Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 15:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Eny, aoka ho voaozona aho, TOMPO ô, raha tsy nanompo tsara Anao, raha tsy nitalahoako ho an’ny fahavaloko Ianao tamin’ny fotoanan’ny loza amam-pahoriany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Dia hoy NY TOMPO: Ny hahasoa anao ihany no nanafahako anao; hataoko tonga mifona aminao tokoa ny fahavalo amin’ny andro hahitan-doza sy amin’izay andro mahory.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Eny, aoka ho voaozona aho, TOMPO ô, raha tsy nanompo tsara Anao, raha tsy nitalahoako ho an’ny fahavaloko Ianao tamin’ny fotoanan’ny loza amam-pahoriany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Dia hoy i Iaveh: «Hanamafy anao aho mba hahasoa anao; hataoko tonga hifona aminao tokoa ny fahavalonao, amin’ny andron’ny loza amam-pahoriana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Dia hoy Jehovah: Nahafaka anao Aho hahasoa anao; Hataoko tonga mifona aminao tokoa ny fahavalo Amin’ny andro ahitan-doza sy amin’izay andro mahory.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Dia hoy Jehovah: Nahafaka anao Aho hahasoa anao; Hataoko tonga mifona aminao tokoa ny fahavalo amin'ny andro ahitan-doza sy amin'izay andro mahory.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Dia hoy NY TOMPO: Ny hahasoa anao ihany no nanafahako anao; hataoko tonga mifona aminao tokoa ny fahavalo amin’ny andro hahitan-doza sy amin’izay andro mahory.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 15:11
15 Rohy Ifampitohizana  

Izay rehetra namabo ny razanay dia nataony nahay nangoraka azy.


Tamin’ny andro nitarainako, dia novalianao aho ka nampitomboinao ny hery tao anatiko.


Rehefa sitraky ny TOMPO ny fitondrantenan’ny olona, na dia ny fahavalony aza ampihavaniny aminy.


Ny fon’ny mpanjaka dia toy ny rano mikoriana izay tarihin’ny tanan’ny TOMPO amin’izay tiany.


Mety ho mpanao ratsy an-jatony ny mpanota iray, kanefa dia ela velona ihany. Fantatro kosa ny hoe: «Izay manaja an’Andriamanitra ihany no ho sambatra, dia ireo manaja Azy tokoa.


Aza matahotra ianao fa miaraka aminao Aho, aza miherikerika foana fa Izaho no Andriamanitrao. Mampahery anao Aho ary mamonjy anao tokoa; ny tanan-kavanako manafaka no anohanako anao.


–Raha sitrakao, anontanio ny TOMPO re ny momba antsika, satria miady amintsika i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna. Angamba mety hanao zava-mahagaga indray ny TOMPO, ka hanainga ny Babilônianina handao antsika.


no nanirahan’i Tsedekià olona haka azy mba hanontaniany mangina tao an-dapany hoe: –Moa misy hafatry ny TOMPO tokoa va ho ahy? Ka novalian’i Jeremià hoe: –Eny, dia inty: «Hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna ianao.»


I Tsedekià mpanjaka kosa dia naniraka an’i Jokaly, zanakalahin’i Selemià ary koa i Tsefanià mpisorona, zanakalahin’i Mahaseià ho any amin’i Jeremià mpaminany ihany hanao aminy hoe: –Miangavy anao aho mba hivavaka ho anay amin’ny TOMPO Andriamanitsika.


Ary naniraka olona haka an’i Jeremià i Tsedekià mpanjaka ka nandray azy manokana teo amin’ny fidirana fahatelo mankao an-tranon’ny TOMPO, sady nanao taminy hoe: –Hanontany zavatra aminao aho, ka aza misy afenina amiko.


dia nanatona an’i Jeremià mpaminany ka niteny taminy hoe: –Mba ekeo re ny fiangaviana ataonay eto anatrehanao, ka mivavaha amin’ny TOMPO Andriamanitrao ho anay rehetra sisa tavela ireto satria vitsy kely izahay araka izao hitanao maso izao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra