Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 34:4 - Baiboly Katolika

Henoy anefa ny tenin’i Iaveh, ry Sedesiasa, mpanjakan’i Jodà! Izao no lazain’i Iaveh aminao: Tsy ho fatin-tsabatra ianao,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nefa henoy ny tenin’NY TOMPO, ry Zedekia, mpanjakan’ny Joda. Izao no lazain’NY TOMPO ny aminao: Tsy ho fatin-tsabatra ianao,

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

«Kanefa raha mankatò ny teniko ianao, ry Tsedekià mpanjakan’i Joda, dia tsy ho faty an’ady ianao. Izaho TOMPO mihitsy no milaza izany aminao.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

«Kanefa raha mankatò ny teniko ianao, ry Tsedekià mpanjakan’i Joda, dia tsy ho faty an’ady ianao. Izaho TOMPO mihitsy no milaza izany aminao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Nefa henoy ny tenin’i Jehovah, ry Zedekia, mpanjakan’ny Joda. Izao no lazain’i Jehovah ny aminao: Tsy ho fatin-tsabatra hianao,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Nefa henoy ny tenin'i Jehovah, ry Zedekia, mpanjakan'ny Joda. Izao no lazain'i Jehovah ny aminao: Tsy ho fatin-tsabatra ianao.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nefa henoy ny tenin’NY TOMPO, ry Zedekia, mpanjakan’ny Joda. Izao no lazain’NY TOMPO ny aminao: Tsy ho fatin-tsabatra ianao,

Jereo ny toko



Jeremia 34:4
7 Rohy Ifampitohizana  

Hoy kosa i Mikea: «Henoy àry ny tenin’i Iaveh: Izaho efa nahita an’i Iaveh mipetraka amin’ny seza fiandrianany, ary ny tafiky ny lanitra rehetra dia eo ankavanany sy eo ankaviany.


Mihainoa ny tenin’i Iaveh, ry taranak’i Jakôba, mbaminareo rehetra, fianakavian’ny taranak’i Israely.» Izao no lazain’i Iaveh:


Dia hoentina any Babilôna i Sedesiasa, ary hitoetra any, mandra-pamangiko azy, - teny marin’i Iaveh.- Raha miady amin’ny Kaldeanina ianareo, tsy hahomby tsy akory.»


Ary ianao tsy ho afa-mandositra ny tanany, fa ho voasambotra marina tokoa ianao sy ho voatolotra eo an-tanany; ny masonao, hahita ny mason’ny mpanjakan’i Babilôna, izy hiteny mifanatrika aminao, ary ianao handeha ho any Babilôna.


fa ho faty amim-piadanana, ary toy ny nandoroan’ny olona zava-manitra ho an’ireo razanao, izay mpanjaka talohanao, no handoroany izany ho anao koa; sady hitomany anao ny olona, hanao: «Indrisy! ry tompo!» satria Izaho efa nilaza izany, - teny marin’i Iaveh. -


Mitsangàna eo am-bavahadin’ny tranon’i Iaveh, ka eo no torio izao teny izao, ataovy hoe: «Mihainoa ny tenin’i Iaveh, ianareo rehetra lehilahy amin’i Jodà, izay miditra amin’ireto vavahady ireto, hivavaka amin’i Iaveh.


Henoy ny tenin’i Iaveh, ry zanak’i Israely, fa manana ady amin’ny mponin’ny tany i Iaveh, satria tsy misy intsony na ny fahamarinana na ny fiantrana na ny fahalalana an’Andriamanitra ao amin’ny tany.