Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 34:2 - DIEM PROTESTANTA

2 «Izaho TOMPO Andriamanitr’i Israely no mandidy anao hankany amin’i Tsedekià mpanjakan’i Joda mba hilaza izao hafatro izao: Hatolotro eo an-tanan’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna ity tanàna ity mba hodorany amin’ny afo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Mandehana, lazao amin’i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, ka ambarao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Indro, atolotro eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilona ity tanàna ity ka hodorany amin’ny afo izy;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 «Izaho TOMPO Andriamanitr’i Israely no mandidy anao hankany amin’i Tsedekià mpanjakan’i Joda mba hilaza izao hafatro izao: Hatolotro eo an-tanan’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna ity tanàna ity mba hodorany amin’ny afo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Mandehana ianao milazà amin’i Sedesiasa, mpanjakan’i Jodà, ka ataovy hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Indro hatolotro ny mpanjakan’i Babilôna ity tanàna ity ka hodorany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Izao no lazain’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Mandehana, lazao amin’i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, ka ambarao aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah: Indro, hatolotro eo an-tànan’ny mpanjakan’i Babylona ity tanàna ity, ka hodorany amin’ny afo izy;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Mandehana, lazao amin'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, ka ambarao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, hatolotro eo an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona ity tanàna ity, ka hodorany amin'ny afo izy;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Mandehana, lazao amin’i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, ka ambarao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Indro, atolotro eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilona ity tanàna ity ka hodorany amin’ny afo izy;

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 34:2
14 Rohy Ifampitohizana  

Koa tonga tao Jerosalema niaraka tamin’ny tafiny manontolo i Nebokadnetsara. Nitoby manoloana ny tanàna ireo miaramilany, ary nanao tovon-tany manodidina an’i Jerosalema. Taona fahasivy nanjakan’i Tsedekià tamin’izay, ary andro fahafolon’ny volana fahafolo.


Izy no nandoro ny tranon’ny TOMPO sy ny lapan’ny mpanjaka ary ireo trano tao an-tanàna, indrindra ny an’ny olona ambony rehetra.


Fa tsy ny hitondra soa amin’ity tanàna ity no kendreko, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, fa ny hitondra loza aminy; hatolotro eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna izy hodorany amin’ny afo.»


izao fanambaràn’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely izao: «Indro hataoko miverin-dalana ireo miaramila izay miady any ivelan’ny manda amin’ny mpanjakan’i Babilôna sy ny Kaldeanina noho ny fahirano ataony anareo, ka hampodîko ho ao afovoan-tanàna.


«Hoentina any Babilôna ireo fanaka rehetra ireo, ary hijanona any ambara-piavin’ny andro hirotsahako an-tsehatra hampakatra sy hamerina azy eto amin’ity toerana ity indray.» Izany no teny hentitry ny TOMPO.


I Tsedekià no nampanidy an’i Jeremià tao satria nanome tsiny ity mpaminany izy tamin’ny nanambarany ny hafatry ny TOMPO hoe: «Hatolotro eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna i Jerosalema ka ho lasany.


saingy hasaiko hiverina hanafika ity tanàna ity indray izy, ka hahafaka sy handoro azy. Ary ireo tanànan’i Joda dia hataoko lao tsy hisy mponina; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Eny, ny vadinao rehetra mbamin’ireo zanakao lahy dia hoentina any amin’ny Babilônianina, ary ianao koa tsy ho afaka amin’ny tanany; hataon’ny mpanjakan’i Babilôna sambo-belona ianao ary noho ny aminao no handoroana ity tanàna ity amin’ny afo.


Ankoatra izany, dia nodoran’ny Babilônianina ny lapan’ny mpanjaka sy ny tranon’ny olona tao Jerosalema sady noravany ny mandan’ny tanàna.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra