Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 37:17 - Baiboly Katolika

17 vao nanirahan’i Sedesiasa nesorina tao. Dia nanontany mangingina tao an-tranony izy nataony hoe: «Moa misy teny avy amin’i Iaveh?» Ka hoy ny navalin’i Jeremia: «Eny!» sady nampiany hoe: «Hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna ianao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Ary nandefa iraka haka azy i Zedekia mpanjaka; dia nanontany azy mangingina tao an-tranony ny mpanjaka hoe: Moa misy teny avy tamin’NY TOMPO tokoa va? Dia hoy i Jeremia: Eny, misy; ary hoy koa izy: Hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilona ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

17 no nanirahan’i Tsedekià olona haka azy mba hanontaniany mangina tao an-dapany hoe: –Moa misy hafatry ny TOMPO tokoa va ho ahy? Ka novalian’i Jeremià hoe: –Eny, dia inty: «Hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna ianao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 no nanirahan’i Tsedekià olona haka azy mba hanontaniany mangina tao an-dapany hoe: –Moa misy hafatry ny TOMPO tokoa va ho ahy? Ka novalian’i Jeremià hoe: –Eny, dia inty: «Hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilôna ianao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 dia naniraka haka azy Zedekia mpanjaka; ary ny mpanjaka nanontany azy mangingina tao an-tranony nanao hoe: Moa misy teny avy tamin’i Jehovah tokoa va? Dia hoy Jeremia: Eny, misy; ary hoy koa izy: Hatolotra eo an-tànan’ny mpanjakan’i Babylona hianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 dia naniraka haka azy Zedekia mpanjaka; ary ny mpanjaka nanontany azy mangingina tao an-tranony nanao hoe: Moa misy teny avy tamin'i Jehovah tokoa va? Dia hoy Jeremia: Eny, misy; ary hoy koa izy: Hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona ianao.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 37:17
25 Rohy Ifampitohizana  

Nony tonga teo amin’ny mpanjaka izy, dia hoy ny mpanjaka taminy: «Handeha hanafika an’i Ramôta any Galaada va isika, ry Mikea, sa tokony hijanona kosa?» Ary hoy ny navaliny azy: «Mandehana, maharese, fa hatolotr’i Iaveh eo an-tanan’ny mpanjaka izany!»


Fa hoy ny mpanjaka taminy: «Impiry no hiangaviako anao, mba tsy hilaza amiko, amin’ny Anaran’i Iaveh, afa-tsy ny marina ihany?»


Ny zanaka lahin’i Sedesiasa novonoina teo anatrehan’izy rainy. Raha efa izany dia nopotsirin’i Nabokodonozora ny mason’i Sedesiasa ary nafatony tamin’ny gadra varahina roa izy, dia nentiny nankany Babilôna.


Dia hoy i Iaveh: «Hanamafy anao aho mba hahasoa anao; hataoko tonga hifona aminao tokoa ny fahavalonao, amin’ny andron’ny loza amam-pahoriana.


Manaraka izany, - teny marin’i Iaveh, - hatolotro i Sedesiasa mpanjakan’i Jodà, ny mpanompony, ny vahoaka, mbamin’izay rehetra sisa tsy matin’ny pesta sy ny sabatra ary ny mosary, amin’ity tanàna ity, ho eo an-tanan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, sy ho eo an-tanan’ny fahavalony ama-mpitady ny ainy, ka hasiany amin’ny lelan-tsabatra, tsy hotsitsiny, tsy hananany antra na indrafo akory.


Ary toy ny ataon’ny olona amin’ireo aviavy ratsy ireo, izay tsy azo hanina akory, noho ny haratsiany loatra, - izao no tenin’i Iaveh - no hataoko amin’i Sedesiasa, mpanjakan’i Jodà, ny mpanapaka mbamin’izay sisa any Jerosalema, ireo izay mitoetra amin’ity tany ity, ary ireo monina any amin’ny tany Ejipta.


Ny mpiandry ondry tsy hanan-kandosirana; ny lehiben’ny ondry tsy hanan-kialofana.


Nirahin’i Sedesiasa, mpanjaka, i Jokaly zanak’i Selemiasa, sy i Sôfôniasa zanak’i Maasiasa mpisorona, ho any amin’i Jeremia, mpaminany, hilaza aminy hoe: «Mba mifonà ho anay amin’i Iaveh Andriamanitsika.»


Ka hoy i Sedesiasa mpanjaka: «Anananareo fahefana izy, fa ny mpanjaka tsy mahefa na inona na inona hisakanana anareo.»


Nenjehin’ny miaramila Kaldeanina anefa ny mpanjaka; ka trany teo amin’ny tany lemak’i Jerikô i Sedesiasa; dia niparitaka lavitra azy ny miaramilany rehetra.


Ho avy ny loza tsindrian-doza, sy filazana vaovao tsindriam-pilazana; ka hitady fahitana amin’ny mpaminany izy ireo; ary tsy ho eo amin’ny mpisorona ny lalàna, na ny torohevitra eo amin’ny loholona.


Niverina tany amin’i Balàka izy, ary indro nitoetra teo anilan’ny sorona dorany izy mbamin’ny andriandahin’i Moaba. Dia hoy i Balàka taminy: «Inona no lazain’i Iaveh?»


noho ny tahotr’i Herôda an’i Joany izay hitany fa lehilahy marina sy masina, ka narovany sady narahiny hevitra tamin’ny zavatra maro, sy nohenoiny tamin-kafaliana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra