Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 34:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Niady tamin’i Jerosalema sy ireo tanànan’i Joda i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna, niaraka taminy ny tafiny rehetra sy ny miaramilan’ny fanjakana rehetra eran-tany mbamin’ny vahoaka rehetra teo ambany fahefàny. Tamin’izany no tonga ho an’i Jeremià avy amin’n TOMPO izao teny manaraka izao:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’NY TOMPO, fony i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, namely an’i Jerosalema sy ny tanànany rehetra niaraka tamin’ny miaramilany rehetra ary ny fanjakana rehetra amin’ny tany izay nanjakany mbamin’ny firenena rehetra:

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Niady tamin’i Jerosalema sy ireo tanànan’i Joda i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna, niaraka taminy ny tafiny rehetra sy ny miaramilan’ny fanjakana rehetra eran-tany mbamin’ny vahoaka rehetra teo ambany fahefàny. Tamin’izany no tonga ho an’i Jeremià avy amin’n TOMPO izao teny manaraka izao:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Teny avy amin’i Iaveh, tonga tamin’i Jeremia, fony i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna mbamin’ny tafiny rehetra, ny fanjakana rehetra amin’ny tany nanoa azy ho mpanapaka, ary ny firenena rehetra, niady tamin’i Jerosalema mbamin’ny tanàna rehetra momba azy, teny nanao hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 IZAO no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’i Jehovah, fony Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, sy ny miaramilany rehetra ary ny fanjakana rehetra amin’ny tany izay nanjakany mbamin’ny firenena rehetra izay namely an’i Jerosalema sy ny tanànany rehetra, nanao hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah, fony Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy ny miaramilany rehetra ary ny fanjakana rehetra amin'ny tany izay nanjakany mbamin'ny firenena rehetra izay namely an'i Jerosalema sy ny tanànany rehetra, nanao hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’NY TOMPO, fony i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, namely an’i Jerosalema sy ny tanànany rehetra niaraka tamin’ny miaramilany rehetra ary ny fanjakana rehetra amin’ny tany izay nanjakany mbamin’ny firenena rehetra:

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 34:1
14 Rohy Ifampitohizana  

Fa Izao TOMPO dia miteny hentitra hoe: Hantsoiko ny fokom-pirenena rehetra amin’ireo fanjakana any avaratra. Ho avy ireny ka samy hametraka ny sezafiandrianan’ny mpanjakany avy eo anoloan’ny vavahadin’i Jerosalema. Hanodidina ny mandany rehetra izy ary hanafika ny tanàn-dehibe rehetra any Joda.


–Raha sitrakao, anontanio ny TOMPO re ny momba antsika, satria miady amintsika i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna. Angamba mety hanao zava-mahagaga indray ny TOMPO, ka hanainga ny Babilônianina handao antsika.


Nisy torolalana avy amin’ny TOMPO ho an’i Jeremià tamin’ny taona fahafolo nanjakàn’i Tsedekià mpanjakan’i Joda, izany hoe ny taona faha-18 nanjakàn’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna.


Ny tafika babilônianina tamin’izay dia nanao fahirano an’i Jerosalema; ary i Jeremià mpaminany dia nogadraina tao an-dapan’ny mpanjakan’i Joda, tao an-kianja fiambenana.


Tamin’izay fotoana izay ny tafiky ny mpanjakan’i Babilôna dia namely an’i Jerosalema sy ireo tanànamimanda hafa tany Joda izay mbola sisa nijoro, dia i Lakisy sy i Hazekà.


«Izaho Nebokadnetsara dia niadam-pinaritra tato an-dapako.


Horoahina hiala amin’ny olombelona ianao, dia hiara-mipetraka amin’ny biby eny an-tsaha, hihinana ahitra tahaka ny omby ary ho kotsan’ny ando! Fito taona no haharetan’izany aminao, mandra-piekenao fa ny Avo Indrindra no manapaka amin’ny fanjakan’ny olombelona ka manome izany ho an’izay tiany.


Ary noho io fahalehibiazana izay nomen’Andriamanitra azy io dia natahotra sy nangovitra avokoa teo anatrehany ny foko sy firenena ary ny olona samy hafa fiteny rehetra; fa nahafaty izay tiany ho faty izy ary namelona izay tiany ho velona, nanandratra izay tiany hasandratra izy ary nampietry izay tiany haetry.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra