Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 34:4 - DIEM PROTESTANTA

4 «Kanefa raha mankatò ny teniko ianao, ry Tsedekià mpanjakan’i Joda, dia tsy ho faty an’ady ianao. Izaho TOMPO mihitsy no milaza izany aminao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Nefa henoy ny tenin’NY TOMPO, ry Zedekia, mpanjakan’ny Joda. Izao no lazain’NY TOMPO ny aminao: Tsy ho fatin-tsabatra ianao,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 «Kanefa raha mankatò ny teniko ianao, ry Tsedekià mpanjakan’i Joda, dia tsy ho faty an’ady ianao. Izaho TOMPO mihitsy no milaza izany aminao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Henoy anefa ny tenin’i Iaveh, ry Sedesiasa, mpanjakan’i Jodà! Izao no lazain’i Iaveh aminao: Tsy ho fatin-tsabatra ianao,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Nefa henoy ny tenin’i Jehovah, ry Zedekia, mpanjakan’ny Joda. Izao no lazain’i Jehovah ny aminao: Tsy ho fatin-tsabatra hianao,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Nefa henoy ny tenin'i Jehovah, ry Zedekia, mpanjakan'ny Joda. Izao no lazain'i Jehovah ny aminao: Tsy ho fatin-tsabatra ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Nefa henoy ny tenin’NY TOMPO, ry Zedekia, mpanjakan’ny Joda. Izao no lazain’NY TOMPO ny aminao: Tsy ho fatin-tsabatra ianao,

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 34:4
7 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy indray i Mikaià: –Henoy àry ny tenin’ny TOMPO. Hitako nipetraka teo amin’ny sezafiandrianany manko ny TOMPO; ary ireo anjeliny rehetra any an-danitra nijoro teo ankavanany sy teo ankaviany.


Ry taranak’i Jakôba sy ry fokon’i Israely rehetra, henoy ny tenin’ny TOMPO


Dia hoentina any Babilôna i Tsedekià, ka hijanona any saingy hokarakaraiko, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Fa na dia hanohy hiady amin’ny Babilônianina aza ianareo, dia tsy haharesy azy.»


Ary tsy ho afa-miala aminy ianao, fa ho azo sambo-belona ka hatolotra azy. Tsy maintsy hifanatri-maso aminy ianao ka hamaly azy mivantana alohan’ny hankanesanao any Babilôna.


Fa ho faty amim-piadanana aza ianao, ka ny fandevenana anao dia hatao tahaka ny an’ireo razanao izay mpanjaka talohanao: handoran’ny olona zava-manitra ianao sady hanaovany hira fisaonana hoe: ‹Indrisy, ry mpanjaka tompoko!› Izaho TOMPO mihitsy no milaza, ary teny hentitra avy amiko izany!»


hitsangana eo am-bavahadin’ny tranon’ny TOMPO sy hiantsoantso izao hafatra izao: «Mihainoa ny tenin’ny TOMPO ianareo olon’i Joda rehetra izay miditra amin’ity vavahady ity mba hivavaka amin’ny TOMPO.


Manana ady amin’ny mponin’ity tany ity ny TOMPO, ry Israelita; ka henoy izao teniny izao: «Tsy misy toetra mahatoky eto amin’ity tany ity, tsy misy fitiava-namana, na fahalalàna an’Andriamanitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra