Vonjeo izahay, ry Iaveh, Andriamanitray, ka angony avy amin’ny firenena izahay, mba hankalazanay ny Anaranao masina, ary hireharehanay amin’ny fiderana Anao.
Jeremia 17:14 - Baiboly Katolika Ry Iaveh ô, sitrano aho, dia ho sitrana; vonjeo aho, dia ho voavonjy; fa Ianao no fiderako! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 TOMPO ô, sitrano aho dia ho sitrana; vonjeo aho dia ho voavonjy fa Ianao no fiderako. DIEM PROTESTANTA TOMPO ô, sitrano aho, dia ho sitrana; vonjeo aho, dia ho voavonjy, fa antony hiderako Anao izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara TOMPO ô, sitrano aho, dia ho sitrana; vonjeo aho, dia ho voavonjy, fa antony hiderako Anao izany. Baiboly Protestanta Malagasy Jehovah ô, sitrano aho, dia ho sitrana; Vonjeo aho, dia ho voavonjy; Fa Hianao no fidèrako. Malagasy Bible Jehovah ô, sitrano aho, dia ho sitrana; Vonjeo aho, dia ho voavonjy; Fa Hianao no fiderako. La Bible en Malgache TOMPO ô, sitrano aho dia ho sitrana; vonjeo aho dia ho voavonjy fa Ianao no fiderako. |
Vonjeo izahay, ry Iaveh, Andriamanitray, ka angony avy amin’ny firenena izahay, mba hankalazanay ny Anaranao masina, ary hireharehanay amin’ny fiderana Anao.
Ho an’ny mpampianatra hira. Salamon’i Davida. Ry Andriamanitra fiderako ô, aza mangina Ianao!
Holevonin’i Iaveh anie ny molotra mandrobo rehetra, mbamin’ny lela miteny amin’avonavona,
Nanandratra ny fahefan’ny vahoakany Izy, foto-piderana amin’izay rehetra miraiki-po aminy, dia amin’ny zanak’i Israely firenena akaiky Azy. Aleloia!
Iaveh ô, aza sazînao amin’ny fahatezeranao aho, ary aza faizinao amin’ny fisafoahanao.
Mamindrà fo amiko, ry Iaveh, fa reraka aho; sitrano aho, ry Iaveh, fa mangozohozo ny taolako.
Nasianao fizahan-toetra sarotra ny vahoakanao, nampisotroinao divay mahafanina izahay.
Ataovy lamodamoka ny fon’ity firenena ity, ary ataovy lalodalovana ny sofiny, dia tampeno ny masony, mba tsy hahita maso izy, sy tsy handre sofina ka tsy hibebaka sy tsy ho sitrana».
Hataoko manda varahina mafy ho an’ity vahoaka ity ianao; hiady aminao izy, nefa tsy hahavoa anao akory; satria homba anao Aho, hamonjy, sy hanafaka anao, - teny marin’i Iaveh. -
Eny, zava-poana teny amin’ny havoana teny an-tendrombohitra ny horakoraka mankalaza ny sampy. Fa amin’i Iaveh Andriamanitsika ihany no misy ny famonjena an’i Israely.
Fa efa hamehy anao aho, efa hositraniko amin’ny ferinao ianao, -teny marin’i Iaveh.- Fa ny anaranao dia atao hoe: Ikala noroahina, Siôna tsy manam-piahy!
Reko ny fitarainan’i Efraima hoe: «Nofaizanao aho, ka voafay, toy ny vantotr’ombalahy tsy voafolaka; avereno aho, dia hiverina, satria ianao no Iaveh Andriamanitro;
Indro asiako bandy ny feriny, sy tsaboiko izy, mba ho sitrana; ary hanehoako ny fiadanana sy fandriam-pahalemana be dia be izy ireo.
Dia nitaraina tamin’i Iaveh i Môizy, ka nanao hoe: «Ry Andriamanitra, mihanta aminao aho, sitrano izy.»
Kanjo nony hitany fa nahery ny rivotra, dia natahotra izy; ary nony nanomboka nilentika izy dia niantso mafy nanao hoe: «Tompo ô! vonjeo aho.»
Dia nanatona Azy ny mpianany, ka namoha Azy nanao hoe: «Tompoko, vonjeo izahay fa maty.»
«Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo, fa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy sy naniraka ahy hankahery ny torotoro fo,
Fa Izy no reharehanao, Izy no Andriamanitrao, izay nanao ho anao ny zava-dehibe sy mahatahotra efa hitan’ny masonao.
Jereo amin’izao fa Izaho, dia Izaho ihany no izy, ary tsy misy andriamanitra miolotra amiko; Izaho no mahafaty sy mahavelona; Izaho no naharàtra, ary Izaho koa no hahasitrana. Ary tsy misy olona mahafaka amin’ny tanako.