Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 2:28 - DIEM PROTESTANTA

28 fa hamaly anareo kosa Aho hoe: «Nankaiza ireo andriamanitrareo izay nataonareo ho anareo?» Aoka izy hamonjy anareo raha afaka manao izany amin’ny androm-pahorianareo! Fa maro tahaka ny isan’ny tanànanareo no isan’ny sampinareo, ry mponin’i Joda.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

28 Fa aiza ireny andriamanitrao izay nataonao ho anao ireny? Aoka hitsangana ireny raha mahavonjy anao amin’ny andro fahorianao; fa araka ny isan’ny tanànanao, ry Joda, no isan’ny andriamanitrao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

28 fa hamaly anareo kosa Aho hoe: «Nankaiza ireo andriamanitrareo izay nataonareo ho anareo?» Aoka izy hamonjy anareo raha afaka manao izany amin’ny androm-pahorianareo! Fa maro tahaka ny isan’ny tanànanareo no isan’ny sampinareo, ry mponin’i Joda.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

28 Fa aiza izay andriamanitra nataonao ho anao? Aoka hitsangana ireny raha mahavonjy anao amin’ny andron’ny fahorianao. Fa mifanisa amin’ny tanànanao ny isan’ny andriamanitrao, ry Jodà.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

28 Fa aiza ireny andriamanitrao izay nataonao ho anao? Aoka hitsangana ireny, raha mahavonjy anao amin’ny andro fahorianao; Fa araka ny isan’ny tanànanao, ry Joda, no isan’ny andriamanitrao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

28 Fa aiza ireny andriamanitrao izay nataonao ho anao? Aoka hitsangana ireny, raha mahavonjy anao amin'ny andro fahorianao fa araka ny isan'ny tanànanao, ry Joda, no isan'ny andriamanitrao.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 2:28
16 Rohy Ifampitohizana  

Ka hoy i Elisà tamin’ny mpanjakan’i Israely: –Nahoana no mankatỳ amiko ianao? Mandehana any amin’ireo mpaminanin-drainao na ireo mpaminanin-dreninao! Fa novalian’ny mpanjakan’i Israely hoe: –Tsia, fa ny TOMPO mihitsy no nitaona anay mpanjaka telo lahy ireto mba hatolotra eo an-tanan’ny Môabita.


Ianareo firenen-kafa sisa tavela, avia ka mivoria, manatòna miaraka. Tsy mahalala na inona na inona akory ireo manandratra ny sampy hazo voasokitra, sy mivavaka amin’izay andriamanitra tsy mahavonjy.


Niletsy sy nihareraka ireo andriamanitra ka tsy afa-mamonjy ny sarivongany intsony: na dia ny tenany aza lasan-ko babo.


Izy ireo ihany no mibata ny andriamaniny sy mitondra azy eny an-tsoroka sady mametraka azy eo amin’ny toerany, dia mijanona eo iny fa tsy mahahetsika. Raha iantsoana vonjy izy, dia tsy mamaly sady tsy mahavonjy amin’ny fahoriana.


Rehefa miantso vonjy ianao, dia aoka ireo sampinao no hamonjy anao, dia ireo sampy maro voaangonao. Kanefa hopaohin’ny rivotra ireny; tsio-drivotra mihelina dia hahalasa azy! Fa izay mialoka amiko kosa no hanana ny tany sy handova ny tendrombohitro masina.


Havoakako ny didim-pitsarana hamelezana ny mponin’ity tany ity noho ny ratsy rehetra izay nataony: nandao Ahy izy ka nanao sorona ho an’ireo andriamani-kafa, dia ny andriamanitra asan-tanany izay ivavahany!


Dia handeha hitaraina any amin’ireo andriamanitra izay nandoroany ditin-kazo manitra ny mponina amin’ny tanànan’i Joda sy i Jerosalema nefa tsy hahavonjy azy mihitsy ireny rehefa hiharan’ny loza izy.


Fa araka ny isan’ny tanànany no isan’ireo andriamanitr’i Joda; ary araka ny isan’ny lalamben’i Jerosalema no isan’ny alitara naorinareo mba handoroana vovo-javamanitra ho an’i Bahala, ilay henatrareo.»


Loza ity! fa andro mampahatahotra, andro tsy misy toa azy; vanim-potoana mahory ho an’ny taranak’i Jakôba! Nefa ho afaka amin’izany ihany izy.»


Ary nankaiza ireo mpaminany izay naminany teo aminareo fa tsy ho tonga hanafika anareo na ity tanàna ity ny mpanjakan’i Babilôna?


Voaloboka misandrahaka sady namoa tsara i Israely. Arakaraka ny hamaron’ny voany no nanamaroany ny alitarany; arakaraka ny nandrosoan’ny taniny no nanaovany tsangambaton-tsampy tsara tarehy kokoa hatrany.


Atao inona moa ny sarin-tsampy? Sary sikotry ny mpahay taozavatra ihany ireny na metaly narendrika hampianatra lainga! Nahoana ny olona no matoky izay zavatra noforoniny ihany, tamin’ny nanaovany sampy moana?


Lozanareo manao amin’ny tapa-kazo hoe: «Mifohaza!» sy amin’ny vato moana hoe: «Mitsangàna!», nefa tsy afa-kilaza na inona na inona izy. Eny, fa na dia voapetaka takela-bolamena sy volafotsy aza ireo, dia tsy manana aina akory ao anatiny.


Amin’izay i Israely hitenenan’ny Tompo hoe: «Aiza ireo andriamani-kafa nataonareo ho vatolampy fialofana?


Andeha antsoy ireo andriamani-tsiizy efa nofidinareo. Aoka ireo no hamonjy anareo amin’ny androm-pahorianareo!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra