Ny tsy fahamarinanao miteny amin’ny ratsy fanahy ao am-pony; ny fahatahorana an’Andriamanitra tsy mba eo imasony.
Jeremia 2:23 - Baiboly Katolika Ahoana no hilazanao hoe: ‹Tsy nandoto tena aho, tsy nandeha nanaraka an’ireo Baala aho?› Zahao ny dian-tongotrao ao amin’ny Lohasaha, ka mieke ny nataonao! Rameva vavy faingan-tongotra, mifanapaka mankatsy mankarỳ ny diany, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ahoana no ilazanao hoe: Tsy nanao izay nahaloto ahy aho, tsy nanaraka ireo Baala aho? Hevero ny nalehanao tany amin’ilay lohasaha, ekeo izay nataonao, ry rameva vavy haingam-pandeha mivezivezy amin’ny alehany, DIEM PROTESTANTA Ahoana no ahasahianao nilaza hoe: «Tsy nandoto tena aho, tsy nanaraka ny fivavahana tamin’i Bahala?» Jereo ange izay nataonao tao an-tsaha e! Aoka hiaiky izay nataonao ianao, fa toy ny ramevavavy mihazakazaka etsy sy eroa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ahoana no ahasahianao nilaza hoe: «Tsy nandoto tena aho, tsy nanaraka ny fivavahana tamin’i Bahala?» Jereo ange izay nataonao tao an-tsaha e! Aoka hiaiky izay nataonao ianao, fa toy ny ramevavavy mihazakazaka etsy sy eroa. Baiboly Protestanta Malagasy Ahoana no anaovanao hoe: Tsy nanao izay nahaloto ahy aho, Tsy nanaraka ireo Bala aho? Hevero ny nalehanao tany amin’ilay lohasaha, Fantaro izay nataonao, Ry ramevavavy haingam-pandeha mivezivezy amin’ny alehany, Malagasy Bible Ahoana no anaovanao hoe: Tsy nanao izay nahaloto ahy aho, tsy nanaraka ireo Bala aho? Hevero ny nalehanao tany amin'ilay lohasaha, fantaro izay nataonao, ry ramevavavy haingam-pandeha mivezivezy amin'ny alehany, La Bible en Malgache Ahoana no ilazanao hoe: Tsy nanao izay nahaloto ahy aho, tsy nanaraka ireo Baala* aho? Hevero ny nalehanao tany amin’ilay lohasaha, ekeo izay nataonao, ry rameva vavy haingam-pandeha mivezivezy amin’ny alehany, |
Ny tsy fahamarinanao miteny amin’ny ratsy fanahy ao am-pony; ny fahatahorana an’Andriamanitra tsy mba eo imasony.
Izany no nataonao, nefa nangina ihany Aho, ka dia noheverinao fa mitovy aminao Aho, kanjo indro Aho hananatra anao, sy hanampatra izany rehetra izany eo imasonao.
Izay manafina ny fahotany tsy mba hambinina; fa izay mitsotra sy mahafoy izany dia hahazo famindram-po.
Toy izao no lalan’ny vehivavy mpaka vadin’olona: Mihinana izy, dia mamafa ny vavany, ka manao hoe: «Tsy nanao ratsy aho.»
Izao no lazain’i Iaveh ny amin’ity vahoaka ity: «Eny, ny hiverenany atsỳ arỳ no tiany, ka tsy mahatana ny tongony izy. Tsy nankasitraka azy intsony i Iaveh; dia indro ho tsaroany amin’izao ny helony ary hovaliany ny fahotany.»
Rehefa lazainao amin’ity vahoaka ity, ireo zavatra rehetra ireo, dia hiteny aminao izy hanao hoe: ‹Ahoana i Iaveh no mampandre anay mialoha izany lozabe rehetra izany? Inona no helokay, ary inona no fahotanay, izay nataonay tamin’i Iaveh Andriamanitray?›
Mba maika loatra ianao hanova ny lalanao! Hataon’i Ejipta mahazo henatra ianao, toy ny nahazoanao henatra tamin’i Asiria.
Andrandrao amin’ny havoana ny masonao, ka jereo: Taiza no tsy nandotoana anao? Nipetraka eny an-dalambe eny ianao mba ho azy ireo, mova tsy ny Arabo any an’efitra! Ary ny fijangajanganao sy ny haratsiam-panahinao, dia efa nandotoanao ny tany;
ary nanorina ireo fitoerana avo any Tôfeta, amin’ny lohasahan’ny zanak’i Hinôma, handoroany amin’ny afo ny zanany lahy aman-janany vavy; nefa zavatra tsy mba nodidiako izany, na mba noheverin’ny saiko akory.
Noho izany, izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: «Indro ity firenena ity hofahanako zava-mangidy, hampisotroiko rano misy poizina.
Tamin’ny niandohan’ny nitenenan’i Iaveh tamin’i Osea, izao no nolazain’i Iaveh tamin’i Osea: «Mandehana ianao, makà vady tena janga, aman-janaky ny fijangajangana, satria tsy misy ataon’ny tany afa-tsy ny misaraka amam-bady amin’ny fandaozana an’i Iaveh.»
Fantatsika anefa fa izay fehezin’ny Lalàna no ilazan’ny Lalàna ny zavatra rehetra lazainy, mba ho tampina ny vava rehetra, ary mba hiharan’ny fitsaràn’Andriamanitra avokoa izao tontolo izao,