Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 17:14 - DIEM PROTESTANTA

14 TOMPO ô, sitrano aho, dia ho sitrana; vonjeo aho, dia ho voavonjy, fa antony hiderako Anao izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 TOMPO ô, sitrano aho dia ho sitrana; vonjeo aho dia ho voavonjy fa Ianao no fiderako.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 TOMPO ô, sitrano aho, dia ho sitrana; vonjeo aho, dia ho voavonjy, fa antony hiderako Anao izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Ry Iaveh ô, sitrano aho, dia ho sitrana; vonjeo aho, dia ho voavonjy; fa Ianao no fiderako!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Jehovah ô, sitrano aho, dia ho sitrana; Vonjeo aho, dia ho voavonjy; Fa Hianao no fidèrako.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Jehovah ô, sitrano aho, dia ho sitrana; Vonjeo aho, dia ho voavonjy; Fa Hianao no fiderako.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 17:14
23 Rohy Ifampitohizana  

TOMPO Andriamanitray ô, vonjeo izahay ka angony avy any amin’ny hafa firenena, mba hideranay ny anaranao masina ary hifalianay amin’ny fankalazana Anao.


Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Salamo nataon’i Davida. Ry Andriamanitra fidèrako ô, aza dia mangina fotsiny Ianao,


Fanananao aho ka vonjeo, satria mikatsaka ny fepetranao.


Hofoanan’ny TOMPO avokoa anie ny mpandoka sy ireo avo vava,


Nataony mitraka sy mahery ny vahoakany; ka midera ny TOMPO ireo mpivavaka aminy, dia ireo Israelita vahoaka lalainy. Haleloià!


Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hampiarahina amin’ny valiha. Tononkalo fananarana nataon’i Davida,


TOMPO ô, tezitra amiko Ianao nefa aza faizina aho; vinitra amiko Ianao nefa aza sazîna aho.


TOMPO ô, iantrao aho fa reraka; TOMPO ô, sitrano fa lany hery.


Mangorohoro aoka izany aho; fa Ianao kosa re, TOMPO ô, aza mampiandry ahy ela loatra!


Nataonao nahita ny mafy ilay vahoakanao ary nampisotroinao divay mahafanina.


Ataovy tonga mafy fo ity firenena ity ataovy tonga mafy sofina izy ary ataovy tonga jamba ny masony, fandrao ny masony hahita, ny sofiny handre ary ny fony hahafantatra ka hiverina amiko izy ary ho sitrana.


Hataoko manda varahina mafy ianao manoloana ity vahoaka ity. Hiady aminao izy fa tsy hahatohitra anao, satria miaraka aminao Aho mba hamonjy sy hanafaka anao, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.


Eny tokoa, fa nanodoka anay ny fanompoan-tsampy teny an-kavoana sy ny horakoraka teny an-tendrombohitra, kanefa aminao TOMPO Andriamanitray ihany no hahitan’Israely famonjena.


Satria ireo efa niantso anao hoe: «Ry ilay tsy misy ilana azy,» «ry Tsiôna tsy misy miahy akory», koa hositraniko ny ratranao ary hohamainiko ny ferinao; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.».


Reko tsara mihitsy ny olon’i Efraîma nitaraina hoe: ‹TOMPO ô, nofaizinao izahay ary dia manaiky hofaizinao tahaka ny ombilahy tanora tsy tena folaka. Nefa ampodio aminao izahay mba hiverenanay tokoa aminao, satria Ianao, TOMPO ô, no Andriamanitray.


«Kanefa indro Aho hitsabo an’i Jerosalema ka hahasitrana azy tanteraka; ary hasehoko mitafotafo amin’ny mponina indray ny fiadanana sy ny filaminana.


Nitaraina tamin’ny TOMPO i Mosesy ka nanao hoe: –Andriamanitra ô, mba sitrano re izy!


Kanjo nony hitan’i Petera fa nahery ny rivotra, dia natahotra izy; ary raha nanomboka nilentika izy, dia niantsoantso mafy hoe: –Tompo ô, vonjeo aho!


Dia nohatonin’ireto mpianany Izy, ka nofohaziny sady nataony hoe: –Tompo ô, vonjeo fa ho faty isika!


«Ato amiko ny Fanahy avy amin’ny Tompo. Ka natokan’ny Tompo Aho hanambara Vaovao Mahafaly amin’ny mahantra; nirahiny Aho hitory fanafahana amin’ny mpigadra sy fahiratana amin’ny jamba, hanafaka ny ampahorîna


Izy no fidèranareo, Izy no Andriamanitrareo, dia Ilay nanao ho anareo ireny zavatra lehibe sy mahatahotra efa hitan’ny masonareo ireny.


Fantaro ankehitriny fa Izaho ihany no Andriamanitra ary tsy misy andriamani-kafa miolotra amiko: Izaho no mahafaty sy mahavelona, Izaho no maharatra sy mahasitrana, ary tsy misy mahafaka olona eo am-pelatanako.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra