Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 33:2 - Baiboly Katolika

Izao no tenin’i Iaveh izay manao izany, dia i Iaveh izay misaina izany mba hanatanterahany azy, - Iaveh no Anarany: -

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Izao no lazain’NY TOMPO, Mpanao izany, dia NY TOMPO izay namorona izany mba hampitoetra azy; NY TOMPO no anarany:

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

«Izao no lazain’ny TOMPO, Ilay manao ny zava-mitranga ka mamolavola azy mba hitantanany azy, dia Ilay antsoina hoe TOMPO:

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

«Izao no lazain’ny TOMPO, Ilay manao ny zava-mitranga ka mamolavola azy mba hitantanany azy, dia Ilay antsoina hoe TOMPO:

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Izao no lazain’i Jehovah, Mpanao izany, Dia Jehovah Izay namorona izany mba hampitoetra azy; Jehovah no anarany;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Izao no lazain'i Jehovah, Mpanao izany, dia Jehovah Izay namorona izany mba hampitoetra azy; Jehovah no anarany;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Izao no lazain’NY TOMPO, Mpanao izany, dia NY TOMPO izay namorona izany mba hampitoetra azy; NY TOMPO no anarany:

Jereo ny toko



Jeremia 33:2
21 Rohy Ifampitohizana  

Amin’izay dia hanaja ny Anaran’i Iaveh ny firenena, ary hanaja ny fiandriananao ny mpanjaka rehetra amin’ny tany


Ary izao no hilazan’ny olona an’i Siôna: «Samy teraka tao aminy ity sy irỳ: dia Izy, ny Avo indrindra, no nanorina azy.»


Mpiady mahery i Iaveh, Ary i Iaveh no anarany.


Efa niseho tamin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba ho Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra Aho; fa mbola tsy nanambara Ahy taminy Aho araka ny Anarako hoe Iaveh.


Inona no havaly ireo iraky ny firenena? Izao: «I Iaveh no nanorina an’i Siôna, ka mahita fialofana ao izay ory amin’ny vahoakany».


Tsy mba renao va fa efa hatramin’ny ela dia nanao izany aho, ary efa noforoniko hatramin’ny andro taloha? Ankehitriny ataoko izay hahatanterahan’izany. hampanjarianao korontan-javatra miavosa ny tanàna mimanda.


Izaho no Iaveh, izany no Anarako; ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa. Ny fanajana Ahy, tsy ho an’ny sampy.


Ary ankehitriny, izao no lazain’i Iaveh, dia ilay nahary anao, ry Jakôba, sy namorona anao, ry Israely: «Aza matahotra fa Izaho efa nanavotra anao, Izaho efa niantso anao amin’ny anaranao, ka Ahy ianao!


ny vahoaka noforoniko mba ho Ahy, ka hitory ny fiderana Ahy.


O ry zareo mpampahatsiaro an’i Iaveh ô, aza mitsahatra ianareo; ary aza avelanareo hitsahatra Izy, mandra-panangany an’i Jerosalema indray, sy mandra-panaony azy ho fideran’ny tany.


Tsy toy izany ny anjaran’i Jakôba; fa Izy dia Ilay namorona an’izao rehetra izao; ary i Israely no firenena lovany; i Iavehn’ny tafika no Anarany.


Koa indro hampahafantariko azy ireo amin’ity indray maka ity, hampahafantariko azy ireo ny tanako sy ny heriko dia ho fantany fa i Iaveh no Anarako.


Ianao no mamindra fo amin’ny arivony sy mamaly ny heloky ny ray, eo an-kibon’ny zaza mandimby azy, ianao no Andriamanitra lehibe sy mahery, izay manana anarana hoe: Iavehn’ny tafika,


Tsy mba toy izany ny anjaran’i Jakôba; fa namorona izao tontolo izao izy; ary ny anjara lovany dia ilay manana anarana hoe Iavehn’ny tafika.


Nanao ny Kotokelimiadilaona sy ny Telonohorefy izy; mampody ho maraina ny haizina, ary ny andro ho alim-pito; miantso ny rano ao an-damosina, dia mampiely azy eo ambonin’ny tany; Iaveh no anarany.


Manao ny ambaratongany any an-danitra izy, ary manorina ny andohalambony etỳ ambonin’ny tany; miantso ny rano eo amin’ny ranomasina izy, dia nampiely azy etỳ ambonin’ny tany; Iaveh no Anarany.


fa nanantena ilay tanàna mafy orina manana an’Andriamanitra ho Tompo-marika sy ho mpanao izy.


fa tany tsara lavitra no iriny, dia ny lanitra izany. Ka noho Andriamanitra efa namboatra tanàna ho azy, dia tsy menatra Izy hantsoiny hoe: Andriamanitr’izy ireo.


Dia nentiny am-panahy tany amin’ity tendrombohitra sady lehibe no avo aho, ka nasehony ahy ny tanàna masina, dia Jerosalema nidina avy any an-danitra, avy amin’Andriamanitra.


Dia indro hitako nidina avy any an-danitra ny tanàna masina avy any amin’Andriamanitra, dia Jerosalema vaovao, voahaingo toy ny vehivavy ampakarina, voaomana hihaona amin’ny vadiny.