Hanorotoro azy amin’ny tehim-by ianao; hanamontsamontsana azy toy ny vilanin’ny mpanefy».
Jeremia 48:12 - Baiboly Katolika Koa indro, tonga ny andro, - teny marin’i Iaveh, - hanirahako mpamindra am-bilany, hamindra vilany azy, hofoanany ny vilaniny, ary hovakiny ny sininy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Koa indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay hanirahako olona any aminy, hampihohoka ny fitoeran-divainy ka hanafoana ny fitoeran-divainy sady hanorotoro ny siny hoditrany. DIEM PROTESTANTA Noho izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, tonga ny andro izay handefasako olona mba hamindra siny azy. Hatotongany ho foana ny sinibe fitoeran-divay sady hotorotoroiny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Noho izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, tonga ny andro izay handefasako olona mba hamindra siny azy. Hatotongany ho foana ny sinibe fitoeran-divay sady hotorotoroiny. Baiboly Protestanta Malagasy Koa, indro, avy ny andro hanirahako mpanohoka ho any aminy, hoy Jehovah, Izay hanohoka azy ka hahafoana ny fitoeran-divainy Sady hanorotoro ny sininy. Malagasy Bible Koa, indro, avy ny andro hanirahako mpanohoka ho any aminy, hoy Jehovah, Izay hanohoka azy ka hahafoana ny fitoeran-divainy sady hanorotoro ny sininy. La Bible en Malgache Koa indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay hanirahako olona any aminy, hampihohoka ny fitoeran-divainy ka hanafoana ny fitoeran-divainy sady hanorotoro ny siny hoditrany. |
Hanorotoro azy amin’ny tehim-by ianao; hanamontsamontsana azy toy ny vilanin’ny mpanefy».
Tahaka ny vorona mandositra tahaka ny vorona iray akàny aely, ny zanaka vavin’i Moaba, eo amin’ny fitàna an’i Arnôna.
Ka dia ho montsamontsana hoatra ny fahamontsan’ny vilany tany izy, izay vakivakin’ny olona tsy itondrany roa, ary ny vakiny tsy hahitana silany akory mba hakana afo ao am-patana na hanovozan-drano ao an-dobo.
Irahin’ny lehibe haka rano ny madinika, dia mankany amin’ny lavaka famorian-drano ireo, fa tsy mahita rano; ka miverina mitondra siny foana; menatra sy mangaihay, ary misaron-doha foana.
Midradradradrà, ianareo mpiandry ondry, ary mitaraìna, mihosinkosena amin’ny vovoka, ianareo lehiben’ny ondry, fa tapitra amin’ny famonoana ny andronareo; hamely anareo Aho, ka hianjera toy ny fanaka sarobidy ianareo.
dia indro ampanalaiko ny foko rehetra any avaratra, - teny marin’i Iaveh, - hoentiko amin’i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna, mpanompoko; ary hataoko tonga izy ireo hamely an’ity tany ity mbamin’ny mponina eo aminy sy ny firenena rehetra amin’ny manodidina, ka hataoko anatema izy, hataoko tany lao, zavatra fandatsa, ary rava mandrakizay.
Hatry ny fony mbola zaza i Moaba dia nandry feizay, niotrika teo amin’ny faikany, tsy nafindrafindra vilany, tsy lasana ho any amin’ny fahababoana, ka dia naharitra ny tsirony, ary tsy niova ny fofony.
Dia ho menatra i Moaba noho ny amin’i Kamosy toy ny nahamenaran’ny taranak’i Israely, noho ny amin’i Betela izay nitokiany.
I Moaba efa rava; ny tanànany efa midona-tsetroka; ny zatovony voafantina, midina ho any am-pamonoana; - teny marin’ny mpanjaka. manana anarana hoe: Iavehn’ny tafika. -
Eny ambony tafon-trano rehetra sy eny amin’ny kianja ao Moaba, tsy misy afa-tsy figogogogoana fotsiny; fa nomontsaniko i Moaba hoatra ny fanaka tsy ahoan’ny olona intsony, - teny marin’i Iaveh. -
Ho tonga hamely ny tanàna rehetra ny mpandringana, ka tsy hisy ho afaka aminy izy ireo na iray aza; ny lohasaha, hosimbana; ary ny tanety, horobaina, araka ny voalazan’i Iaveh.
Misy mpandrava tamy hamely anao; tano ny trano mimanda, ambeno ny lalana, hatanjaho ny andilanao, angony ny herinao rehetra!