Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 27:8 - Baiboly Katolika

Izay firenena ama-mpanjaka tsy mety manaiky azy, dia i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, sy tsy hanao ny vozony ho eo ambanin’ny jiogan’ny mpanjakan’i Babilôna, io firenena io dia hovangiako amin’ny sabatra, amin’ny mosary, amin’ny pesta, - teny marin’i Iaveh, - mandra-pandringako azy amin’ny tanany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Izay firenena na fanjakana tsy mety manompo an’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, ary tsy mety mampiditra ny vozony eo amin’ny ziogan’ny mpanjakan’i Babilona, dia hovaliko amin’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izany firenena izany, hoy NY TOMPO, ambara-pandringako azy amin’ny tanany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

«Koa raha misy firenena na fanjakana tsy mety manompo an’i Nebokadnetsara, eny, raha misy firenena tsy manaiky hitondra ny zioga izay hampitondrain’i Nebokadnetsara azy, dia hirotsaka an-tsehatra Aho hamely izany firenena izany amin’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO; ary ny tanan’i Nebokadnetsara no hasaiko mandripaka azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

«Koa raha misy firenena na fanjakana tsy mety manompo an’i Nebokadnetsara, eny, raha misy firenena tsy manaiky hitondra ny zioga izay hampitondrain’i Nebokadnetsara azy, dia hirotsaka an-tsehatra Aho hamely izany firenena izany amin’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO; ary ny tanan’i Nebokadnetsara no hasaiko mandripaka azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary izay firenena na fanjakana tsy mety manompo an’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, ary tsy mety mampiditra ny vozony eo amin’ny ziogan’ny mpanjakan’i Babylona, dia hovaliako amin’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izany firenena izany, hoy Jehovah, ambara-pandringako azy amin’ny tànany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary izay firenena na fanjakana tsy mety manompo an'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ary tsy mety mampiditra ny vozony eo amin'ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona, dia hovaliako amin'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izany firenena izany, hoy Jehovah, ambara-pandringako azy amin'ny tànany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Izay firenena na fanjakana tsy mety manompo an’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, ary tsy mety mampiditra ny vozony eo amin’ny ziogan’ny mpanjakan’i Babilona, dia hovaliko amin’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izany firenena izany, hoy NY TOMPO, ambara-pandringako azy amin’ny tanany.

Jereo ny toko



Jeremia 27:8
15 Rohy Ifampitohizana  

Ary ny sabatra, ny mosary, ny pesta dia hirahiko hanjò azy, mandra-paharingana azy ireo tsy ho eo amin’ny tany, izay nomeko azy sy ny razany.»


dia indro ampanalaiko ny foko rehetra any avaratra, - teny marin’i Iaveh, - hoentiko amin’i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna, mpanompoko; ary hataoko tonga izy ireo hamely an’ity tany ity mbamin’ny mponina eo aminy sy ny firenena rehetra amin’ny manodidina, ka hataoko anatema izy, hataoko tany lao, zavatra fandatsa, ary rava mandrakizay.


Fa izay firenena hampiditra ny vozony ho ambany jiogan’ny mpanjakan’i Babilôna sy hanompo azy, dia havelako handry feizay eo amin’ny taniny, - teny marin’i Iaveh, - ka hiasa azy, sy honina eo aminy.


Nahoana ianareo, dia ianao sy ny vahoakanao, no ho fatin’ny sabatra sy ny mosary ary ny pesta, araka ny voalazan’i Iaveh hanjò ny firenena tsy mety manompo ny mpanjakan’i Babilôna?


Satria izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Asio jioga vy ny vozon’ireo firenena rehetra ireo, mba hanekeny an’i Nabokodonozora, ka dia hanaiky azy izy ireo efa nomeko azy mbamin’ny biby any an-tsaha.»


Ary hampodiko amin’ity fitoerana ity i Jekôniasa zanak’i Jôakima, mpanjakan’i Jodà, mbamin’ny babo rehetra amin’i Jodà lasa tany Babilôna, - teny marin’i Iaveh, - fa hotapahiko ny jiogan’ny mpanjakan’i Babilôna.»


Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Efa halefako hamely an’ireo ny sabatra, ny mosary, ary ny pesta; hataoko toy ny aviavy ratsy tsy azo hanina, noho ny haratsiany loatra, izy.


Henjehiko amin’ny sabatra sy ny mosary mbamin’ny pesta ary hataoko fampitahorana any amin’ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany ho fanozona, figagàna, fihomehezana, fanala baraka eo amin’ny firenena rehetra nandroahako azy;


Dia izao no nolazain’i Godoliasa zanak’i Ahikama zanak’i Safàna tamin’izy ireo sy tamin’ireo olom-peheziny: «Aza matahotra ny hanompo ny Kaldeanina ianareo; monena amin’ny tany, dia hahita soa ianareo.


Satria izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Na dia rehefa nalefako hamely an’i Jerosalema aza ny fikapohana efatra mandoza: ny sabatra, ny mosary, ny biby masiaka, ary ny pesta, ka nandringana ny olona sy ny biby,