29 Loza ho anao, ry Moaba! Levona ianao, ry vahoakan’i Kamôzy; Nafoiny ny zanany lahy nandositra, Ary ny zanany vavy lasan-ko babo Ho an’i Sehôna, mpanjakan’ny Amôreana.
29 Lozanao, ry Moaba! Ringana ianao, ry olon’i Kemosy! Nafoiny ho mpandositra ny zanany lahy ary navelany ho babo ny zanany vavy, ho an’i Sihona, mpanjakan’ny Amorita.
29 Loza no nihatra taminao, ry Môaba! Ringana ianao, ry firenena izay mpivavaka tamin’i Kemôsy! Na ny lehilahy izay nikasa handositra na ny vehivavy dia samy nafoin’i Kemôsy ho babon’i Sihôna, mpanjakan’ny Amorita.

29 Lozanao, ry Moaba! Ringana hianao, ry olon’i Kemosy! Foiny handositra ny zanani-lahy, Ary navelany ho babo ny zanani-vavy, Ho an’i Sihona, mpanjakan’ny Amorita.
29 Lozanao, ry Moaba! Ringana ianao, ry olon'i Kemosy! Foiny handositra ny zananilahy, ary navelany ho babo ny zananivavy, ho an'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita.
29 Lozanao, ry Moaba! Ringana ianao, ry olon’i Kemosy! Nafoiny ho mpandositra ny zanany lahy ary navelany ho babo ny zanany vavy, ho an’i Sihona, mpanjakan’ny Amorita.
Ary ny anton’izany dia noho izy ireo efa nandao Ahy ka niankohoka teo anatrehan’i Astarte, andriamanibavin’ny Sidonianina, sy teo anatrehan’i Melkôma, andriamanitry ny taranak’i Amôna, ary noho izy ireo tsy nandeha tamin’ny lalako, mba hanao izay mahitsy eo imasoko sy hitandrina ny didy amam-pitsipiko, tahaka ny nataon’i Davida rain’i Salômôna.
Ory an’i Moaba ny foko; efa mby ao Segôra sahady ny mpiaro azy, efa ao Eglata-Selisiah. eny, mitomany izy no miakatra ny fiakarana Lohita; eny amin’ny lalan’i Hôrônaima, manao antsom-pahoriana ny olona.
Mijanona eo amin’ny alokalok’i Hesebona ny mpandositra lany hery; kanjo misy afo mivoaka avy ao Hesebona, ary misy lelafo avy ao afovoan’i Sehôna; ka nandevona ny valahan’i Moaba, sy ny karan-dohan’ny zanaky ny fitabatabana.
Fa noho ianao nitoky tamin’ny asan-tananao aman-drakitrao, dia ho lasan’ny hafa koa ianao; ary indray ho lasan-ko babo i Kamosy mbamin’ny mpisorona amam-pilohany rehetra.
Hitako izy, fa tsy toy ny ankehitriny, Tazako izy fa tsy mba akaiky. Misy kintana iray miposaka avy amin’i Jakôba, Tehim-panjakana iray mitsangana avy amin’i Israely. Mandrava an’i Moaba eo an-daniny roa izy, Ary mandringana ny zanaky ny fitabatabana rehetra.