Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 2:27 - DIEM PROTESTANTA

27 Fa ny tapa-kazo itenenanareo hoe: «Ianao no raiko»; ary ny sarivongam-bato ilazanareo hoe: «Ianao no niteraka ahy». Tokony hijery manatrika Ahy ianareo, kanefa ny lamosina no atodikareo amiko. Saingy nony tra-pahoriana ianareo, dia hiantso vonjy amiko hoe: «Midira an-tsehatra ianao hamonjy anay»;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

27 dia izay miteny amin’ny tapa-kazo hoe: Ianao no raiko, ary amin’ny vato hoe: Ianao no niteraka ahy. Fa niamboho Ahy izy ka tsy nanatrika ny tavako; nefa amin’ny andro fahoriany dia hiteny indray izy hoe: Mitsangàna ka vonjeo izahay!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

27 Fa ny tapa-kazo itenenanareo hoe: «Ianao no raiko»; ary ny sarivongam-bato ilazanareo hoe: «Ianao no niteraka ahy». Tokony hijery manatrika Ahy ianareo, kanefa ny lamosina no atodikareo amiko. Saingy nony tra-pahoriana ianareo, dia hiantso vonjy amiko hoe: «Midira an-tsehatra ianao hamonjy anay»;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

27 izay manao amin’ny hazo hoe: ‹Ianao no raiko›; sy amin’ny vato hoe: ‹Ianao no niteraka ahy.› Fa ny lamosina no natodiny ahy, fa tsy mba ny tavany, ka nony avy izay mahory azy, vao hanao hoe izy: ‹Mitsangàna, ka vonjeo izahay!›

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

27 Dia izay manao amin’ny tapakazo hoe: Raiko hianao, Ary amin’ny vato hoe: Hianao no niteraka ahy; Fa efa niamboho Ahy izy ka tsy nanatrika Ahy; Nefa amin’ny andro fahoriany kosa dia vao hanao hoe izy: Mitsangàna, ka vonjeo izahay.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

27 Dia izay manao amin'ny tapa-kazo hoe: Raiko ianao, ary amin'ny vato hoe: Hianao no niteraka ahy; Fa efa niamboho Ahy izy ka tsy nanatrika Ahy; Nefa amin'ny andro fahoriany kosa dia vao hanao hoe izy: Mitsangàna, ka vonjeo izahay.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

27 dia izay miteny amin’ny tapa-kazo hoe: Ianao no raiko, ary amin’ny vato hoe: Ianao no niteraka ahy. Fa niamboho Ahy izy ka tsy nanatrika ny tavako; nefa amin’ny andro fahoriany dia hiteny indray izy hoe: Mitsangàna ka vonjeo izahay!

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 2:27
23 Rohy Ifampitohizana  

Fa nivadika tamin’ny TOMPO Andriamanitsika ny razantsika sy nanao izay ratsy eo imasony ary nandao Azy; niamboho ny TOMPO ireo ka tsy niatri-maso ny fonenany intsony.


TOMPO ô, fony azom-pahoriana izahay, dia nitady Anao tokoa; ary niantso vonjy taminao izahay, rehefa voaterin’ny famaizanao.


Fa adala sy very saina izy rehetra: zava-poana ny fampianarany fa tapa-kazo ihany izany.


Tahaka ny vovoka tsofin’ny rivotra avy any atsinanana no hampielezako ny vahoakako eo anoloan’ny fahavalony. Amin’ny androm-pahavoazany dia hiambohoako izy fa tsy hatrehiko!


Toy ny borikivavidia zatra any an-taniefitra ianao: Miandry lahy izy ka manimbolo rivotra, sady maimay erỳ ka tsy misy mahasakana azy. Tsy sahirana akory ireo lahy rehetra mitady azy, fa mahita azy amin’ny volana mahamaimay azy!


Nilamina erỳ ianao niteronterona teny Libano, nanana akany tao anatin’ny sedera; kanjo akory izato sentonao fa nahazo anao tampoka ny fanaintainana tahaka ny fahararin’ny vehivavy miteraka!


Nijangajanga tamin’ireo andriamanitra vato aman-kazo izy ary nandoto ny tany tamin’ny nataony.


Loza ity! fa andro mampahatahotra, andro tsy misy toa azy; vanim-potoana mahory ho an’ny taranak’i Jakôba! Nefa ho afaka amin’izany ihany izy.»


Toy izay hanatrika Ahy izy, dia vao mainka niamboho Ahy. Tsy nisy nanaiky sy nihaino ny fampianarako ireo, na dia tsy nitsahatra nampianatra azy aza Aho.


I Tsedekià mpanjaka kosa dia naniraka an’i Jokaly, zanakalahin’i Selemià ary koa i Tsefanià mpisorona, zanakalahin’i Mahaseià ho any amin’i Jeremià mpaminany ihany hanao aminy hoe: –Miangavy anao aho mba hivavaka ho anay amin’ny TOMPO Andriamanitsika.


dia nanatona an’i Jeremià mpaminany ka niteny taminy hoe: –Mba ekeo re ny fiangaviana ataonay eto anatrehanao, ka mivavaha amin’ny TOMPO Andriamanitrao ho anay rehetra sisa tavela ireto satria vitsy kely izahay araka izao hitanao maso izao.


«Izao manko no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Satria nanadino Ahy ianao ka niodina tamiko, dia hizaka ny vokatry ny filibàna amam-pijangajanganao›. »


Dia nentin’ny TOMPO aho hankao an-kianja anatiny amin’ny tranony. Manoloana ny varavaran’ny Toeramasina, dia nisy tokony ho 25 lahy teo anelanelan’ny Toeramasina sy ny alitara fisoronana. Niamboho ny Toeramasina ireo ary nitodika miantsinanana ka niankohoka mba hivavaka amin’ny masoandro.


Anao ny fahamarinana, Tompo ô, ary anay kosa ny fahamenarana tahaka ny amin’izao anio izao, dia anay olon’i Joda sy mponin’i Jerosalema ary an’ireo Israelita hafa rehetra na ny lavitra na ny akaiky, any amin’ny tany rehetra izay efa nandroahanao azy noho ny fahadisoana vitany taminao.


Mila saina amin’ny tapa-kazony ny oloko; ary ny tehiny no manoro hevitra azy. Fa rivotry ny fivarotan-tena no mitsoka eo aminy ka mampania azy. Koa dia lasa nivaro-tena niala tamin’Andriamaniny izy.


Handeha hody any amiko Aho, hoy ny TOMPO, mandra-piaikin’i Efraîma sy i Joda ho diso ka hitadiavany ny tavako. Rehefa azom-pahoriana mafy izy, dia hikatsaka Ahy fatratra.


Tsy mba vokatry ny fony no iantsoany vonjy amiko; fa mitoloko eo am-pandriany izy, ary mandidy tena mba hahazoana vary sy divay vaovao; fanoherana Ahy no ialany amiko.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra