dia ny nalehan’ny voromahery teny amin’ny habakabaka; ny dia nalehan’ny bibilava teny amin’ny vatolampy; ny dia nalehan’ny sambo teny amin’ny ranomasina; ary ny famantarana ny nandehanan’ny lehilahy tamin’ny tovovavy.
Jeremia 48:40 - Baiboly Katolika Fa izao no lazain’i Iaveh: Indro izy miezaka hanidina toy ny voromahery, mamelatra elatra eo ambonin’i Moaba. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa izao no lazain’NY TOMPO: Indro, hanidina toy ny voromahery izy ka hamelatra ny elany hipaoka an’i Moaba. DIEM PROTESTANTA Izao no lazain’ny TOMPO: «Indro toy ny misy voromahery manidina ka mikopaka elatra mipaoka an’i Môaba.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izao no lazain’ny TOMPO: «Indro toy ny misy voromahery manidina ka mikopaka elatra mipaoka an’i Môaba.» Baiboly Protestanta Malagasy Fa izao no lazain’i Jehovah: Indro, hanidina toy ny voromahery izy Ka hamelatra ny elany hipaoka an’i Moaba. Malagasy Bible Fa izao no lazain'i Jehovah: Indro, hanidina toy ny voromahery izy ka hamelatra ny elany hipaoka an'i Moaba. La Bible en Malgache Fa izao no lazain’NY TOMPO: Indro, hanidina toy ny voromahery izy ka hamelatra ny elany hipaoka an’i Moaba. |
dia ny nalehan’ny voromahery teny amin’ny habakabaka; ny dia nalehan’ny bibilava teny amin’ny vatolampy; ny dia nalehan’ny sambo teny amin’ny ranomasina; ary ny famantarana ny nandehanan’ny lehilahy tamin’ny tovovavy.
Hanidina amin’ny soroky ny Filistinina any andrefana izy, ary hiara-mamabo ny zanaky ny Atsinanana; i Edôma sy i Moaba hasiany amin’ny tanany; ary ny taranak’i Amôna, hanoa azy ireo.
ho tafatsofoka amin’i Jodà izy, ho tondraka sy hanafotra, hisondrotra mandra-pahatongavany havozona, ary ny fivelaran’ny elany handrakotra ny tampon’ny taninao rehetra, ry Emanoela ô!»
Indro izy miakatra toy ny rahona; tahaka ny tadio ny kalesiny; miriotra faingana mihoatra noho ny voromahery ny soavaliny. Loza ho antsika fa ringana isika ity!
Indro izy misondrotra, miezaka manidina toy ny voromahery; mamelatra ny elany eny ambonin’i Bôsrà; ary ny fon’ireo mpiady maherin’i Edôma, amin’izany andro izany, dia tahaka ny fon’ny vehivavy mihetsi-jaza.
Izay nanenjika antsika dia faingam-pandeha, noho ny voromahery eny an-danitra. Notanahiny teny an-tendrombohitra isika; nanaovany otrika tany an’efitra.
Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Tonga tao Libàna ny voromahery lehibe, manana elatra lehibe, ka malalaka be ny fivelatry ny elany, ary rakotra volo samihafa soratra izy, ka nalainy ny tendron’ny sedera.
Ataovy am-bava ny anjomara, fa misy, toy ny voromahery, hiantefa amin’ny tranon’i Iaveh!... Satria izy ireo nivadika ny fanekeko, sy nandika ny lalàko.
Mailaka noho ny leoparda ny soavaliny, sady liana noho ny amboadia amin’ny hariva. Mampiriotra ny mpitaingin-tsoavaliny; avy lavitra ny mpitaingin-tsoavaliny, manidina toy ny voromahery lian-te hihinana.
Firenena avy lavitra, avy amin’ny fara vazantany, faingam-pandeha hoatra ny fanidin’ny voromahery, firenena tsy azonao veroka akory no hampandehanin’i Iaveh hamely anao;