Tamin’izany nanorina toerana avo i Salômôna teo amin’ny tendrombohitra tandrifin’i Jerosalema, ho an’i Kamosa fahavetavetan’i Moaba, sy ho an’i Môlôka, fahavetavetan’ny taranak’i Amôna.
Jeremia 48:46 - Baiboly Katolika Loza ho anao, ry Moaba! Very ny vahoaka ao Kamosy; fa ny zanakao lahy entina atao sesitany, ny zanakao vavy lasan-ko babo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Idiran-doza ianao, ry Moaba! Ringana ny olon’i Kemosy! Fa ho babo ny zanakao lahy ary hosamborina ny zanakao vavy. DIEM PROTESTANTA Loza ity mahazo anao, ry Môaba! Very ianareo, ry vahoakan’i Kemôsy, satria samy nentina ho babo ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Loza ity mahazo anao, ry Môaba! Very ianareo, ry vahoakan’i Kemôsy, satria samy nentina ho babo ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy. Baiboly Protestanta Malagasy Idiran-doza hianao, ry Moaba! Ringana ny olon’i Kemosy! Fa ho babo ny zanakao-lahy, ary ho sambotra ny zanakao-vavy. Malagasy Bible Idiran-doza ianao, ry Moaba! Ringana ny olon'i Kemosy! Fa ho babo ny zanakao-lahy, ary ho sambotra ny zanakao-vavy. La Bible en Malgache Idiran-doza ianao, ry Moaba! Ringana ny olon’i Kemosy! Fa ho babo ny zanakao lahy ary hosamborina ny zanakao vavy. |
Tamin’izany nanorina toerana avo i Salômôna teo amin’ny tendrombohitra tandrifin’i Jerosalema, ho an’i Kamosa fahavetavetan’i Moaba, sy ho an’i Môlôka, fahavetavetan’ny taranak’i Amôna.
Nolotoin’ny mpanjaka ireo fitoerana avo tandrifin’i Jerosalema, amin’ny ankavanan’ny Tendrombohitra Fahaverezana, naorin’i Salômôna mpanjakan’i Israely, ho an’i Astarte fahavetavetan’ny Sidonianina sy ho an’i Kamosa fahavetavetan’ny zanak’i Amôna;
Tahaka ny vorona mandositra tahaka ny vorona iray akàny aely, ny zanaka vavin’i Moaba, eo amin’ny fitàna an’i Arnôna.
Dia ho menatra i Moaba noho ny amin’i Kamosy toy ny nahamenaran’ny taranak’i Israely, noho ny amin’i Betela izay nitokiany.
Fa noho ianao nitoky tamin’ny asan-tananao aman-drakitrao, dia ho lasan’ny hafa koa ianao; ary indray ho lasan-ko babo i Kamosy mbamin’ny mpisorona amam-pilohany rehetra.
Loza ho anao, ry Moaba! Levona ianao, ry vahoakan’i Kamôzy; Nafoiny ny zanany lahy nandositra, Ary ny zanany vavy lasan-ko babo Ho an’i Sehôna, mpanjakan’ny Amôreana.
Moa tsy mipetraka ho tompon’izay nomen’i Kamosy andriamanitrao anao ho fanananao va ianao? Ary izahay moa tsy tokony hipetraka ho tompon’izay rehetra nomen’i Iaveh Andriamanitray anay ho fanananay?