Baiboly an-tserasera

dokam-barotra

Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao

Jeremia 34:10 - Baiboly Katolika

Samy nanaiky avokoa ny mpanapaka sy ny vahoaka niditra tamin’izany fanekena izany, ny handefa ny ankizy lahiny aman’ankizy vaviny ho afaka ka tsy hitana azy ao amin’ny fanompoana intsony, sady nanaiky izy ireo no nandefa tokoa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nanaiky ny mpanapaka rehetra sy ny vahoaka rehetra izay nanao ny fanekena fa samy handefa ny mpanompolahiny sy ny mpanompovaviny ho afaka mba tsy hampanompoany azy intsony; eny, nanaiky izy ka samy nandefa azy ho afaka.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ny mpitondra fanjakana rehetra sy ny mponina tao Jerosalema dia samy nandray anjara tamin’izany fifanekena ampahibemaso izany avokoa ary nanaiky tsy hampanompo intsony ireo lehilahy sy vehivavy eo an-tanany, fa samy handefa azy ireny ho afaka. Samy nanaiky izany fifanekena izany avokoa ny olona ka namela ny mpanompony handeha.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny mpitondra fanjakana rehetra sy ny mponina tao Jerosalema dia samy nandray anjara tamin’izany fifanekena ampahibemaso izany avokoa ary nanaiky tsy hampanompo intsony ireo lehilahy sy vehivavy eo an-tanany, fa samy handefa azy ireny ho afaka. Samy nanaiky izany fifanekena izany avokoa ny olona ka namela ny mpanompony handeha.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ka dia nanaiky ny mpanapaka rehetra sy ny vahoaka rehetra izay nanao ny fanekena, samy handefa ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny ho afaka mba tsy hampanompoany azy intsony; eny, nanaiky izy, ka samy nandefa azy ho afaka.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

La Bible en Malgache

Dia nanaiky ny mpanapaka rehetra sy ny vahoaka rehetra izay nanao ny fanekena fa samy handefa ny mpanompolahiny sy ny mpanompovaviny ho afaka mba tsy hampanompoany azy intsony; eny, nanaiky izy ka samy nandefa azy ho afaka.

Jereo ny toko

Jeremia 34:10
12 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa hividy mpanompo hebrio ianao, enin-taona no hanompoany, fa amin’ny taona fahafito dia hiala izy ka afaka tsy mandoa na inona na inona.

Ary hoy ny Tompo: «Satria ity firenena ity manatona Ahy amin’ny vavany sy mankalaza Ahy amin’ny molony, nefa ny fony ampanalaviriny Ahy, ary ny fivavahana ataony amiko dia didy nianarany tamin’olombelona,

Nony nandre izany zavatra izany ny loholon’i Jodà, dia niakatra avy any an-tranon’ny mpanjaka izy, nankao an-tranon’i Iaveh, ka nipetraka teo anoloan’ny vavahady Vaovao amin’ny tranon’i Iaveh.

Dia hoy ny loholona mbamin’ny vahoaka rehetra, tamin’ireo mpisorona sy ireo mpaminany: «Tsy mendrika hovonoina ity lehilahy ity, satria tamin’ny Anaran’i Iaveh Andriamanitsika no nitenenany tamintsika.»

Kanjo niova hevitra izy tatỳ aoriana fa naverina indray ny mpanompo na lahy na vavy izay efa nalefany ho afaka, ka notereny hilatsaka ho ankizy lahy sy ho ankizy vavy indray.

dia ny filohan’i Jodà, ny filohan’i Jerosalema, ny eonoka ama-mpisorona mbamin’ny vahoaka, rehetra amin’ny tany namaky teo anelanelan’ny tapaky ny vantotr’ombalahy.

ka dia nidina nankany an-tranon’ny mpanjaka, tao amin’ny efitranon’ny mpanoratra; ka indro fa nipetraka tao avokoa ny lehibe, dia i Elisama mpanoratra, i Dalaiasa zanak’i Semeiàsa, i Elinatana zanak’i Akobôra, i Gamariasa zanak’i Safàna, i Sedekiasa zanak’i Hananiasa, mbamin’ny lehibe rehetra.

Dia hoy ny lehibe tamin’ny mpanjaka: «Aoka hovonoina io lehilahy io! Fa mampiraviravy tanana ny lehilahy mpiady sisa eto an-tanàna mbamin’ny vahoaka rehetra izy, amin’ny fanaovana teny toy izany aminy. Fa tsy mba mitady izay hahasoa ity vahoaka ity io lehilahy io, fa izay hampidi-doza aminy ihany.»

Ary ankamasino ny taona fahadimampolo, ataovy antso avo ny fahafahana ho an’ny mponina rehetra amin’ny tany. Fa jobily ho anareo izany, ka samia ianareo mody amin’ny taniny avy, samia mody ao amin’ny fianakaviany avy.

noho ny tahotr’i Herôda an’i Joany izay hitany fa lehilahy marina sy masina, ka narovany sady narahiny hevitra tamin’ny zavatra maro, sy nohenoiny tamin-kafaliana.