Tsy tsaroan’i Jôasy ny fitiavana nataon’i Jôiadà rain’i Zakaria taminy, ka nampamono an’ity zanany izy. Hoy i Zakaria nony efa ho faty: «Hijery sy hamaly an’izao anie i Iaveh!»
Jeremia 20:12 - Baiboly Katolika Ry Iavehn’ny tafika, Ianao izay mizaha toetra ny marina, izay mahita ny voa sy ny fo, hahita ny famalianao an’ireo aho, fa Ianao no nanankinako ny adiko. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa Ianao, Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao ô, dia mamantatra ny marina ka mizaha toetra ny voa sy ny fo. Ho hitako ny famalianao azy, fa Aminao no nanankinako ny adiko. DIEM PROTESTANTA Ry TOMPOn’izao rehetra izao ô, Ianao no mamantatra ny olo-marina sy mahita ny ao an’eritreriny sy ao am-pony. Ho hitako ny famalinao ireo mpanenjika ahy, satria efa nankiniko taminao ny adiko. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ry TOMPOn’izao rehetra izao ô, Ianao no mamantatra ny olo-marina sy mahita ny ao an’eritreriny sy ao am-pony. Ho hitako ny famalinao ireo mpanenjika ahy, satria efa nankiniko taminao ny adiko. Baiboly Protestanta Malagasy Fa Hianao, Jehovah, Tompon’ny maro ô, Izay mamantatra ny marina ka mizaha toetra ny voa sy ny fo– Ho hitako ny famalianao azy, Fa aminao no efa nanankinako ny adiko. Malagasy Bible Fa Hianao, Jehovah, Tompon'ny maro ô, Izay mamantatra ny marina ka mizaha toetra ny voa sy ny fo ho hitako ny famalianao azy, fa aminao no efa nanankinako ny adiko. La Bible en Malgache Fa Ianao, Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao ô, dia mamantatra ny marina ka mizaha toetra ny voa sy ny fo. Ho hitako ny famalianao azy, fa Aminao no nanankinako ny adiko. |
Tsy tsaroan’i Jôasy ny fitiavana nataon’i Jôiadà rain’i Zakaria taminy, ka nampamono an’ity zanany izy. Hoy i Zakaria nony efa ho faty: «Hijery sy hamaly an’izao anie i Iaveh!»
Mizaha ny marina hatrao anatiny i Iaveh; fa mankahala ny ratsy fanahy sy ny mifaly manao an-keriny Izy.
Zahao toetra aho, Andriamanitra ô, ka fantaro ny foko; tsapao aho, ka fantaro ny hevitro!
Ianao efa nizaha toetra ny foko: namangy azy nony alina, nitsapa ahy tamin’ny memy, fa tsy mahita na inona na inona Ianao. Tsy mifanohitra amin’ny fisainako ny vavako.
Hanatsingerina ny ratsy amin’ny mpanohitra ahy izy. Noho ny Fahamarinanao dia aoka haringanao izy.
Raha mbola tsy maimbo tsilo akory ny vilaninareo, dia hindaosin’ny oram-baratra ireny, na ny lena na ny maina.
Andriamanitra no iankinan’ny famonjena ahy amam-boninahitro. Amin’Andriamanitra ny vatolampin’ny heriko, ny fialofako.
Iaveh no mitsara ny firenena: tsarao aho, ry Iaveh, araka ny fahamarinako sy ny tsy fananako tsiny.
Ampifalio ny fanahin’ny mpanomponao, fa any aminao, Tompo, no anondrotako ny fanahiko.
Noraisin’i Ezekiasa avy eny an-tanan’ireo iraka ny taratasy, ka novakiny; dia niakatra ho ao an-tranon’i Iaveh izy sady namelatra izany teo anatrehan’i Iaveh.
Nikoraraika toy ny vano aman-tsidintsidina aho, nitoloko toy ny voromahailala aho, valalanina ny masoko, mijery any ambony:
Mitsara ara-drariny anefa i Iavehn’ny tafika; mamantatra ny voa sy ny fo Izy. Ka hahita ny famalianao azy ireo aho, fa ianao no efa nanankinako ny adiko.
Zary toa liona an’ala ho ahy ny lovako, nanandra-peo manerona ahy izy, ka tonga halako.
Izaho Iaveh izay mandinika ny fo, sy mamantatra ny voa; ary ny hanaovako izany, dia mba hamaly ny olona araka ny lalany, sy araka ny vokatry ny asany.
Ny mpanenjika ahy no aoka ho menatra; fa izaho aoka tsy ho menatra. Izy ireo no aoka hangovitra; fa izaho aoka tsy hangovitra. Ataovy tonga aminy ny andro fahoriana, ary torotoroy amin’ny fanimbana roa sosona izy.
Izy Ilay notevatevaina nefa tsy nanevateva, nijaly nefa tsy mba nandrahona, fa nanolo-tena tamin’ny mpitsara Azy tsy an-drariny;
Koa izay miaritra fahoriana araka ny sitrapon’Andriamanitra, aoka hanolotra ny fanahiny amin’ny fanaovan-tsoa, ho Azy Mpahary tsy mivadika.
Mifalia noho ny nanjò azy ianao, ry lanitra, sy ianareo olo-masina, mbaminareo apôstôly sy mpaminany koa, fa fanomezan-drariny anareo no nanamelohan’Andriamanitra azy.
Hasiako amin’ny fahafatesana ny zanany, dia ho fantatry ny Eglizy rehetra fa Izaho no mandinika ny voa sy ny fo, ary homeko araka ny asanareo avy ianareo rehetra.
Ary niantso tamim-peo mahery izy ireo, nanao hoe: «Ry Tompo masina sy marina ô! rahoviana re Ianao vao hitsara sy hanadina ny ranay amin’ny mponina eny ambonin’ny tany?»
Fa hoy i Anà: «Tsia, tompoko, fa vehivavy ory ao am-po aho, tsy nisotro divay na fisotro mahamamo aho; fa namboraka ny ato am-poko eto anatrehan’i Iaveh.