Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 3:18 - Baiboly Katolika

Amin’izany andro izany, hiara-mandeha ny taranak’i Jodà sy ny taranak’i Israely, ka hiara-tonga avy any amin’ny tany avaratra, ho ao amin’ny tany nomeko ho lovan’ny razanareo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Amin’izany andro izany, ny taranak’i Joda sy ny taranak’Israely, dia hiara-mandeha ka hiara-tonga avy any amin’ny tany avaratra izy, ho any amin’ny tany nomeko ny razanareo ho lovany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Hankany amin’izay nielezan’ny vahoakan’i Israely ny vahoakan’i Joda ka hiara-miverina avy any amin’ny tany avaratra izy roa tonta ary hankany amin’ny tany izay nomeko ny razany ho fananany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Hankany amin’izay nielezan’ny vahoakan’i Israely ny vahoakan’i Joda ka hiara-miverina avy any amin’ny tany avaratra izy roa tonta ary hankany amin’ny tany izay nomeko ny razany ho fananany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Amin’izany andro izany ny taranak’i Joda sy ny taranak’Isiraely dia hiara-mandeha, Ka hiara-tonga avy any amin’ny tany avaratra izy Ho any amin’ny tany nomeko ny razanareo ho lovany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Amin'izany andro izany ny taranak'i Joda sy ny taranak'Isiraely dia hiara-mandeha, ka hiara-tonga avy any amin'ny tany avaratra izy ho any amin'ny tany nomeko ny razanareo ho lovany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Amin’izany andro izany, ny taranak’i Joda sy ny taranak’Israely, dia hiara-mandeha ka hiara-tonga avy any amin’ny tany avaratra izy, ho any amin’ny tany nomeko ny razanareo ho lovany.

Jereo ny toko



Jeremia 3:18
22 Rohy Ifampitohizana  

Ny Kananeanina tamin’izay no nitoetra tamin’ny tany. Niseho tamin’i Abrama i Iaveh ka nanao hoe: «Homeko ny taranakao ity tany ity.» Ary teo i Abrama nanorina ôtely ho an’i Iaveh izay niseho taminy.


Aza matahotra fa momba anao Aho, hamerina ny taranakao avy any Atsinanana Aho, ary hanangona anao avy any Andrefana.


Ny Avaratra hilazako hoe: ‹Atolory izy!› ary ny Atsimo hataoko hoe: ‹Aza mitana azy!› Avereno ny zanako lahy, avy any lavitra any, sy ny zanako vavy, avy any am-paran’ny tany,


fa hoe kosa: Velona i Iaveh, izay nitondra ny zanak’i Israely hiakatra avy any amin’ny tany avaratra, sy avy any amin’ny tany rehetra nandroahany azy. Fa hampodiko amin’ny tany efa nomeko ny razany izy.


fa hoe: Velona i Iaveh, izay nitondra sy nampody ny firenena taranak’i Israely, avy any amin’ny tany avaratra sy ny tany rehetra nandroahako azy. Dia honina eo amin’ny taniny izy ireo.


Koa mandehana, ary ireto teny ireto ataovy amin’ny feo avo, amin’ny lafiny avaratra ka lazao hoe: Miverena, ry Israely mpiodina, - teny marin’i Iaveh - Tsy sitrako ny hanenjan-tava aminareo, fa mamindra fo Aho - teny marin’i Iaveh - ka tsy mitahiry fahatezerana mandrakizay.


Fa indro avy ny andro, - teny marin’i Iaveh, - hamerenako ny lasan-ko babo tamin’i Israely sy i Jodà vahoakako, ka hampodiako azy indray eo amin’ny tany efa nomeko ny razany, ka hanana azy izy.»


Indro Aho mamerina azy avy any amin’ny tany avaratra; manangana azy avy any amin’ny faran’ny tany. Ho eo amin’izy ireo ny jamba sy ny mandringa, ny manana anaka sy ny efa mihetsi-jaza; hanao dia be izy ireo no hiverina atỳ.


Amin’izany andro izany, sy amin’izany fotoana izany, - teny marin’i Iaveh, - hikaroka izay helok’i Israely ny olona, fa tsy hisy intsony izany, ary izay fahotan’i Jodà, fa tsy ho hita intsony izany, satria havelako heloka izay sisa navelako.


Amin’izany andro izany, sy amin’izany fotoana izany, hiverina ny zanak’i Israely, dia izy sy ny zanak’i Jodà koa miaraka aminy. Hitomany eny am-pandehanana izy ireo, ka hitady an’i Iaveh Andriamaniny.


Hanontany ny amin’i Siôna Izy, dia hitodika manatrika azy. «Avia ianareo, ka miraiketa amin’i Iaveh isika, amin’ny fanekena mandrakizay, tsy hohadinoina na oviana na oviana.»


dia hamponeniko amin’ity tany ity ianareo; amin’ny tany efa nomeko ny razanareo hatramin’ny andro taloha ka hatramin’ny mandrakizay.


Noho izany, ilazao ireny ataovy hoe: Izao no lazain’i Iaveh Tompo: Hangoniko avy any amin’ny firenena ianao; hovoriko avy any amin’ny tany nampielezana anareo ianareo; ary homeko anareo ny tanin’i Israely.


Ary hiara-mivory ny taranak’i Jodà sy ny taranak’i Israely, ka hanangana filoha iray hiombonany, dia hiakatra hiala amin’ny tany, fa ho lehibe ny andron’i Jezrahely.


Hamboleko eo amin’ny taniny izy, ka tsy hongotana intsony hiala amin’ny tany, izay efa nomeko azy», hoy i Iaveh Andriamanitrao.


Hohatanjahiko ny taranak’i Jodà, ary hovonjeko ny taranak’i Josefa; hanangana azy indray Aho, fa mangoraka azy ireo; ary ho toy ny tsy nariako akory izy, fa i Iaveh Andriamaniny Aho, ka hihaino azy ireo.


Dia hoy aho: «Ho aiza ianao?» Ary hoy izy tamiko: «Handrefy an’i Jerosalema hahitana izay hatao sakany sy izay hatao lavany.»