Ary dia nipetraka nihinana izy ireo. Nony natopiny ny masony, dia hitany fa indreny nisy Ismaelita niray dia avy any Galaada; ary ny entana nentin’ny ramevany dia astragala, ditin-kazo manitra, mbamin’ny ladanôma, ndeha havariny any Ejipta.
Jeremia 46:11 - Baiboly Katolika Miakara any Galaada, ka makà ditin-kazo manitra, Ry virjiny, zanaka vavin’i Ejipta. Mampitombo ny fanafody foana ianao; fa tsy hanam-pahasitranana tsy akory. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Miakara any Gileada ka makà balisama, ry Ejipta zanakavavy virijiny; foana ny nanaovanao fanafody maro, fa tsy manana fanafody hanasitranana ny ferinao ianao. DIEM PROTESTANTA Ry Ejipta mahonena, miakara hatrany Gilehada ka makà balsama ho anao... Nefa tsy ilaina ny hampitomboanareo ny fitsaboana satria tsy misy fanafody hahasitrana ny ferinao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ry Ejipta mahonena, miakara hatrany Gilehada ka makà balsama ho anao... Nefa tsy ilaina ny hampitomboanareo ny fitsaboana satria tsy misy fanafody hahasitrana ny ferinao. Baiboly Protestanta Malagasy Miakara any Gileada, ka makà balsama, Ry Egypta zanakavavy virijina; Foana ny nanaovanao fanafody maro, Fa tsy manana plasitera hapetaka amin’ny ferinao hianao, Malagasy Bible Miakara any Gileada, ka makà balsama, ry Egypta zanakavavy virijina; Foana ny nanaovanao fanafody maro, fa tsy manana plasitera hapetaka amin'ny ferinao ianao, La Bible en Malgache Miakara any Gileada ka makà balisama, ry Ejipta zanakavavy virijiny; foana ny nanaovanao fanafody maro, fa tsy manana fanafody hanasitranana ny ferinao ianao. |
Ary dia nipetraka nihinana izy ireo. Nony natopiny ny masony, dia hitany fa indreny nisy Ismaelita niray dia avy any Galaada; ary ny entana nentin’ny ramevany dia astragala, ditin-kazo manitra, mbamin’ny ladanôma, ndeha havariny any Ejipta.
Ka dia hoy i Israely rainy, tamin’izy ireo: «Ilaina àry izany, ka dia izao no ataovy: Angalao avokoa ny vokatra malaza amin’ny tany, ataovy ao anaty fitondran’entanareo dia ento hatao fanomezana ho an-dralehilahy: ditin-kazo manitra kely, tantely kely, astragala, ladanôma, voanjo, amandy.
Midìna, mipetraha amin’ny vovoka, ry virjiny, zanaka vavin’i Babilôna; mipetraha amin’ny tany, fa tsy amin’ny seza fiandrianana, ry zanaka vavin’ny Kaldeanina; fa ianao tsy hantsoina intsony hoe: Ikala kiankianina, Ikala miangetsana.
Ary lazao azy ireo izao teny izao: Ny masoko handrotsa-dranomaso andro aman’alina tsy tapaka, fa ny virjiny zanaka vavin’ny vahoakako, dia efa hiharan-doza lehibe, sy fery mampanaintaina fatratra.
Manangàna famantaran-dalana, manorena famolaina ho anao, tandremo ny lalam-be, ny lalana efa nalehanao. Miverena, ry virjinin’i Israely, miverena atỳ amin’ny tanànanao indray. Mandra-pahoviana no hiriariavanao, ry zanaka vavy mpiodina?
Izaho hanorina anao indray, dia ho voaorina indray ianao, ry virjinin’i Israely; hiramarama amin’ny ampongatapakao indray, ary hamindra amin’ny dihy fifaliana.
Nianjera tampoka anefa i Babela, ka torotoro; migogogogoa azy; makà diloilo manitra hatao amin’ny feriny; angamba ho sitrana ihany izy.
Tsy misy baoma intsony any Galaada, tsy misy dokotera intsony va any? Sa nahoana no tsy nasiana bandy ny zanaka vavin’ny oloko?
I Jodà sy ny tanin’i Israely nifampivarotra taminao, ny amin’ny varin’i Minîta, ny zava-manitra, ny tantely, ny diloilo, ny ditin-kazo manitra.
Fa fery mahafaty ny azy, fa tonga hatrany amin’i Jodà, tonga hatreo am-bavahadin’ny vahoakako dia hatrany Jerosalema. izy.
Tsy lai-panafody ny ratranao; ratsy ny ferinao; izay rehetra hitantarana ny nanjò anao, hiteha-tanana noho ny aminao avokoa; satria zovy moa no tsy niharan’ny hasomparanao lava izao?
Lazaiko aminao marina tokoa fa tsy ho afaka ao mihitsy ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany.