Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 14:4 - Baiboly Katolika

Noho ny tany vaky hentana, azon’ny tsy fisian’ny orana amin’ny tany, dia mangaihay ny mpiasa, ka misaron-doha.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Noho ny fangentan’ny tany, noho ny tsy nilatsahan’ny ranonorana taminy dia menatra ny mpiasa ka misaron-doha.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Noho ny fangentan’ny tany fa tsy nisy orana latsaka taminy dia menatra sy diso fanantenana ny tantsaha.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Noho ny fangentan’ny tany fa tsy nisy orana latsaka taminy dia menatra sy diso fanantenana ny tantsaha.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Noho ny fangentan’ ny tany Noho ny tsy nilatsahan’ny ranonorana taminy, Dia menatra ny mpiasa ka misaron-doha.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Noho ny fangentan'ny tany, noho ny tsy nilatsahan'ny ranonorana taminy, dia menatra ny mpiasa ka misaron-doha.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Noho ny fangentan’ny tany, noho ny tsy nilatsahan’ny ranonorana taminy dia menatra ny mpiasa ka misaron-doha.

Jereo ny toko



Jeremia 14:4
10 Rohy Ifampitohizana  

Avy any ianao dia hiverina, miloloha tanana; satria nolavin’i Iaveh ry zareo itokianao, ka tsy hahomby ianao miankina amin’ireo.»


ka voasakana ny oram-pararano tsy nisy ny oran-dohataona. Nefa handrim-behivavy janga ny anao, ka tsy nety nahalala menatra ianao.


Mangaihaiza, ry mpiasa tany, midradradradrà ry mpamboly voaloboka, noho ny amin’ny vary sy ny orja; satria majifa ny vary hojinjaina any an-tsaha.


Maina tao ambany bainga ny voa nafafy; foana ny sompitra; mirodana ny trano fitahirizana, satria mangaihay ny vary.


Raha mbola tsy mihaino Ahy amin’izany ihany ianareo, dia hofaiziko impito mihoatra izany, noho ny fahotanareo.


Tanàna roa aman-telo no indray miezaka mankany an-tanàna hafa, mba hisotro rano, kanjo tsy mety afa-ketaheta ireny; nefa tsy mbola niverina tamiko ihany ianareo, - teny marin’i Iaveh. -


ka hiteny izany firenena rehetra izany hanao hoe: Nahoana i Iaveh no dia nanao izao tamin’izany tany izany? Inona no dia nahatonga izao firehetam-pahatezerana lehibe izao? Dia hisy hilaza hanao hoe: