Ampifalio ny fanahin’ny mpanomponao, fa any aminao, Tompo, no anondrotako ny fanahiko.
Jeremia 22:27 - Baiboly Katolika Fa ny tany hirìny hiverenana, dia tsy hiverenany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa ny tany iriny hiverenana dia tsy hiverenany. DIEM PROTESTANTA Haniry mafy hiverina atỳ amin’ny taninareo ianareo, nefa tsy ho tafaverina atỳ intsony.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Haniry mafy hiverina atỳ amin’ny taninareo ianareo, nefa tsy ho tafaverina atỳ intsony.» Baiboly Protestanta Malagasy Fa ny tany iriny hiverenana Dia tsy hiverenany. Malagasy Bible Fa ny tany iriny hiverenana dia tsy hiverenany. La Bible en Malgache Fa ny tany iriny hiverenana dia tsy hiverenany. |
Ampifalio ny fanahin’ny mpanomponao, fa any aminao, Tompo, no anondrotako ny fanahiko.
Aza itomaniana ilay maty ary aza igogogogoana izy io; fa ilay lasana no itomanio dia itomanio, fa tsy hiverina intsony izy, tsy hahita intsony ny tany nahaterahany!
Fa izao no lazain’i Iaveh: Ny amin’i Seloma zanak’i Josiasa, mpanjakan’i Jodà, izay nanjaka nisolo toerana an’i Josiasa rainy, sy efa niala tamin’ity fitoerana ity: Tsy hiverina atỳ intsony izy,
fa ho faty any amin’ny tany nitondrana azy ho babo, ka tsy hahita ity tany ity intsony.
Hatsipiko ianao sy ny reninao niteraka anao, ho any an-tany hafa izay tsy nahaterahanareo ka any ianao no ho faty.
Moa vilany famingavinga sy torotoro ve ity lehilahy ity, Jekôniasa, sa fanaka efa tsy misy tia intsony?... Nahoana no noroahina izy sy ny taranany, sy natsipy any an-tany tsy fantany?
Ary hampodiko amin’ity fitoerana ity i Jekôniasa zanak’i Jôakima, mpanjakan’i Jodà, mbamin’ny babo rehetra amin’i Jodà lasa tany Babilôna, - teny marin’i Iaveh, - fa hotapahiko ny jiogan’ny mpanjakan’i Babilôna.»
Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Toy ny niantefan’ny fahatezerako amam-pahavinirako tamin’ny mponina tao Jerosalema, no hiantefan’ny fahatezerako aminareo, nony tafiditra any Ejipta ianareo, ka dia ho fisahato, fitalanjonana, fanozona ary fandàtsan’ny olona ianareo sady tsy hahita ity tany ity intsony.
Tsy hisy ho afaka handositra na ho velona ny sisa amin’i Jodà, tamin’ireo izay tonga mba honina eto amin’ny tanin’i Ejipta, ka hiverina indray amin’ny tanin’i Jodà, izay irin’ny fony hiverenany mba honenana. Satria tsy hisy hody any izy afa-tsy izay vitsivitsy afa-mandositra ihany.