Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 29:17 - Baiboly Katolika

17 Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Efa halefako hamely an’ireo ny sabatra, ny mosary, ary ny pesta; hataoko toy ny aviavy ratsy tsy azo hanina, noho ny haratsiany loatra, izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Indro, hampameleziko azy ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana ka hataoko toy ny aviavy tena ratsy izay tsy azo hanina noho ny haratsiny izy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

17 izao no ambaran’ny TOMPOn’izao rehetra izao: ‹Handefa ady sy mosary ary areti-mandringana hamely azy Aho. Hataoko tonga tahaka ny aviavy lò izay tsy azo hanina noho ny haratsiny izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 izao no ambaran’ny TOMPOn’izao rehetra izao: ‹Handefa ady sy mosary ary areti-mandringana hamely azy Aho. Hataoko tonga tahaka ny aviavy lò izay tsy azo hanina noho ny haratsiny izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Indro, hampameleziko azy ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana, ka hataoko toy ny aviavy ratsy dia ratsy izay tsy azo hanina noho ny haratsiny izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Indro, hampameleziko azy ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana, ka hataoko toy ny aviavy ratsy dia ratsy izay tsy azo hanina noho ny haratsiny izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 29:17
14 Rohy Ifampitohizana  

Izay firenena ama-mpanjaka tsy mety manaiky azy, dia i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, sy tsy hanao ny vozony ho eo ambanin’ny jiogan’ny mpanjakan’i Babilôna, io firenena io dia hovangiako amin’ny sabatra, amin’ny mosary, amin’ny pesta, - teny marin’i Iaveh, - mandra-pandringako azy amin’ny tanany.


Henjehiko amin’ny sabatra sy ny mosary mbamin’ny pesta ary hataoko fampitahorana any amin’ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany ho fanozona, figagàna, fihomehezana, fanala baraka eo amin’ny firenena rehetra nandroahako azy;


Indro ny tovon-tany hanafahana ny tanàna, efa mahatakatra azy, ary ny tanàna efa hatolotra eo an-tanan’ny Kaldeanina izay mamely azy, amin’ny sabatra, ny mosary sy ny pesta; dia tanteraka izay nolazainao, ka mahita izany Ianao.


Ho avy izy, ka hamely ny tany Ejipta; ka izay ho amin’ny fahafatesana, matesa; izay ho amin’ny fahababoana, baboy; izay ho amin’ny sabatra, alavoin-tsabatra.


Nony tamin’ny volana faha-4, andro fahasivin’ny volana, dia efa mafy ny mosary tao an-tanàna, ka tsy nisy intsony izay hanin-kohanin’ny vahoakan’ny tany; koa tamin’izay,


hisy horohoron-tany mafy sy areti-mandringana ary mosary amin’ny tany samihafa; eny an-danitra koa, dia hisy fisehoana mahatahotra sy famantarana lehibe.


Loza no hanjò ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin’izany andro izany, fa ho lehibe tokoa ny fahoriana eto an-tany ary ho mafy ny hatezeran’Andriamanitra amin’ity firenena ity:


Dia nijery aho, ka indro nisy soavaly hatsatra, ary ilay nitaingina azy dia atao hoe i Fahafatesana, sady nanaraka azy ny Fonenan’ny maty. Nomena fahefana amin’ny ampahefatry ny tany izy ireo, hamono amin’ny mosary aman-tsabatra, sy amin’ny fahafatesana mbamin’ny biby masiaka etỳ an-tany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra