Dia nandre ny feon’ny Tompo aho, nanao hoe: «Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho anay?» Ka hoy aho: «Inty aho; iraho aho.»
Jeremia 23:21 - Baiboly Katolika Izaho tsy naniraka ireo mpaminany; nefa nihazakazaka izy! Izaho tsy niteny taminy, nefa naminany izy! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tsy naniraka ireo mpaminany ireo Aho kanefa nidodododo ihany izy, tsy niteny taminy Aho kanefa naminany ihany izy. DIEM PROTESTANTA Tsy naniraka ireo mpaminany ireo Aho, kanefa nidodododo ihany izy, hoy ny Tompo. Tsy nilaza taminy na inona na inona Aho kanefa nanao fanambaràna ihany izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tsy naniraka ireo mpaminany ireo Aho, kanefa nidodododo ihany izy, hoy ny Tompo. Tsy nilaza taminy na inona na inona Aho kanefa nanao fanambaràna ihany izy. Baiboly Protestanta Malagasy Tsy naniraka ireo mpaminany ireo Aho, Kanefa nidodododo ihany izy; Tsy niteny taminy Aho, Kanefa naminany ihany izy. Malagasy Bible Tsy naniraka ireo mpaminany ireo Aho, kanefa nidodododo ihany izy, tsy niteny taminy Aho, kanefa naminany ihany izy. La Bible en Malgache Tsy naniraka ireo mpaminany ireo Aho kanefa nidodododo ihany izy, tsy niteny taminy Aho kanefa naminany ihany izy. |
Dia nandre ny feon’ny Tompo aho, nanao hoe: «Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho anay?» Ka hoy aho: «Inty aho; iraho aho.»
Dia hoy i Iaveh tamiko: «Lainga vinanin’ny mpaminany amin’ny Anarako izany; fa Izaho tsy naniraka azy, na nanome didy azy; na niteny taminy. Fahitana mandainga, vinany foana, ary fitaky ny fony, izany no faminaniany aminareo.»
Indro hiaviako ireo izay maminany nofy lainga, - teny marin’i Iaveh, - izay milaza izany, mampaniasia ny vahoakako, amin’ny laingany sy ny antsanga tsy aman’orana ataony. Tsy naniraka azy, na nandidy na inona na inona azy akory Aho. Koa tsy mahasoa ity firenena ity akory izy, - teny marin’i Iaveh. -
Aza mihaino ny tenin’ny mpaminaninareo, izay manao aminareo hoe: Tsy hampanekena ny mpanjakan’i Babilôna ianareo; fa lainga no vinanìny aminareo.
Tsy naniraka azy ireo Aho, - teny marin’i Iaveh, - fa maminany lainga amin’ny Anarako izy, mba handroahako anareo, sy haharingana anareo, dia ianareo mbamin’ireo mpaminany maminany aminareo.
Dia hoy i Jeremia mpaminany tamin’i Hananiasa mpaminany: «Henoy, ry Hananiasa: Tsy nirahin’i Iaveh ianao, ka nataonao izay itokian’ity vahoaka ity amin’ny lainga.
Mandefasa iraka, hilaza amin’ny voababo rehetra, hanao hoe: «Izao no lazain’i Iaveh, ny amin’i Semeiàsa, Nehelamita: Noho i Semeiàsa naminany taminareo, nefa tsy nirahiko, ary lainga no nataony hitokianareo;
Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Aza mety hofitahin’ny mpaminaninareo, izay eo aminareo, na ny mpanao fankatoavanareo; ary aza mihaino ny nofy alainareo ho nofy.
Satria tsy marina no aminaniany aminareo, amin’ny Anarako; tsy naniraka azy ireo Aho, - teny marin’i Iaveh. -
Dia hoy indray Izy tamin’izy ireo: «Ho aminareo anie ny fiadanana! Tahaka ny nanirahan’ny Raiko Ahy no anirahako anareo koa.»
Dia nirahin’ny Fanahy Masina i Saoly sy i Barnabe, ka lasa nankany Seleosia, mba hiondrana an-tsambo eo, ho any Sipra.
Ary hatao ahoana no fitory raha tsy misy irahina? araka ny voasoratra hoe: «Endrey ny hatsaran’ny tongotr’ireto mitory hasambarana!»