Hitory ny fahamarinanao eo amin’ny fivorian-dehibe aho; tsy hanakombona ny molotro aho, fantatrao izany, ry Iaveh ô!
Jeremia 42:4 - Baiboly Katolika Ary hoy i Jeremia mpaminany, namaly azy ireo: «Dia reko izany; ka indro aho, hivavaka amin’i Iaveh Andriamanitrareo araka ny teninareo; ary hambarako aminareo avokoa, fa tsy misy hanafenako izay havalin’i Iaveh anareo.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy i Jeremia mpaminany taminy: Efa reko izany; koa indro, hivavaka amin’NY TOMPO Andriamanitrareo ary aho araka ny teninareo; ary ny teny rehetra izay havalin’NY TOMPO anareo dia hambarako anareo, fa tsy hisy hafeniko. DIEM PROTESTANTA Dia hoy i Jeremià mpaminany taminy: –Efa reko izany, koa handeha hivavaka amin’ny TOMPO Andriamanitsika aho araka izay efa nangatahanareo tamiko; avy eo dia hatoroko anareo ny valin-tenin’ny TOMPO fa tsy hisy hafeniko anareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy i Jeremià mpaminany taminy: –Efa reko izany, koa handeha hivavaka amin’ny TOMPO Andriamanitsika aho araka izay efa nangatahanareo tamiko; avy eo dia hatoroko anareo ny valin-tenin’ny TOMPO fa tsy hisy hafeniko anareo. Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy Jeremia mpaminany taminy: Efa reko izany; koa, indro, hivavaka amin’i Jehovah Andriamanitrareo ary aho araka ny teninareo; ary ny teny rehetra izay havalin’i Jehovah anareo dia hambarako anareo, fa tsy hisy hafeniko. Malagasy Bible Dia hoy Jeremia mpaminany taminy: Efa reko izany; koa, indro, hivavaka amin'i Jehovah Andriamanitrareo ary aho araka ny teninareo; ary ny teny rehetra Izay havalin'i Jehovah anareo dia hambarako anareo, fa tsy hisy hafeniko. La Bible en Malgache Dia hoy i Jeremia mpaminany taminy: Efa reko izany; koa indro, hivavaka amin’NY TOMPO Andriamanitrareo ary aho araka ny teninareo; ary ny teny rehetra izay havalin’NY TOMPO anareo dia hambarako anareo, fa tsy hisy hafeniko. |
Hitory ny fahamarinanao eo amin’ny fivorian-dehibe aho; tsy hanakombona ny molotro aho, fantatrao izany, ry Iaveh ô!
Aoka ny mpaminany nanonofy hilaza izany nofy izany; ary izay manana ny teniko, hilaza marina ny teniko. Fa inona izay mololo raha miolotra amin’ny vary? - teny marin’i Iaveh. -
Izao no ifampilazanareo aminareo isany, sy amin’ny havanareo avy: «Ahoana no navalin’i Iaveh?» ary: «Ahoana, hoy i Iaveh?»
Izao no lazain’i Iaveh: «Mitsangàna ianao eo an-kianjan’ny tranon’i Iaveh, ka lazao amin’izay avy amin’ny tanànan’i Jodà rehetra izay tonga hivavaka ao an-tranon’i Iaveh, ny teny rehetra nasaiko hambaranao aminy; aza misy amelàna na dia teny iray aza.
Tsy nisy nafeniko izay nahasoa anareo, fa notoriko taminareo sy nampianariko anareo ampahibemaso sy isan-trano.
satria efa nambarako avokoa fa tsy nisy nafeniko taminareo ny sitrapon’Andriamanitra rehetra.
Ry hava-malala, ny irin’ny foko sy angatahiko amin’Andriamanitra ho azy ireo, dia ny hahazoany famonjena.
Ary raha ny amiko, dia lavitra ahy izay hanota amin’i Iaveh ka hitsahatra ny tsy hivavaka ho anareo. Fa hatoroko anareo ny lalana tsara sy mahitsy.