Dia hoy ity vehivavy tamin’i Elia: «Inona akory moa no raharahako aminao, ry olon’Andriamanitra? Moa tsy hamelona ny fahatsiarovana ny fahotako, sy ny hahafaty ny zanako va no nahatongavanao tatỳ amiko?»
Jeremia 14:10 - Baiboly Katolika Izao no lazain’i Iaveh ny amin’ity vahoaka ity: «Eny, ny hiverenany atsỳ arỳ no tiany, ka tsy mahatana ny tongony izy. Tsy nankasitraka azy intsony i Iaveh; dia indro ho tsaroany amin’izao ny helony ary hovaliany ny fahotany.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izao no lazain’NY TOMPO amin’ity firenena ity: Tiany ny mirenireny ka tsy mahajanona ny tongony; tsy sitraky NY TOMPO izy. Ankehitriny dia tsaroany ny helony ary valìny ny fahotany. DIEM PROTESTANTA Izao no lazain’ny TOMPO ny amin’ity vahoaka ity: «Eny, tia mirenireny izy ka tsy mahajanona ny tongony». Tsy sitraky ny TOMPO anefa ity vahoaka ity. Ankehitriny dia ampahatsiahiviny azy ny hadisoany ary valiany ny helony. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izao no lazain’ny TOMPO ny amin’ity vahoaka ity: «Eny, tia mirenireny izy ka tsy mahajanona ny tongony». Tsy sitraky ny TOMPO anefa ity vahoaka ity. Ankehitriny dia ampahatsiahiviny azy ny hadisoany ary valiany ny helony. Baiboly Protestanta Malagasy Izao no lazain’i Jehovah amin’ity firenena ity: Te-hirenireny toy izao izy, Ka tsy mahajanona ny tongony; Tsy sitrak’i Jehovah izy, Ankehitriny dia tsaroany ny helony, Ary valiany ny fahotany. Malagasy Bible Izao no lazain'i Jehovah amin'ity firenena ity: Te-hirenireny toy izao izy, ka tsy mahajanona ny tongony; Tsy sitrak'i Jehovah izy, Ankehitriny dia tsaroany ny helony, ary valiany ny fahotany. La Bible en Malgache Izao no lazain’NY TOMPO amin’ity firenena ity: Tiany ny mirenireny ka tsy mahajanona ny tongony; tsy sitraky NY TOMPO izy. Ankehitriny dia tsaroany ny helony ary valìny ny fahotany. |
Dia hoy ity vehivavy tamin’i Elia: «Inona akory moa no raharahako aminao, ry olon’Andriamanitra? Moa tsy hamelona ny fahatsiarovana ny fahotako, sy ny hahafaty ny zanako va no nahatongavanao tatỳ amiko?»
Nandritra ny efapolo taona aho monain’izany taranaka izany, ka nanao hoe: «Vahoaka manana izay fo mania izy, ary tsy nahalala ny lalako.»
Fa ianao izao, mandehana mitarika ny vahoaka ho any amin’izay nolazaiko taminao. Indro fa handeha eo alohanao ny Anjeliko, nefa amin’ny andro famangiako dia hofaiziko noho ny fahotany izy ireo.»
Mba maika loatra ianao hanova ny lalanao! Hataon’i Ejipta mahazo henatra ianao, toy ny nahazoanao henatra tamin’i Asiria.
Mieke anefa ny hadisoanao, satria niodina tamin’i Iaveh Andriamanitrao ianao, ka nandehandeha foana tany amin’ny tany hafa, teny ambany hazo maitsonao teny, fa tsy nihaino ny feoko ianareo, - teny marin’i Iaveh. -
Tsy hisy olona hampianatra ny namany intsony, na olona hampianatra ny rahalahiny, hanao hoe: «Mahalalà an’i Iaveh!» Fa hahalala Ahy avokoa izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, - teny marin’i Iaveh. Satria havelako ny haratsian’izy ireo ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.
Mampaninona Ahy izay emboka manitra avy any Sabà, sy izay veromanitra sarobidy avy any an-tany lavitra? Tsy sitrako ny sorona doranareo; tsy mamiko ny soronareo.
Ka nahoana àry ity vahoaka eto Jerosalema no efa diso lalana, ka no dia mbola mizotra amin’ny hadisoana ihany? Fa mikikitra mafy amin’ny fitaka izy ireo, ka tsy mety miverina akory.»
Tsy ho fitokian’ny taranak’i Israely intsony izy; hampahatsiarovina azy ny heloka nataony, tamin’ny nitodihany nankany aminy; dia ho fantatry ny olona fa Tompo Iaveh Aho.
Efa tapa-kevitra ny hisaraka amiko ny vahoakako; nisy niantso azy any ambony, nefa tsy misy miandrandra maso akory izy ireo.
Tsy hanarana ny firehetan’ny hatezerako Aho, tsy horavako fanindroany i Efraima. Fa Andriamanitra Aho, fa tsy olombelona; eo afovoanao ilay Masina, ka tsy ho tonga Aho mitondra ny fisafoahako.
Loza ho an’ireny, fa nandositra lavitra Ahy izy! Hanjò azy anie ny faharavana satria nivadika tamiko! Raha Izaho, dia mba te hamonjy azy ireo Aho, fa izy kosa milaza lainga hamelezana Ahy.
Ary izy ireo tsy misaintsaina akory ao am-pony fa tsarovako avokoa ny faharatsiany. Ankehitriny manodidina azy ny heloka be vava nataony, dia indreo izy eo anatrehako.
Ny sorona aterin’izy ireo ho Ahy, dia ny henan’ny zavatra vonoiny sy haniny; tsy ankasitrahin’i Iaveh izany. Hahatsiaro ny helok’izy ireo izy ankehitriny, ka hanasazy ny fahotany: hiverina any Ejipta izy ireo.
Simba hatrany am-potony izy ireo, toy ny tamin’ny andron’i Gabaà; hotsarovan’i Iaveh ny helony, ary hovaliany ny fahotany.
Ianareo irery no fantatro tamin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany; ka izany no hamaizako anareo noho ny helokareo rehetra.
Raha manolotra sorona dorana amam-panatitra ianareo tsy mankatelina izany Aho; ary izay fisoronanareo zanak’omby matavy tsy jereko velively.
Izao no lazain’i Iaveh amin’ny tafika: Nodinihiko ny nataon’i Amaleka tamin’i Israely dia ny nitsanganany nisakana azy teny an-dalana fony izy niakatra avy tany Ejipta.