Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 44:11 - Baiboly Katolika

Noho izany, izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Indro Aho hitodi-tava hamely anareo, hahatonga loza aminareo sy handringana an’i Jodà rehetra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Koa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Indro, hanandrina anareo Aho hahatonga loza haharingana ny Joda rehetra.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary nofaranan’i Jeremià hoe: «Noho izany, dia izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: ‹Indro Aho manandrina anareo ka hahatonga loza handringana ny mponin’i Joda rehetra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary nofaranan’i Jeremià hoe: «Noho izany, dia izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: ‹Indro Aho manandrina anareo ka hahatonga loza handringana ny mponin’i Joda rehetra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Koa izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hanandrina anareo Aho hahatonga loza haharingana ny Joda rehetra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Koa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hanandrina anareo Aho hahatonga loza haharingana ny Joda rehetra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Koa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, Andriamanitry ny Israely: Indro, hanandrina anareo Aho hahatonga loza haharingana ny Joda rehetra.

Jereo ny toko



Jeremia 44:11
9 Rohy Ifampitohizana  

Ny mason’i Iaveh mitsinjo ny marina ary ny sofiny mihaino ny fitarainany.


Satria hahatonga loza, fa tsy soa amin’ity tanàna ity, no nitodihan’ny Tavako azy, - teny marin’i Iaveh, - dia hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna izy, ka hodorany ho levona amin’ny afo.


Koa mihainoa ny tenin’i Iaveh, ry Jodà rehetra mitoetra atỳ amin’ny tany Ejipta: Indro Aho fa mianiana amin’ny Anarako lehibe, hoy i Iaveh, fa tsy hotononin’ny vavan’ny lehilahy amin’i Jodà eran’ny tany Ejipta intsony, ny Anarako, hatao hoe: ‹Velona i Iaveh Tompo›.


Hitodika hanandrina azy ny Tavako; afa-nandositra ny afo izy, nefa levon’ny afo ihany indray; dia ho fantatrareo fa Iaveh Aho, rehefa atodiko hanandrina azy ireo ny Tavako.


Na zovy na zovy amin’ny taranak’i Israely, na amin’ny vahiny mitoetra eo afovoany, hihinana ram-biby, na biby inona na biby inona, dia hanandrina izay olona mihinan-dra ny Tavako, ka hofongorako amin’ny fireneny izy;


Hanandrina anareo ny Tavako, ka ho resin’ny fahavalonareo ianareo; izay mankahala anareo no hanapaka anareo, ary handositra tsy enjehina ianareo.


Ary raha lasan-ko babo eo anoloan’ny fahavalony izy, hodidiako hamono azy any ny sabatra. Ka hifàntoka aminy ny masoko, nefa tsy hahatonga soa, fa loza ho azy izany.