no lazain'i Jehovah: Indro, hamporisihiko ny fanahin'ny mpandringana hamely an'i Babylona sy izay monina ao Leba-kamay.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Izao no lazain’NY TOMPO: Indro, hampirisihiko ny fanahin’ny mpandringana hamely an’i Babilona sy izay monina ao Leba-Kamay.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 51:1
23 Rohy Ifampitohizana  

Fa indro Aho hanoro hevitra azy hiverina any amin’ny taniny, rehefa handre siosio izy; ary any no hampamonoako azy ho fatin’ny sabatra.»


Ianao kosa, ry tanànan’i Babilôna ô, dia efa horavana. Sambatra izay hampanody anao ny nafitsokao anay!


Ny lanitra dia hihozongozona ary ny tany hihovitrovitra eo amin’ny toerany noho ny fahatezeran’ny TOMPOn’izao rehetra izao, dia amin’ny andro hirehetan’ny fahavinirany.


Hiakatra eny an-tampon’ny rahona aho ka hitovy amin’Andriamanitra Avo Indrindra.»


Hafatra momba ny taniefitra amoron-dranomasina. Tahaka ny tadio mamakivaky an’i Negeba no fiavin’ny fahavalo avy any an-taniefitra, avy any amin’ny tany anankiray mahatahotra.


Midîna ambany ka mipetraha amin’ny vovoka, ry vahoaka mponin’i Babilôna, hoy ny TOMPO; mipetraha amin’ny tany, ry renivohitry ny Kaldeanina fa tsy misy sezafiandrianana ho anao intsony, satria ianao tsy hantsoina intsony hoe: «Babilôna tsara tarehy» na «Babilôna mirenty».


Indro tamy ny rambon-danitra, dia ny fahatezeran’ny TOMPO. Toy ny rivo-doza mitambolimbolina no fiantontany eny an-dohan’ny olon-dratsy.


Avy any atsimo sy avaratra ary avy any atsinanana sy andrefana no handefasako ny rivotra efatra hamelezana an’i Helama. Haeliko any amin’ny vazantany rehetra izy, ka tsy hisy firenena izay tsy ahitana Helamita voaroaka.


Tafiho ny tanin’i Merataîma! Tafiho izy sy ny mponina ao Pekôda. Vonoy ho faty ireo ka aringano hatramin’ny olona farany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Tanteraho izay rehetra voadidiko!


Namelarako fandrika ianao, ry Babilôna, ka voan’izany, nefa tsy fantatrao akory. Tratra sy voasambotra ianao, satria Izaho TOMPO no niadianao.»


Antsoy ny mpandefa zana-tsipîka, dia ireo rehetra mpanenjana tsipîka, ka vorio hamely an’i Babilôna. Aoka ireo hitoby manodidina azy ka tsy hamela ny mponiny ho afa-miala. Aoka hovaliana araka ny ratsy nataony izy ka izay rehetra nataony tamin’ny hafa no mba ampiharo aminy kosa! Satria izy niavonavona tamin’ny TOMPO, dia tamin’ilay Masin’i Israely.


Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Samy nampahorìna ny Israelita sy ny Jodeanina; ary izay rehetra namabo azy dia mitana azy an-keriny, fa tsy manaiky handefa azy.


Fa firenena lehibe manao andiany no hotairiko sy halefako hanafika an’i Babilôna. Ho tonga avy any avaratra ireny ka hilahatra hiady aminy sy hahazo azy. Tsy hivena mihitsy ny zana-tsipîkany fa ho toy ny miaramila zatra ady ka tsy hiverim-potsiny.


Na dia hisondrotra any an-danitra aza i Babilôna ka hanao ny fiarovany ho avo tsy azo anihina, dia ny baikoko no hahatraran’ny mpandrava azy hoy ny teny hentitry ny TOMPO.


Kanefa nongotana an-katezerana izy ka natsipy tamin’ny tany. Ny rivotra avy atsinanana no nahamaina ny voany ka nampihintsana azy. Nihamaina koa ny rantsany mafy ka natao levon’ny ao.


Fa na dia miroborobo aza i Efraîma eo anivon’ireo mpiray firenena aminy, dia hiakatra avy any an-taniefitra ny rivotra avy atsinanana; ka ny TOMPO no handefa izany. Dia ho ritra ny loharanony ary ho tànkina ny fantsakàny. Hobaboina ny tahiriny, dia ny fanaka sarobidy rehetra.


Tsofina ao an-tanàna ve ny trompetra, ka tsy hisahotaka ny vahoaka? Misy loza ve ao an-tanàna, raha tsy ny TOMPO no nanao azy?


sady nandidy azy hoe: –Mihazakazaha, dia ilazao io zatovolahy izay mihazona tady fandrefesana io hoe: «Tsy ho tanànamimanda i Jerosalema fa ho marobe ny olona sy ny biby honina ao aminy.


Niankarapoka tamin’ny tany i Saoly sady nandre feo nanao taminy hoe: –Saoly, Saoly, nahoana no manenjika Ahy ianao?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra