Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 26:23 - DIEM PROTESTANTA

23 Koa nalain’ireo avy any Ejipta i Orià ary nentiny teo amin’i Jôiakima mpanjaka. Dia nasainy novonoina izy ary nariany tao amin’ny fasam-bahoaka ny fatiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

23 Ary i Oria dia nalain’ireo niala avy tany Ejipta ka noentiny teo amin’i Joiakima mpanjaka; namono azy tamin’ny sabatra izy, dia nanary ny fatiny tany amin’ny fasam-bahoaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

23 Koa nalain’ireo avy any Ejipta i Orià ary nentiny teo amin’i Jôiakima mpanjaka. Dia nasainy novonoina izy ary nariany tao amin’ny fasam-bahoaka ny fatiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

23 Ka nalain’ireo hiala tany Ejipta i Oria, dia nentiny teo amin’i Jôakima mpanjaka, ary io kosa namono azy tamin’ny sabatra, dia nanipy ny fatiny, teo amin’ny fasan’ny ankapobem-bahoaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

23 Ary Oria dia nalain’ireo niala avy tany Egypta ka nentiny teo amin’i Joiakima mpanjaka; ary izy namono azy tamin’ny sabatra, dia nanary ny fatiny teny amin’ny fasam-bahoaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

23 Ary Oria dia nalain'ireo niala avy tany Egypta ka nentiny teo amin'i Joiakima mpanjaka; ary izy namono azy tamin'ny sabatra, dia nanary ny fatiny teny amin'ny fasam-bahoaka.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

23 Ary i Oria dia nalain’ireo niala avy tany Ejipta ka noentiny teo amin’i Joiakima mpanjaka; namono azy tamin’ny sabatra izy, dia nanary ny fatiny tany amin’ny fasam-bahoaka.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 26:23
13 Rohy Ifampitohizana  

Ary nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO tahaka izay nataon’ireo razany izy.


Nikapoka anareo toy ny zanako Aho, fa tsy nahoanareo akory izany; tsy zaka nanarina ianareo. Tahaka ny liona namiravira no namonoanareo ny mpaminany ho fatin’ny sabatrareo.


Fa ianao kosa tsy nijery afa-tsy ny tombontsoanao, ianao kosa tsy nieritreritra afa-tsy ny hamono ny tsy manan-tsiny ho faty ary ny hanao famoretana sy herisetra.»


Halevina toy ny fandevina boriky izy; ka ny fatiny hotaritarihina sy hariana any ivelan’ny vavahadin’i Jerosalema.


Saingy izao, raha hamono ahy ho faty ianareo, dia fantaro fa mamono ny tsy manan-tsiny ka hibaby ny vokatr’izany ianareo sy ny mponina rehetra amin’ity tanàna ity; satria ny TOMPO tokoa no naniraka ahy hankatỳ aminareo hanambara ireo teny rehetra ireo mba ho renareo.


Koa izao no lazaiko ny amin’i Jôiakima mpanjakan’i Joda: Tsy hanana zanakalahy hanjaka handimby azy eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida i Jôiakima; ary hariana ny fatiny ka hianjadian’ny hafanana amin’ny antoandro sy ny hatsiaka amin’ny alina.


Niriaria teo anivon’ny lion-dahy izy io, ka nony tonga liona tanora matanjaka, dia nianatra namiravira haza ihany koa sady nihinana olona.


Ary naniraka olona i Herôda hanapa-doha an’i Jôhany tany am-ponja.


Namono nahafaty an’i Jesoa Tompo sy ny mpaminany ry zareo Jiosy sady nanenjika anay; ka tsy mahazo sitraka amin’Andriamanitra ireo sady fahavalon’ny olona rehetra.


Tao ireo maty notoraham-bato, tapa-droa notsofàna, novonoina tamin-tsabatra; tao ireo nafindrafindra monina nitafy hoditr’ondry na hoditr’osy, ka nahantra sy nampahorîna ary fadiranovana.


Ary rehefa nahavita fijoroana vavolombelona ireo olona roa ireo, dia hiadian’ilay biby miakatra avy amin’ny hantsambe ary ho resiny sy hataony maty.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra