26 Indray andro any anefa ianareo, ry mponin’i Israely na ianareo sarambabem-bahoaka, na ianareo mpanjaka sy mpitondra, na ianareo mpisorona sy mpaminany, dia samy ho menatra toy ny mpangalatra tra-tehaka.
26 Toy ny fangaihaizan’ny mpangalatra raha azo dia toy izany no fangaihaizan’ny taranak’Israely, eny, izy, ny mpanjakany, ny lehibeny, ny mpisorony ary ny mpaminaniny,
26 Indray andro any anefa ianareo, ry mponin’i Israely na ianareo sarambabem-bahoaka, na ianareo mpanjaka sy mpitondra, na ianareo mpisorona sy mpaminany, dia samy ho menatra toy ny mpangalatra tra-tehaka.
26 Toy ny fangaihain’ny mpangalatra azo an-tanana no fangaihain’ny taranak’i Israely, dia izy ireo, ny mpanjakany, ny lehibeny, ny mpisorony ama-mpaminaniny,
26 Toy ny fangaihain’ny mpangalatra, raha azo, Dia toy izany ny fangaihain’ny taranak’Isiraely, Eny, izy sy ny mpanjakany sy ny lehibeny Sy ny mpisorony ary ny mpaminaniny,
26 Toy ny fangaihain'ny mpangalatra, raha azo, dia toy izany ny fangaihain'ny taranak'Isiraely, eny, izy sy ny mpanjakany sy ny lehibeny sy ny mpisorony ary ny mpaminaniny,
26 Toy ny fangaihaizan’ny mpangalatra raha azo dia toy izany no fangaihaizan’ny taranak’Israely, eny, izy, ny mpanjakany, ny lehibeny, ny mpisorony ary ny mpaminaniny,
Eny, hatramin’ny andron’ireo razanay ka mandraka androany, dia lehibe ny fahotanay vahoakanao; ny helokay ihany no nanoloranao anay sy ny mpanjakanay ary ny mpisoronay ho eo an-tanan’ireo mpanjakan’ny tany hafa hovonoin-tsabatra, ho babo, ho voaroba, ary hangaihay tahaka ny mbola mihatra aminay izao.
Tena ho diso fanantenana ianareo ny amin’ireo hazo terebinta izay nolalainareo; eny, ho menatra ianareo ny amin’ireo toerana nofidinareo hanaovana ny fombafomban-tsampy.
Indreo ho menatra izay rehetra mpomba azy fa olombelona ihany no namboatra ireny! Avelao hivory sy hiseho izy rehetra, fa hatahotra sy ho safo-kenatra avokoa.
Zava-poana avokoa ny mpanao sarivongan-tsampy ary tsy mahasoa akory ny zavatra lalainy: Ny sarivongan-tsampy no vavolombelona ho azy, kanefa vavolombelona tsy mahita akory, ary tsy mahalala na inona na inona ka handiso fanantenana azy.
Nanao izay nampalahelo Ahy ny Israelita sy ny Jodeanina tamin’ny ratsy rehetra nataony, dia ny mpanjakany sy ny mpitondrany ary ny mpisorony sy ny mpaminaniny mbamin’ireo olon’i Joda sy ny mponina eto Jerosalema.
Amin’ny andro hitrangan’izany, hoy ny teny hentitry ny Tompo, dia ho kivy ny mpanjaka sy ny mpitondra ambony, ho ketraka ny mpisorona ary hivarahontsana ny mpaminany.
Tsarovy, ry Môaba, fa efa nataonao fihomehezana i Israely. Toy ny mpangalatra azo no niheveranao azy, ka mihifikifi-doha maneso ianao isaky ny miresaka azy.
Mandika ny lalànako ireo mpisorony sady manimbazimba ny toeramasiko. Mampifangaro ny zava-masina sy ny tsy masina izy, tsy mampianatra ny olona hanavaka ny madio sy ny maloto, ary minia tsy mahalala ny andro sabatako. Izany no animbazimbany Ahy.
Ny TOMPOn’izao rehetra izao dia manao teny hentitra hoe: Izaho no nampiainga izany ozona izany; hiditra ao an-tranon’ny mpangalatra sy ny mpianiana lainga amin’ny anarako izany, ary hitoetra ao ka handevona ny trano mbamin’ny hazony sy ny vatony.