Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Apokalipsy 21:10 - Baiboly Katolika

10 Dia nentiny am-panahy tany amin’ity tendrombohitra sady lehibe no avo aho, ka nasehony ahy ny tanàna masina, dia Jerosalema nidina avy any an-danitra, avy amin’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Ary nitondra ahy tamin’ny Fanahy ho any an-tendrombohitra iray sady lehibe no avo izy ka naneho ahy ny tanàna masina, dia i Jerosalema, midina avy tamin’Andriamanitra any an-danitra.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

10 Dia nahazo tsindrimandry avy amin’ny Fanahy Masina aho ka nentin’ny anjely tany amin’ity tendrombohitra sady lehibe no avo, ary nasehony ahy ny tanàna masina avy tamin’Andriamanitra, dia i Jerosalema nidina avy any an-danitra

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Dia nahazo tsindrimandry avy amin’ny Fanahy Masina aho ka nentin’ny anjely tany amin’ity tendrombohitra sady lehibe no avo, ary nasehony ahy ny tanàna masina avy tamin’Andriamanitra, dia i Jerosalema nidina avy any an-danitra

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Ary nitondra ahy tamin’ny Fanahy ho any an-tendrombohitra sady lehibe no avo izy ka naneho ahy ny tanàna masina, dia Jerosalema, midina avy tamin’Andriamanitra any an-danitra,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Ary nitondra ahy tamin'ny Fanahy ho any an-tendrombohitra sady lehibe no avo izy ka naneho ahy ny tanàna masina, dia Jerosalema, midina avy tamin'Andriamanitra any an-danitra,

Jereo ny toko dika mitovy




Apokalipsy 21:10
17 Rohy Ifampitohizana  

Ary rehefa handao anao aho izao, dia hoentin’ny Fanahin’i Iaveh ianao any amin’izay tsy fantatro, dia izaho hampandre an’i Akaba, nefa ianao tsy ho hitany, ka hovonoiny ho faty aho. Hatry ny fony kely anefa ny mpanomponao no efa natahotra an’i Iaveh.


ary nanao taminy hoe: «Indro dimampolo lahy mahery fo eto amin’ny mpanomponao, ka aoka handeha hitady ny tomponao izy ireo, fa angamba nofaohin’ny fanahin’i Iaveh izy ka natsipiny any amin’ny tendrombohitra anankiray.» Fa hoy ny navaliny: «Aza maniraka ianareo.»


Naingain’ny fanahy aho dia nentiny nankeo am-bavahady atsinanana, ilay mitodika miantsinanana amin’ny tranon’i Iaveh; ka indro, teo anoloan’ny vavahady nisy olona 25 lahy; ary hitako teo amin’izy ireo, i Jezoniasa zanak’i Azora sy i Feltiasa zanak’i Banaiasa. lehiben’ny vahoaka.


Ary naingain’ny Fanahy aho, ka nentiny ho any amin’ireo babo any Kaldea, tamin’ny fahitana, tamin’ny Fanahin’Andriamanitra. Dia lasa niala teo anatrehako ny fahitana efa hitako;


Nofaohin’ny Fanahy sy nentiny aho, ka lasa; fangidiana amam-pisafoahana no tao amin’ny fanahiko; ary ny tanan’i Iaveh nihazona ahy mafy.


Nisy tarehin-tanana natsotrany, dia noraisiny tamin’ny volondohako miolikolika aho, ka naingain’ny Fanahy ho eny anelanelan’ny tany aman-danitra, sy nentiny, tamin’ny fahitana avy amin’Andriamanitra, ho any Jerosalema, teo anoloan’ny vavahady anatiny, ilay nitodika mianavaratra, misy ny sampin’ny fialonana, mamelona fialonana.


Nony niakatra avy teo amin’ny rano izy ireo, nentin’ny Fanahin’ny Tompo i Filipo, ka tsy hitany intsony, fa nizotra ny lalany an-kafaliana izy.


Fa i Jerosalema any ambony izay renintsika kosa, dia tsy mba andevo;


Notsindrian’ny Fanahy tamin’ny andron’ny Tompo aho, ka nandre feo mahery tao ivohoko, toy ny feon-trômpetra,


Avelao anefa fa aza refesina ny efitrano fidirana ivelan’ny tempoly, satria efa nomena ny Jentily io, ka hanitsaka ny tanàna masina roa amby efapolo volana izy, sy ny ôtely, mbamin’izay mivavaka ao.


Dia nentiny am-panahy nankany an’efitra aho, ka inty Vehivavy nitaingina Biby mivolon-jaky, feno anarana fanevatevana an’Andriamanitra, fito loha sy folo tandroka, no hitako.


Dia indro hitako nidina avy any an-danitra ny tanàna masina avy any amin’Andriamanitra, dia Jerosalema vaovao, voahaingo toy ny vehivavy ampakarina, voaomana hihaona amin’ny vadiny.


Izay handresy dia hataoko andry eo amin’ny Tempolin’Andriamanitra, sady tsy hiala ao intsony; ary hosoratako eo aminy ny Anaran’ny Andriamanitro, sy ny anaran’ny tanànan’ny Andriamanitro, dia i Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra, avy amin’Andriamanitro, sy ny Anarako vaovao.


Niaraka tamin’izay, dia voatsindrin’ny Fanahy aho, ka indro nisy seza fiandrianana niarina tany an-danitra, ary nisy nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra