Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 26:15 - Baiboly Katolika

Fantaro anefa, fa raha mamono ahy ianareo, dia handatsaka ra tsy manan-tsiny aminareo sy amin’ity tany ity, ary amin’ny mponina eo aminy, satria i Iaveh marina tokoa, no naniraka ahy ho atỳ aminareo hilaza ireo teny rehetra ireo ho ren’ny sofinareo.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Kanefa mihevera tsara, fa raha mamono ahy anie ianareo dia ho meloka amin’ny ran’ny tsy manan-tsiny ianareo sy ity tanàna ity ary ny mponina eto satria NY TOMPO mihitsy no naniraka ahy teo aminareo hilaza ireo teny rehetra ireo eto anatrehanareo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Saingy izao, raha hamono ahy ho faty ianareo, dia fantaro fa mamono ny tsy manan-tsiny ka hibaby ny vokatr’izany ianareo sy ny mponina rehetra amin’ity tanàna ity; satria ny TOMPO tokoa no naniraka ahy hankatỳ aminareo hanambara ireo teny rehetra ireo mba ho renareo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Saingy izao, raha hamono ahy ho faty ianareo, dia fantaro fa mamono ny tsy manan-tsiny ka hibaby ny vokatr’izany ianareo sy ny mponina rehetra amin’ity tanàna ity; satria ny TOMPO tokoa no naniraka ahy hankatỳ aminareo hanambara ireo teny rehetra ireo mba ho renareo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Kanefa mihevera tsara, fa raha mamono ahy anie hianareo, dia hahatonga ra marina aminareo sy amin’ity tanàna ity ary amin’ny mponina eto, satria Jehovah tokoa no naniraka ahy taminareo hilaza ireo teny rehetra ireo eto anatrehanareo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Kanefa mihevera tsara, fa raha mamono ahy anie ianareo, dia hahatonga rà marina aminareo sy amin'ity tanàna ity ary amin'ny mponina eto, satria Jehovah tokoa no naniraka ahy taminareo hilaza ireo teny rehetra ireo eto anatrehanareo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Kanefa mihevera tsara, fa raha mamono ahy anie ianareo dia ho meloka amin’ny ran’ny tsy manan-tsiny ianareo sy ity tanàna ity ary ny mponina eto satria NY TOMPO mihitsy no naniraka ahy teo aminareo hilaza ireo teny rehetra ireo eto anatrehanareo.

Jereo ny toko



Jeremia 26:15
21 Rohy Ifampitohizana  

Hoy i Iaveh: «Inona no nataonao? Fa mitaraina hatraty amiko ny feon’ny ran-drahalahinao avy amin’ny tany.


Fa niteny tamin’izy ireo i Robena ka nanao hoe: «Tsy efa nilazako va re ianareo fa hoe: Aza manota amin’ny zaza? Nefa tsy nohenoinareo akory izany; ka indro arahina amintsika izao ny rany.»


sy noho ny ra tsy manan-tsiny nalatsany be loatra ka nataony feno ra tsy manan-tsiny i Jerosalema, koa tsy nety namela izany i Iaveh.


Tsy tsaroan’i Jôasy ny fitiavana nataon’i Jôiadà rain’i Zakaria taminy, ka nampamono an’ity zanany izy. Hoy i Zakaria nony efa ho faty: «Hijery sy hamaly an’izao anie i Iaveh!»


Misy zavatra enina halan’i Iaveh, misy fito no ataony fahavetavetana:


ny maso miavonavona, ny lela mandainga, ny tanana mandatsa-dra tsy manan-tsiny,


Ny nikapohako ny zanakareo, foana; fa tsy nahazo anatra tamin’izany akory izy ireo; ny zavatrareo nandevona ny mpaminaninareo, hoatra ny liona mpandripaka.


Hatreny amin’ny rambon-dambanao eny, no ahitana ny ran’olo-mahantra tsy manan-tsiny; tsy azonao manamy trano izy ireo, nefa izany zava-drehetra izany no namonoanao azy.


Fa ny masonao amam-ponao tsy mihevitra afa-tsy ny tenanao, mbamin’ny ra tsy manan-tsiny, handatsahana azy sy ny fampahoriana ary fanaovana an-keriny, hanatanterahana izany.


Izao no lazain’i Iaveh: «Manaova fitsarana sy fahamarinana ianareo; afaho amin’ny tanan’ny mpampahory ny ampahorîna: ny vahiny, ny kamboty, ama-mpitondratena; dia aza ratsy fitondra azy na manao an-keriny aminy, na mandatsa-dra tsy manan-tsiny amin’ity tany ity ianareo.


Fa niteny tamin’ny loholona rehetra sy ny vahoaka rehetra i Jeremia nanao hoe: «I Iaveh no naniraka ahy haminany ny zavatra rehetra efa renareo, hamelezana ity trano ity.


Izao no teny avy amin’i Iaveh, natao tamin’i Jeremia:


raha tsy ampahorînareo ny vahiny, sy ny kamboty ama-mpitondratena; ary tsy mandatsa-dra marina amin’ity tany ity ianareo, na manaraka andriamani-kafa, hampidi-doza aminareo,


Aza mandoto ny tany onenanareo, fa ny ra no mandoto ny tany, ary tsy misy fanavotana ny tany amin’ny ra nalatsaka afa-tsy ny ran’ny nandatsaka azy ihany.


Dia mba niteny i Jodasy ilay hamadika Azy nanao hoe: «Raby, moa izaho va izany?» ka novaliany hoe: «Voalazanao.»


ary niara-nioko hisambotra an’i Jesoa am-pitaka, sy hamono Azy izy ireo;


mba tsy halatsaka amin’ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrao anao ho lovanao, ny ra tsy manan-tsiny; ka dia tsy hisy ra ao aminao.


Fa nandatsaka ny ran’ny olo-masina sy ny mpaminany izy ireo, ka tandrifiny raha ra kosa no nomenao hosotroiny.»