Jeremia 51:19 - Baiboly Katolika Tsy mba toy izany ny anjaran’i Jakôba; fa namorona izao tontolo izao izy; ary ny anjara lovany dia ilay manana anarana hoe Iavehn’ny tafika. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tsy mba tahaka ireo ny Anjaran’i Jakoba, fa mpamorona ny zavatra rehetra Izy; ary ny Israely no firenena lovany; Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no anarany. DIEM PROTESTANTA Fa tsy mitovy amin’ireo ny Tompo, ilay Anjaran’i Jakôba, satria Izy no mpamorona ny zava-drehetra; ary ny vahoaka Israely dia fananany. Ilay TOMPOn’izao rehetra izao no anarany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa tsy mitovy amin’ireo ny Tompo, ilay Anjaran’i Jakôba, satria Izy no mpamorona ny zava-drehetra; ary ny vahoaka Israely dia fananany. Ilay TOMPOn’izao rehetra izao no anarany. Baiboly Protestanta Malagasy Tsy mba tahaka ireo ny Anjaran’i Jakoba, Fa Mpamorona ny zavatra rehetra Izy; Ary ny Isiraely no firenena lovany; Jehovah, Tompon’ny maro, no anarany. Malagasy Bible Tsy mba tahaka ireo ny Anjaran'i Jakoba, fa Mpamorona ny zavatra rehetra Izy; Ary ny Isiraely no firenena lovany; Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany. La Bible en Malgache Tsy mba tahaka ireo ny Anjaran’i Jakoba, fa mpamorona ny zavatra rehetra Izy; ary ny Israely no firenena lovany; Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no anarany. |
Sambatra ny firenena manana an’i Iaveh ho Andriamaniny; sambatra ny vahoaka nofidiny ho lovany!
Torana ny nofoko sy ny foko: ny vatolampin’ny foko sy anjarako dia Andriamanitra mandrakizay doria.
Tsarovy ny vahoakanao izay azonao tamin’ny andro fahataloha, navotanao ho foko lovanao! Tsarovy ny tendrombohitra Siôna nataonao fonenanao.
ka dia manadino an’i Iaveh, Mpahary anao, izay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany; mangovitra tsy an-kijanona, tontolo andro, eo anatrehan’ny fisafoakan’ny mpifehy masiaka rehefa mioman-kandrava anao Izy. Ary aiza izao, izay fisafoaky ny mpanapaka masiaka?
Fa Izy no nanao ny tany tamin’ny heriny; nampiorina izao tontolo izao, tamin’ny fahendreny; ary namelatra ny lanitra tamin’ny fahaizany.
Tsy toy izany ny anjaran’i Jakôba; fa Izy dia Ilay namorona an’izao rehetra izao; ary i Israely no firenena lovany; i Iavehn’ny tafika no Anarany.
Izao no tenin’i Iaveh izay manao izany, dia i Iaveh izay misaina izany mba hanatanterahany azy, - Iaveh no Anarany: -
Eny, mifalia ianareo; eny, miravoravoa ianareo, ry mpamabo ny lovako; eny, aoka hifalihavanja hoatra ny omby vavy kely eny an-tanim-bilona ianareo; sady haneno toy ny soavaly lahy!
Mahery anefa ny mpanao famaliana ho azy ireo, Iavehn’ny tafika no Anaran’izy io; ka hiaro azy ireo amim-pahefana tokoa izy mba hampiadana ny tany, sy hampangovitra ny mponina ao Babela.
Satria i Israely sy i Jodà tsy mba maty vady manana ny Andriamaniny, Iavehn’ny tafika; ary ny tanin’ny Kaldeanina feno ny ratsy nataony tamin’ilay Masin’i Israely.
Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, mpisorona manjaka, firenena masina, vahoaka navotana, mba hitorianareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny haizina, ho amin’ny fahazavany mahagaga: