Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 27:14 - Baiboly Katolika

14 Aza mihaino ny tenin’ny mpaminaninareo, izay manao aminareo hoe: Tsy hampanekena ny mpanjakan’i Babilôna ianareo; fa lainga no vinanìny aminareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Koa aza mihaino ny tenin’ny mpaminany izay miteny aminareo hoe: Tsy hanompo ny mpanjakan’i Babilona ianareo! Fa lainga no ambaran’ireo aminareo.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

14 Misy mpaminany mihambo milaza fa tsy hanompo ny mpanjakan’i Babilôna intsony ianareo. Maminany lainga izy, ka aza mihaino azy ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Misy mpaminany mihambo milaza fa tsy hanompo ny mpanjakan’i Babilôna intsony ianareo. Maminany lainga izy, ka aza mihaino azy ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Koa aza mihaino ny tenin’ny mpaminany izay manao aminareo hoe: Tsy hanompo ny mpanjakan’i Babylona hianareo; fa lainga no vinanin’ireo aminareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Koa aza mihaino ny tenin'ny mpaminany izay manao aminareo hoe: Tsy hanompo ny mpanjakan'i Babylona ianareo; fa lainga no vinanin'ireo aminareo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 Koa aza mihaino ny tenin’ny mpaminany izay miteny aminareo hoe: Tsy hanompo ny mpanjakan’i Babilona ianareo! Fa lainga no ambaran’ireo aminareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 27:14
20 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy i Iaveh tamiko: «Lainga vinanin’ny mpaminany amin’ny Anarako izany; fa Izaho tsy naniraka azy, na nanome didy azy; na niteny taminy. Fahitana mandainga, vinany foana, ary fitaky ny fony, izany no faminaniany aminareo.»


Izaho tsy naniraka ireo mpaminany; nefa nihazakazaka izy! Izaho tsy niteny taminy, nefa naminany izy!


Reko ny lazain’ireo mpaminany ireo, izay maminany lainga amin’ny Anarako, manao hoe: «Nanonofy aho; nanonofy aho!»


Dia hoy i Jeremia mpaminany tamin’i Hananiasa mpaminany: «Henoy, ry Hananiasa: Tsy nirahin’i Iaveh ianao, ka nataonao izay itokian’ity vahoaka ity amin’ny lainga.


Ary aiza moa ireo mpaminaninareo naminany taminareo, nanao hoe: Tsy ho tonga hamely anareo na hamely ity tany ity ny mpanjakan’i Babilôna;


Indro fa ny vehivavy sisa rehetra amin’ny ankohonan’ny mpanjakan’i Jodà, hoentina ao amin’ny mpanapaky ny mpanjakan’i Babilôna, ka hanao aminao hoe: Sodòkan’ny sakaizanao ianao, ka resiny; nihitsoka anaty fotaka ny tongotrao dia nidify kosa izy ireo.


Ny hitan’ny mpaminaninao ho anao, dia fahitana mpamitaka sy foana: Tsy naneho ny helokao taminao izy, mba hamily tsy hihatra aminao ny fahababoana, fa ny nolazainy taminao ho fahitana, dia teny mandainga sy mandrebireby.


Raha misy olona manenji-drivotra, ka milazalaza lainga manao hoe: «Haminany divay aman-dabiera ho anao aho!» dia izay no ho mpaminanin’ity firenena ity.


Fa ny terafima nilaza zava-poana, ary ny ombiasy nahazo fahitana lainga; nofy foana no ambaran’ireny, ary fampiononana sandoka no omeny; ka noho izany, izy ireo mandeha toy ny ondry; nampahorina, fa tsy nisy mpiandry.


Tandremo ny mpaminany sandoka, izay manatona anareo manao fitafian’ny ondry, nefa ao anatiny amboadia mitoha;


Mitandrema tena amin’ireo amboa, mitandrema tena amin’ireo mpiasa ratsy, mitandrema tena amin’ireo manan-takaitra!


Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa zahao toetra ny fanahy raha avy amin’Andriamanitra na tsia; satria maro ny mpaminany sandoka efa miely amin’izao tontolo izao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra