Jeremia 27:10 - Baiboly Katolika Fa lainga no vinanìn’ireo aminareo, sy handroahako anareo ka haharingana anareo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa lainga no nosaininy aminareo mba hamindrana anareo ho lavitra ny taninareo, dia horoahiko ianareo ka ho ringana. DIEM PROTESTANTA Fa maminany lainga aminareo izy; koa raha mihaino azy ianareo, dia hoentina hanalavitra ny taninareo. Eny, horoahiko hiala eto ianareo ka ho lany ringana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa maminany lainga aminareo izy; koa raha mihaino azy ianareo, dia hoentina hanalavitra ny taninareo. Eny, horoahiko hiala eto ianareo ka ho lany ringana. Baiboly Protestanta Malagasy Fa lainga no vinanin’ireo aminareo, mba hamindrana anareo ho lavitra ny taninareo, dia horoahiko hianareo ka ho ringana. Malagasy Bible Fa lainga no vinanin'ireo aminareo, mba hamindrana anareo ho lavitra ny taninareo, dia horoahiko ianareo ka ho ringana. La Bible en Malgache Fa lainga no nosaininy aminareo mba hamindrana anareo ho lavitra ny taninareo, dia horoahiko ianareo ka ho ringana. |
Dia hoy i Iaveh tamiko: «Lainga vinanin’ny mpaminany amin’ny Anarako izany; fa Izaho tsy naniraka azy, na nanome didy azy; na niteny taminy. Fahitana mandainga, vinany foana, ary fitaky ny fony, izany no faminaniany aminareo.»
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Aza mihaino ny tenin’ireo mpaminany maminany aminareo, mitarika anareo ho amin’ny zava-poana izy ireo; ny fahitana avy ao am-pony no ambarany, fa tsy izay aloaky ny vavan’i Iaveh.
Reko ny lazain’ireo mpaminany ireo, izay maminany lainga amin’ny Anarako, manao hoe: «Nanonofy aho; nanonofy aho!»
Aza mihaino ny tenin’ny mpaminaninareo, izay manao aminareo hoe: Tsy hampanekena ny mpanjakan’i Babilôna ianareo; fa lainga no vinanìny aminareo.
Tsy naniraka azy ireo Aho, - teny marin’i Iaveh, - fa maminany lainga amin’ny Anarako izy, mba handroahako anareo, sy haharingana anareo, dia ianareo mbamin’ireo mpaminany maminany aminareo.
Ary ny mpisorona mbamin’io vahoaka rehetra io dia nitenenako toy izao: Izao no tenin’i Iaveh: Aza mihaino ny tenin’ireo mpaminaninareo, izay maminany aminareo manao hoe: Indro fa vetivety foana, dia hampodina avy any Babilôna ny fanaky ny tranon’i Iaveh, fa lainga no vinanìny aminareo.
Sady hoy i Hananiasa, teo anatrehan’ny vahoaka rehetra: «Izao no lazain’i Iaveh: Tahaka izao no hanapahako ny jiogan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, hiala eny am-bozon’ny firenena rehetra raha afaka roa taona.» Dia lasa niala i Jeremia mpaminany.
Koa izao no lazain’i Iaveh: Indro esoriko tsy ho eto ambonin’ny tany ianao, dia ho faty ianao satria fiodinana amin’i Iaveh no notorìnao.»
Fa ity tanàna ity tsy nanao afa-tsy izay hampirehitra ny hatezerako amam-pahavinirako, hatramin’ny andro nanorenany azy ka mandraka androany, mba hanesorako azy tsy ho ao anatrehako;
Injany tonga amiko avy any an-tany lavitra, ny fitarainan’ny zanaka vavin’ny oloko manao hoe: Tsy ao Siôna intsony va i Iaveh? Tsy ao afovoany intsony va ny mpanjakany? Nahoana izy ireo no nampahatezitra ahy tamin’ny sampiny, sy tamin’ny zava-poana avy any amin’ny firenen-kafa?
Ny hitan’ny mpaminaninao ho anao, dia fahitana mpamitaka sy foana: Tsy naneho ny helokao taminao izy, mba hamily tsy hihatra aminao ny fahababoana, fa ny nolazainy taminao ho fahitana, dia teny mandainga sy mandrebireby.
Fa ny terafima nilaza zava-poana, ary ny ombiasy nahazo fahitana lainga; nofy foana no ambaran’ireny, ary fampiononana sandoka no omeny; ka noho izany, izy ireo mandeha toy ny ondry; nampahorina, fa tsy nisy mpiandry.
Hanatona anareo Aho ho amin’ny fitsarana; ary ho vavolombelona faingana hamely ny mpanao ody, ny mpaka vadin’olona, ny mpianian-tsy to, ny mpiharaka ny karaman’ny mpikarama, ny mpampahory ny kamboty sy ny mpitondratena, ny mandroaka ny vahiny ary ny tsy matahotra Ahy, hoy i Iavehn’ny tafika.
Aoka eo aminao tsy hisy olona mampandeha ny zanany lahy na ny zanany vavy hamaky ny afo, manao sikidy, mikaroka ny vintana, mitandrina fadifady, manao fankatoavana, mampiasa ody,