Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 2:26 - Baiboly Katolika

Toy ny fangaihain’ny mpangalatra azo an-tanana no fangaihain’ny taranak’i Israely, dia izy ireo, ny mpanjakany, ny lehibeny, ny mpisorony ama-mpaminaniny,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Toy ny fangaihaizan’ny mpangalatra raha azo dia toy izany no fangaihaizan’ny taranak’Israely, eny, izy, ny mpanjakany, ny lehibeny, ny mpisorony ary ny mpaminaniny,

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Indray andro any anefa ianareo, ry mponin’i Israely na ianareo sarambabem-bahoaka, na ianareo mpanjaka sy mpitondra, na ianareo mpisorona sy mpaminany, dia samy ho menatra toy ny mpangalatra tra-tehaka.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Indray andro any anefa ianareo, ry mponin’i Israely na ianareo sarambabem-bahoaka, na ianareo mpanjaka sy mpitondra, na ianareo mpisorona sy mpaminany, dia samy ho menatra toy ny mpangalatra tra-tehaka.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Toy ny fangaihain’ny mpangalatra, raha azo, Dia toy izany ny fangaihain’ny taranak’Isiraely, Eny, izy sy ny mpanjakany sy ny lehibeny Sy ny mpisorony ary ny mpaminaniny,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Toy ny fangaihain'ny mpangalatra, raha azo, dia toy izany ny fangaihain'ny taranak'Isiraely, eny, izy sy ny mpanjakany sy ny lehibeny sy ny mpisorony ary ny mpaminaniny,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Toy ny fangaihaizan’ny mpangalatra raha azo dia toy izany no fangaihaizan’ny taranak’Israely, eny, izy, ny mpanjakany, ny lehibeny, ny mpisorony ary ny mpaminaniny,

Jereo ny toko



Jeremia 2:26
18 Rohy Ifampitohizana  

Hatramin’ny andron’ny razanay ka mandrak’androany, dia efa meloka loza erỳ izahay; ary noho ny helokay ihany no nanolorana anay mbamin’ny mpanjakanay sy ny mpisoronay, ho eo an-tanan’ny mpanjakan’ny tany hafa, ho matin-tsabatra, ho babo, horobaina, ary hangaihay tahaka ny amin’izao anio izao.


Hangaihay izay rehetra mivavaka amin’ny sarin-javatra, izay mirehareha amin’ny sampiny. Hiankohoka eo anatrehany ny andriamanitra rehetra.


Fa ho menatra ny terebinta nankamamianareo ary ho menatra ny zaridaina izay nahafinaritra anareo ianareo.


Ho menatra avokoa ny mpivavaka aminy; fa olombelona ihany ny mpanao azy! Aoka hivory avokoa izy, ka hiseho!... Hangovitra sy ho indray menatra avokoa izy rehetra.


Zava-poana avokoa ny mpanao sampy, ary tsy misy asany akory izay asany tampony indrindra. Tsy mahita na inona na inona ny vavolombelon’izy ireny, tsy mahalala na inona na inona, ka henatra ho azy izany.


Mba maika loatra ianao hanova ny lalanao! Hataon’i Ejipta mahazo henatra ianao, toy ny nahazoanao henatra tamin’i Asiria.


Fa hoentin’ny rivotra handrasany ny mpiandry anao ary ho lasan-ko babo ny lehilahinao ka dia hangaihay sy ho safo-kenatra ianao, noho ny haratsianao rehetra.


noho ny ratsy rehetra nataon’ny zanak’i Israely sy ny zanak’i Jodà mba hampahatezitra Ahy, dia izy ireo, ny mpanjakany, ny mpanapaka azy, ny mpisorony ama-mpaminaniny, ny lehilahy amin’i Jodà sy ny mponina ao Jerosalema.


Amin’izany andro izany, - teny marin’i Iaveh, - ny mpanjaka ama-mpifehy ho rera-po, ny mpisorona hiraviravy tanana, ary ny mpaminany ho kepoka foana.


Fa moa i Israely tsy fihomehezana taminao va? Moa nisy nahatratra azy ho naman’ny mpangalatra va? no dia nihifikifi-doha ianao, isaky ny miteny ny aminy?


mba hitondranao ny henatrao, sy hampangaihay anao noho ny nataonao rehetra hampionona azy.


Ny mpisorony, nandika ny lalàko, nandoto ny fitoerako masina; tsy manavaka ny masina sy ny tsy masina; tsy mampianatra ny mahasamy hafa ny maloto sy ny madio, mamily maso tsy hijery ny sabatako; ary tsiratsiraina Aho, eo afovoan’izy ireo.


Izaho no nandefa izany ozona izany, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, - ka ho tonga ao amin’ny tranon’ny mpangalatra sy amin’ny tranon’ny mianiana tsy tò amin’ny Anarako, dia hitoetra ao afovoan’izany trano izany ary handevona azy mbamin’ny hazony sy ny vatony.»


Inona àry no vokatra azonareo tamin’izay? Vokatra mahamenatra anareo fe ankehitriny, fa fahafatesana no iafarany.