Jeremia 23:32 - Baiboly Katolika Indro hiaviako ireo izay maminany nofy lainga, - teny marin’i Iaveh, - izay milaza izany, mampaniasia ny vahoakako, amin’ny laingany sy ny antsanga tsy aman’orana ataony. Tsy naniraka azy, na nandidy na inona na inona azy akory Aho. Koa tsy mahasoa ity firenena ity akory izy, - teny marin’i Iaveh. - Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Indro, hasiako izay maminany nofy lainga, hoy NY TOMPO, ary milaza izany ka mampivily ny oloko amin’ny laingany sy ny fandokafany tena; nefa tsy naniraka azy na nandidy azy Aho tsinona, koa dia tsy mahasoa ity firenena ity akory izy ireny, hoy NY TOMPO. DIEM PROTESTANTA Indro Aho hamely ny mpaminany mihambo ho mahita fahitana, hoy ny teny hentitra ambarako. Fa rehefa mitantara izany izy, dia mampivily ny vahoakako amin’ny lainga sy habobo ampitainy. Izaho anefa tsy naniraka azy na nanome baiko azy. Tsy mahasoa ny vahoakako akory izy, hoy ny teny hentitra ambarako. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Indro Aho hamely ny mpaminany mihambo ho mahita fahitana, hoy ny teny hentitra ambarako. Fa rehefa mitantara izany izy, dia mampivily ny vahoakako amin’ny lainga sy habobo ampitainy. Izaho anefa tsy naniraka azy na nanome baiko azy. Tsy mahasoa ny vahoakako akory izy, hoy ny teny hentitra ambarako. Baiboly Protestanta Malagasy Indro, hasiako izay maminany nofy lainga, hoy Jehovah, Ary milaza izany ka mampivily ny oloko Amin’ny laingany sy ny fandokafany tena; Nefa Izaho tsy naniraka azy na nandidy azy tsinona, Ka dia tsy mahasoa ity firenena ity akory izy, hoy Jehovah. Malagasy Bible Indro, hasiako izay maminany nofy lainga, hoy Jehovah, ary milaza izany ka mampivily ny oloko amin'ny laingany sy ny fandokafany tena; Nefa Izaho tsy naniraka azy na nandidy azy tsinona, ka dia tsy mahasoa ity firenena ity akory izy, hoy Jehovah. La Bible en Malgache Indro, hasiako izay maminany nofy lainga, hoy NY TOMPO, ary milaza izany ka mampivily ny oloko amin’ny laingany sy ny fandokafany tena; nefa tsy naniraka azy na nandidy azy Aho tsinona, koa dia tsy mahasoa ity firenena ity akory izy ireny, hoy NY TOMPO. |
Zaza no mampahory ny vahoakako, ary vehivavy no manapaka azy. Ry vahoakako, mampania anao izay mitondra anao, ary mandrava ny lalana tsy maintsy alehanao izy ireo.
Tamin’ireo mpaminanin’i Samaria Aho nahita fahadalana, fa naminany tamin’ny anaran’i Baala izy ireo, ka nampaniasia an’i Israely vahoakako.
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Aza mihaino ny tenin’ireo mpaminany maminany aminareo, mitarika anareo ho amin’ny zava-poana izy ireo; ny fahitana avy ao am-pony no ambarany, fa tsy izay aloaky ny vavan’i Iaveh.
Reko ny lazain’ireo mpaminany ireo, izay maminany lainga amin’ny Anarako, manao hoe: «Nanonofy aho; nanonofy aho!»
Indro hiaviako ireo mpaminany ireo, - teny marin’i Iaveh, - izay mampipelipelika ny lelany manao hoe: «Teny marin’i Iaveh!»
Mandefasa iraka, hilaza amin’ny voababo rehetra, hanao hoe: «Izao no lazain’i Iaveh, ny amin’i Semeiàsa, Nehelamita: Noho i Semeiàsa naminany taminareo, nefa tsy nirahiko, ary lainga no nataony hitokianareo;
Ny hitan’ny mpaminaninao ho anao, dia fahitana mpamitaka sy foana: Tsy naneho ny helokao taminao izy, mba hamily tsy hihatra aminao ny fahababoana, fa ny nolazainy taminao ho fahitana, dia teny mandainga sy mandrebireby.
Ny mpaminaniny vavàna sady olona mamitaka; ny mpisorony mandoto ny zava-masina sy mandika ny lalàna.
Fa ny terafima nilaza zava-poana, ary ny ombiasy nahazo fahitana lainga; nofy foana no ambaran’ireny, ary fampiononana sandoka no omeny; ka noho izany, izy ireo mandeha toy ny ondry; nampahorina, fa tsy nisy mpiandry.
Ka moa niovaova hevitra foana va aho raha nanao izany hevitra izany? Sa araka ny nofo no anaovako fikasana, ka dia misy «eny» sy «tsia» ato amiko?
Fa ny mpaminany izay entim-piavonavonana kosa, ka manambara amin’ny Anarako ny teny tsy nodidiako holazainy, na miteny amin’ny anaran’andriamani-kafa, dia ho faty izany mpaminany izany.
Voasambotra ilay Biby sy ny mpaminany sandoka, izay nanao fahagagana teo anatrehany mba hoentiny mamitaka ireo nandray ny mariky ny Biby sy nivavaka tamin’ny sariny, ka indray natsipy velona tany amin’ny farihy mirehitra afon-tsolifara;