Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 4:15 - Baiboly Katolika

Fa misy feo avy any Dana, ka manambara, hatrany an-tendrombohitr’i Efraima izy no milaza ny loza ho avy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa injany misy feo manambara avy any Dana ary misy filazam-pahoriana avy amin’ny tany be havoana any Efraima.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Henoy ange fa misy siosio avy any Dana, ary misy vaovao milaza fahoriana avy amin’ny faritra havoan’i Efraîma.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Henoy ange fa misy siosio avy any Dana, ary misy vaovao milaza fahoriana avy amin’ny faritra havoan’i Efraîma.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa injany! misy feo manambara avy any Dana Sy filazam-pahoriana avy amin’ny tany havoan’i Efraima,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa injany! misy feo manambara avy any Dana sy filazam-pahoriana avy amin'ny tany havoan'i Efraima,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa injany misy feo manambara avy any Dana ary misy filazam-pahoriana avy amin’ny tany be havoana any Efraima.

Jereo ny toko



Jeremia 4:15
8 Rohy Ifampitohizana  

Endrey izany hatsaran’ny tongotr’ilay iraka eny an-tendrombohitra, izay mitory ny vaovao mahafaly, dia ny fiadanana; ilay manambara ny fahasambarana, ilay mitory ny famonjena; ilay milaza amin’i Siôna hoe: «Manjaka ny Andriamanitrao!»


Misy tsaho sy siosion-teny! Injany tamy izy, misy tabataba be avy amin’ny tany avaratra, hanova ny tanànan’i Jodà ho efitra, sy fieren’amboadia!


Mandosira, ry taranak’i Benjamina, hiala ao afovoan’i Jerosalema. Mitsofa anjomara any Tekoà, ary manangàna famantarana any Betakarema! Fa misy loza tamy avy any avaratra ary fandringanana lehibe.


Re hatrany Dana ny fiefonefon’ny soavaliny. Raha mahare ny fanenon’ny soavaliny dia mihorohoro avokoa ny tany. Tonga izy dia levoniny ny tany mbamin’izay ao aminy, ny tanàna mbamin’ny mponina ao aminy.


Dia hoy i Jôsoe taminy: «Raha vahoaka be àry ianareo miakara any an’ala, ka miteveza any amin’ny tanin’ny Ferezeanina sy ny Refaima honenanareo, rehefa ety tsy omby anareo ny tendrombohitr’i Efraima.»


Ny natokany dia i Kadesy any Galilea amin’ny tendrombohitr’i Neftalì; i Sikema amin’ny tendrombohitr’i Efraima, ary i Kariat-Arbe, dia i Hebrôna izany, amin’ny tendrombohitr’i Jodà.


ary ny anarany nataony hoe Dana, araka ny anaran’i Dana, rainy, izay naterak’i Israely; fa Laïsa kosa no anaran’ny tanàna taloha.


Dia nivoaka ny zanak’i Israely rehetra hatrany Dana ka hatrany Bersabea sy ny tany Galaada; ka nivory teo anatrehan’i Iaveh tany Masfà, toy ny olona iray ihany, ny fiangonana.