Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 34:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Ary tsy ho afa-miala aminy ianao, fa ho azo sambo-belona ka hatolotra azy. Tsy maintsy hifanatri-maso aminy ianao ka hamaly azy mivantana alohan’ny hankanesanao any Babilôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 tsy ho afa-mandositra ny tanany ianao fa ho voasambotra tokoa ka hatolotra eo an-tanany; ary hahita ny mason’ny mpanjakan’i Babilona ny masonao, dia hiteny mifanatrika aminao izy, sady ho tonga any Babilona ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Ary tsy ho afa-miala aminy ianao, fa ho azo sambo-belona ka hatolotra azy. Tsy maintsy hifanatri-maso aminy ianao ka hamaly azy mivantana alohan’ny hankanesanao any Babilôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Ary ianao tsy ho afa-mandositra ny tanany, fa ho voasambotra marina tokoa ianao sy ho voatolotra eo an-tanany; ny masonao, hahita ny mason’ny mpanjakan’i Babilôna, izy hiteny mifanatrika aminao, ary ianao handeha ho any Babilôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 ary hianao tsy ho afa-mandositra ny tànany, fa ho voasambotra tokoa ka hatolotra eo an-tànany; ary ny masonao hahita ny mason’ny mpanjakan’i Babylona, dia hiteny mifanatrika aminao izy, sady ho tonga any Babylona hianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 ary ianao tsy ho afa-mandositra ny tànany, fa ho voasambotra tokoa ka hatolotra eo an-tànany; ary ny masonao hahita ny mason'ny mpanjakan'i Babylona, dia hiteny mifanatrika aminao izy, sady ho tonga any Babylona ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 tsy ho afa-mandositra ny tanany ianao fa ho voasambotra tokoa ka hatolotra eo an-tanany; ary hahita ny mason’ny mpanjakan’i Babilona ny masonao, dia hiteny mifanatrika aminao izy, sady ho tonga any Babilona ianao.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 34:3
18 Rohy Ifampitohizana  

Aorian’izany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, dia hatolotro eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna i Tsedekià mpanjakan’i Joda sy ny manamboninahiny ary ny mponina tato an-tanàna izay sisa velona tamin’ny areti-mandringana sy ny ady ary ny mosary. Eo an-tanan’ny fahavalony izay mitady hamono azy ho faty no hanolorako azy. Ka hasain’i Nebokadnetsara haripaka tsy misy antra na fangorahana na indrafo ireny.»


«Hoentina any Babilôna ireo fanaka rehetra ireo, ary hijanona any ambara-piavin’ny andro hirotsahako an-tsehatra hampakatra sy hamerina azy eto amin’ity toerana ity indray.» Izany no teny hentitry ny TOMPO.


Izany no ilazako aminao hoe: Indro ity tanàna ity hatolotro eo am-pelatanan’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna sy eo am-pelatanan’ny tafiny ka ho afany.


I Tsedekià no nampanidy an’i Jeremià tao satria nanome tsiny ity mpaminany izy tamin’ny nanambarany ny hafatry ny TOMPO hoe: «Hatolotro eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna i Jerosalema ka ho lasany.


Ary na dia i Tsedekià mpanjakan’i Joda aza dia tsy ho afa-mitsoaka amin’ny Babilônianina fa hatolotra tokoa amin’ny mpanjakan’i Babilôna. Tsy maintsy hiseho eo anatrehan’i Nebokadnetsara izy ka hifandahatra aminy mivantana.


I Tsedekià mpanjaka sy ireo mpiasam-panjakana ambony koa dia hatolotro ho eo an-tanan’ny fahavalo izay mitady hahafaty azy, dia ny tafiky ny mpanjakan’i Babilôna. Nisinda nihataka kely ankehitriny izany tafika izany;


«Kanefa raha mankatò ny teniko ianao, ry Tsedekià mpanjakan’i Joda, dia tsy ho faty an’ady ianao. Izaho TOMPO mihitsy no milaza izany aminao.


no nanirahan’i Tsedekià olona haka azy mba hanontaniany mangina tao an-dapany hoe: –Moa misy hafatry ny TOMPO tokoa va ho ahy? Ka novalian’i Jeremià hoe: –Eny, dia inty: «Hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna ianao.»


Fa raha tsy manaiky hitolo-batana amin’ireo manamboninahitry ny mpanjakan’i Babilôna kosa ianao, dia hatolotro eo an-tanan’ny Babilônianina ity tanàna ity ka hodorana amin’ny afo; ary ianao tsy ho afa-mandositra azy akory.»


Eny, ny vadinao rehetra mbamin’ireo zanakao lahy dia hoentina any amin’ny Babilônianina, ary ianao koa tsy ho afaka amin’ny tanany; hataon’ny mpanjakan’i Babilôna sambo-belona ianao ary noho ny aminao no handoroana ity tanàna ity amin’ny afo.


Izaho Tompo kosa dia hamelatra fandrika harato ka hisambotra azy. Dia hoentiko any amin’ny tanin’ny Babilônianina izy, ary tsy hahita izany kanefa ho faty any.


Kanjo ity mpanjaka vaovao nikomy tamin’ny mpandresy, ary nandefa iraka tany Ejipta mba hangataka soavaly sy miaramila marobe. Hahomby sy ho tafavoaka ve izy raha nanao izany? Tsy ho tafavoaka mihitsy izy, satria tsy nitandro fifanekena!


«Velona Izaho Tompo ANDRIANANAHARY ka manao teny hentitra sy mianiana fa ho faty any amin’ny tanin’ilay mpanjaka izay nahatonga azy hanjaka io mpanjaka io. Nanao tsinontsinona ny fianianana nataony ary tsy nitandro ny fifanekena vita izy, ka ho faty any Babilôna.


Ny iray amin’ireo lalana ireo dia hitondra ny tafika babilônianina ho any Rabà, tanànan’ny Hamônita; fa ny iray kosa ho any Jerosalema, tanànamimanda any Joda.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra