Jeremia 26:23 - Baiboly Katolika Ka nalain’ireo hiala tany Ejipta i Oria, dia nentiny teo amin’i Jôakima mpanjaka, ary io kosa namono azy tamin’ny sabatra, dia nanipy ny fatiny, teo amin’ny fasan’ny ankapobem-bahoaka. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary i Oria dia nalain’ireo niala avy tany Ejipta ka noentiny teo amin’i Joiakima mpanjaka; namono azy tamin’ny sabatra izy, dia nanary ny fatiny tany amin’ny fasam-bahoaka. DIEM PROTESTANTA Koa nalain’ireo avy any Ejipta i Orià ary nentiny teo amin’i Jôiakima mpanjaka. Dia nasainy novonoina izy ary nariany tao amin’ny fasam-bahoaka ny fatiny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa nalain’ireo avy any Ejipta i Orià ary nentiny teo amin’i Jôiakima mpanjaka. Dia nasainy novonoina izy ary nariany tao amin’ny fasam-bahoaka ny fatiny. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Oria dia nalain’ireo niala avy tany Egypta ka nentiny teo amin’i Joiakima mpanjaka; ary izy namono azy tamin’ny sabatra, dia nanary ny fatiny teny amin’ny fasam-bahoaka. Malagasy Bible Ary Oria dia nalain'ireo niala avy tany Egypta ka nentiny teo amin'i Joiakima mpanjaka; ary izy namono azy tamin'ny sabatra, dia nanary ny fatiny teny amin'ny fasam-bahoaka. La Bible en Malgache Ary i Oria dia nalain’ireo niala avy tany Ejipta ka noentiny teo amin’i Joiakima mpanjaka; namono azy tamin’ny sabatra izy, dia nanary ny fatiny tany amin’ny fasam-bahoaka. |
Ny nikapohako ny zanakareo, foana; fa tsy nahazo anatra tamin’izany akory izy ireo; ny zavatrareo nandevona ny mpaminaninareo, hoatra ny liona mpandripaka.
Fa ny masonao amam-ponao tsy mihevitra afa-tsy ny tenanao, mbamin’ny ra tsy manan-tsiny, handatsahana azy sy ny fampahoriana ary fanaovana an-keriny, hanatanterahana izany.
Halevina toy ny fandevina ampondra izy hotaritarihina sy hariana any ivelan’ny vavahadin’i Jerosalema.
Fantaro anefa, fa raha mamono ahy ianareo, dia handatsaka ra tsy manan-tsiny aminareo sy amin’ity tany ity, ary amin’ny mponina eo aminy, satria i Iaveh marina tokoa, no naniraka ahy ho atỳ aminareo hilaza ireo teny rehetra ireo ho ren’ny sofinareo.»
Noho izany, izao no lazain’i Iaveh, ny amin’i Jôakima, mpanjakan’i Jodà: Tsy hisy amin’ny fianakaviany na iray aza hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida, sady hatsipy any ivelany ny fatiny hasian’ny hainandro, amin’ny antoandro, sy ny hatsiaka amin’ny alina.
Nandeha teo amin’ireo liona io, ka tonga liona tanora. Nianatra hamiravira ny hazany izy, dia nihinana olona.
dia ny Jody izay namono nahafaty an’i Jesoa Tompo sy ny mpaminany; nanenjika anay, tsy ankasitrahin’Andriamanitra, manohitra ny olona rehetra;
notoraham-bato izy, notsofaina, nalaim-panahy, novonoina tamin’ny sabatra, nirenireny nitady hoditr’ondry sy hoditr’osy, tsy nanana na inona na inona, nenjehina, nampahorîna,
Ary rehefa vita ny fanambaràn’izy ireo, dia hiady aminy ilay Biby hiakatra avy amin’ny lavaka tsy hita noanoa, ka haharesy azy sy hahafaty azy;