Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 11:14 - Baiboly Katolika

14 Hanidina amin’ny soroky ny Filistinina any andrefana izy, ary hiara-mamabo ny zanaky ny Atsinanana; i Edôma sy i Moaba hasiany amin’ny tanany; ary ny taranak’i Amôna, hanoa azy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Fa hipaoka ny havoanan’ny Filistina any andrefana ireo sady hiara-mamabo ny zanaky ny Atsinanana; amin’i Edoma sy Moaba no hanaingany ny tanany ary hanoa azy ny taranak’i Amona.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

14 Dia hiara-kirohotra hiankandrefana eny amin’ny havoan’ny Filistinina izy roa tonta ary handeha hiantsinanana handroba ny foko any an-taniefitra, ka hanitatra ny fahefàny amin’i Edôma sy i Môaba ary hametraka ny Hamônita ho eo ambany fifehezany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Dia hiara-kirohotra hiankandrefana eny amin’ny havoan’ny Filistinina izy roa tonta ary handeha hiantsinanana handroba ny foko any an-taniefitra, ka hanitatra ny fahefàny amin’i Edôma sy i Môaba ary hametraka ny Hamônita ho eo ambany fifehezany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Fa hipaoka ny tanin’ny Filistina any andrefana ireo Sy hiara-mamabo ny zanaky ny atsinanana; Amin’i Edoma sy Moaba no haninjirany ny tànany, Ary ny taranak’i Amona hanoa azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Fa hipaoka ny tanin'ny Filistina any andrefana ireo sy hiara-mamabo ny zanaky ny atsinanana; amin'i Edoma sy Moaba no haninjirany ny tanany, ary ny taranak'i Amona hanoa azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 Fa hipaoka ny havoanan’ny Filistina any andrefana ireo sady hiara-mamabo ny zanaky ny Atsinanana; amin’i Edoma sy Moaba no hanaingany ny tanany ary hanoa azy ny taranak’i Amona.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 11:14
30 Rohy Ifampitohizana  

Aza manaram-po amin’ny fifaliana, ry Filistinina manontolo, noho ny nahatapahan’ny tsora-kazo namely anao; fa hisy menarana hateraky ny tarana-bibilava ary dragona manidina no haterany.


Faminaniana ny amin’i Moaba. Marina tokoa fa ny alina nandrobana azy, dia fongotra i Ara-Moâba. Ny alina nandrobana azy, i Kira-Moaba dia fongotra.


Ary ankehitriny kosa miteny i Iaveh, ka manao hoe: «Ao anatin’ny telo taona, araka ny fanisana ny taona iasan’ny mpikarama, dia ho lefy ny voninahitr’i Moaba mbamin’ny vahoaka be ao aminy, fa zavatra kely foana no ho sisa, sady ho vitsy sy osa.»


Fa ny tanan’i Iaveh hipetraka amin’ity tendrombohitra ity; ary i Moaba kosa, hohosihosena an-toerana, toy ny fihosihosy mololo ao an-dobon-jezika.


«Loza ho anao, ry mpandrava, mbola tsy noravana, ry mpandroba, tsy mbola norobaina! Rehefa nitsahatra ny nandrava ianao, dia horavana; rehefa tapi-nandroba ianao, dia horobaina.»


Dia hatahorany hatrany andrefana ny Anaran’i Iaveh, ary hatrany amin’ny fiposahan’ny masoandro, ny voninahiny; fa ny fiaviny ho toy ny ony maria, hampandehanan’ny fofon’ain’i Iaveh.


Ny zanak’ireo mpampahory anao ho tonga ao aminao, sady hiondri-doha, ary izay rehetra naniratsira anao koa hiankohoka amin’ny tongotrao; ary ianao hantsoina hoe, ny Tanànan’i Iaveh, ilay Siônan’ilay Masin’i Israely.


Iza moa ity avy any Edôma, avy any Bôsrà, mitafy mena midorehitra? Mamirapiratra izy amin’izany fitafiana izany, mijoro amin’ny haben’ny heriny. - Izaho ity, izay miteny amim-pahamarinana, sady manan-kery hamonjy.


Satria tsy niverina amin’izay nikapoka azy ny vahoaka, ary tsy nitady an’i Iavehn’ny tafika izy ireo.


Ny Jodeanina rehetra izay tany amin’ny tanin’i Moaba ao amin’ny taranak’i Amôna, sy tany Edôma, nony efa nandre tao amin’izany tany rehetra izany fa hoe mbola misy sisan’i Jodà navelan’ny mpanjakan’i Babilôna, ary i Godoliasa zanak’i Ahikama zanak’i Safàna, no napetrany ho governoran’izy ireo,


Fa izao no lazain’i Iaveh: Indro izy miezaka hanidina toy ny voromahery, mamelatra elatra eo ambonin’i Moaba.


Noho izany, indro avy ny andro, - teny marin’i Iaveh, - hampikotrokotrohako ao Rabàn’ny taranak’i Amôna ny akoran’ady. Dia hanjary antontan-java-drava izy, ary ny zanany hodorana amin’ny afo; ary i Israely kosa handova ny an’ireo efa nandova ny azy, - teny marin’i Iaveh. -


Indro izy misondrotra, miezaka manidina toy ny voromahery; mamelatra ny elany eny ambonin’i Bôsrà; ary ny fon’ireo mpiady maherin’i Edôma, amin’izany andro izany, dia tahaka ny fon’ny vehivavy mihetsi-jaza.


Teny mamely an’i Sedara sy ireo fanjakan’i Hasora, izay nasian’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna. Izao no lazain’i Iaveh: Mitsangàna, mandehana mamely an’i Sedara, aringano ny taranaky ny Atsinanana!


Ny hanaovako famaliana an’i Edôma, dia ny tanan’i Israely, vahoakako; hasiany araka ny hatezerako amam-pahavinirako i Edôma, ka ho fantany ny famaliako, - teny marin’ny Tompo Iaveh. -


mba hananan’izy ireo izay sisa amin’i Edôma, mbamin’ny firenena rehetra niantsoana ny Anarako, - teny marin’i Iaveh, - izay manao izany zavatra izany.


Mailaka noho ny leoparda ny soavaliny, sady liana noho ny amboadia amin’ny hariva. Mampiriotra ny mpitaingin-tsoavaliny; avy lavitra ny mpitaingin-tsoavaliny, manidina toy ny voromahery lian-te hihinana.


Loza ho an’ny mponina any amin’ny faritanin’ny ranomasina, dia ny firenenan’ny Kretoà! Efa voatonona ny tenin’i Iaveh mamely anareo ry Kanaàna, tanin’ny Filistinina: Ary haringako ianao ka tsy hisy mponina sisa eo aminao intsony.


Ho faritany ho an’ny sisa amin’ny taranak’i Jodà izany, hiandry ny ondriny eo izy; dia handry ao amin’ny tranon’i Askalôna nony hariva, fa hamangy sy hanangana azy indray i Iaveh Andriamaniny.


Ka noho izany dia velona Aho, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: - i Moaba hanahaka an’i Sôdôma; ary ny taranak’i Amôna ho tahaka an’i Gômôra: fitoerana nafoy ho an’ny amiana sy tany ihadian-tsira, ho efitra mandrakizay. Izay sisa amin’ny vahoakako hamabo azy, ary izay tavela amin’ny fireneko no hahazo azy ho lovany.


Hitako izy, fa tsy toy ny ankehitriny, Tazako izy fa tsy mba akaiky. Misy kintana iray miposaka avy amin’i Jakôba, Tehim-panjakana iray mitsangana avy amin’i Israely. Mandrava an’i Moaba eo an-daniny roa izy, Ary mandringana ny zanaky ny fitabatabana rehetra.


Ary izany koa no ilazako aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy avy any andrefana no hipetraka hiara-mihinana amin’ny fihinanam-be miaraka amin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba any amin’ny fanjakan’ny lanitra,


Rehefa namafy voa i Israely, dia niakatra i Madiàna mbamin’i Amaleka ary ny zanaky ny Atsinanana, ka nanafika azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra