ary nataony nahita famindram-po aminy izy ireo, teo anatrehan’izay rehetra nitana azy ho babo.
Jeremia 15:11 - Baiboly Katolika Dia hoy i Iaveh: «Hanamafy anao aho mba hahasoa anao; hataoko tonga hifona aminao tokoa ny fahavalonao, amin’ny andron’ny loza amam-pahoriana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy NY TOMPO: Ny hahasoa anao ihany no nanafahako anao; hataoko tonga mifona aminao tokoa ny fahavalo amin’ny andro hahitan-doza sy amin’izay andro mahory. DIEM PROTESTANTA Eny, aoka ho voaozona aho, TOMPO ô, raha tsy nanompo tsara Anao, raha tsy nitalahoako ho an’ny fahavaloko Ianao tamin’ny fotoanan’ny loza amam-pahoriany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Eny, aoka ho voaozona aho, TOMPO ô, raha tsy nanompo tsara Anao, raha tsy nitalahoako ho an’ny fahavaloko Ianao tamin’ny fotoanan’ny loza amam-pahoriany. Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy Jehovah: Nahafaka anao Aho hahasoa anao; Hataoko tonga mifona aminao tokoa ny fahavalo Amin’ny andro ahitan-doza sy amin’izay andro mahory. Malagasy Bible Dia hoy Jehovah: Nahafaka anao Aho hahasoa anao; Hataoko tonga mifona aminao tokoa ny fahavalo amin'ny andro ahitan-doza sy amin'izay andro mahory. La Bible en Malgache Dia hoy NY TOMPO: Ny hahasoa anao ihany no nanafahako anao; hataoko tonga mifona aminao tokoa ny fahavalo amin’ny andro hahitan-doza sy amin’izay andro mahory. |
ary nataony nahita famindram-po aminy izy ireo, teo anatrehan’izay rehetra nitana azy ho babo.
Tamin’ny andro niantsoako Anao nanaiky ahy Ianao, naverinao amin’ny fanahiko ny tanjaka aman-kerim-po.
Rano mandeha eo an-tanan’i Iaveh ny fon’ny mpanjaka, ka atongilany amin’izay rehetra tiany.
fa na hanao ratsy injato aza ny mpanota, ka ho lava andro iainana koa, fantatro fa ny fahasambarana kosa, dia an’izany matahotra an’Andriamanitra, dia izay tsindrian’ny fahatahorana eo anatrehany.
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; aza mijerijery amin’ahiahy, fa Izaho no Andriamanitrao; Nohazoniko mafy ianao, ka manampy anao Aho; ary manohana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako.
«Masìna ianao, manontania an’i Iaveh ho anay, fa miady aminay i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna; angamba i Iaveh hanao indray ho anay ireo asany mahagaga lehibe rehetra, mba hialan’ilay io aminay.»
vao nanirahan’i Sedesiasa nesorina tao. Dia nanontany mangingina tao an-tranony izy nataony hoe: «Moa misy teny avy amin’i Iaveh?» Ka hoy ny navalin’i Jeremia: «Eny!» sady nampiany hoe: «Hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna ianao.»
Nirahin’i Sedesiasa, mpanjaka, i Jokaly zanak’i Selemiasa, sy i Sôfôniasa zanak’i Maasiasa mpisorona, ho any amin’i Jeremia, mpaminany, hilaza aminy hoe: «Mba mifonà ho anay amin’i Iaveh Andriamanitsika.»
Tamin’izay dia naniraka haka an’i Jeremia i Sedesiasa mpanjaka mba ho ao aminy, ao amin’ny fidirana fahatelo, amin’ny tranon’i Iaveh. Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Jeremia: «Misy zavatra hanontaniako anao, ka aza anafenana aho.»
ka nanao taminy hoe: «Aoka ho tonga eo anatrehanao anie izao fihantanay izao: mivavaha amin’i Iaveh Andriamanitrao, ho an’izao sisa rehetra izao, fa maro izahay taloha, nefa efa tonga vitsy sisa araka izao hitan’ny masonao izao.