Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 12:9 - Baiboly Katolika

Papango sadasada va ity lovako, ka ifandafaran’ny papango avy hatraiza hatraiza? Avia ianareo, angony ny biby rehetra eny an-tsaha, ka ento ireny hihinana!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Moa tahaka ny vorona mpihaza hafahafa volo Amiko va ny lovako, no mivory manodidina azy ny vorona mpihaza? Avia ka angony ny bibidia rehetra, ampanatony ireny hihinana.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Moa ve ilay anjara fananako ankehitriny dia tahaka ity vorona anankiray misoratsoratra iantorahan’ireo vorona mpihaza manodidina azy? Ndeha vorio ny bibidia rehetra, ka ento mankao amin’ny fanasana!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Moa ve ilay anjara fananako ankehitriny dia tahaka ity vorona anankiray misoratsoratra iantorahan’ireo vorona mpihaza manodidina azy? Ndeha vorio ny bibidia rehetra, ka ento mankao amin’ny fanasana!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Moa tahaka ny vorona mpihaza hafahafa volo amiko va ny lovako, No mivory manodidina azy ny vorona mpihaza? Avia, ka angony ny bibi-dia rehetra, Ampanatony ireny hihinana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Moa tahaka ny vorona mpihaza hafahafa volo amiko va ny lovako, no mivory manodidina azy ny vorona mpihaza? Avia, ka angòny ny bibi-dia rehetra, ampanatony ireny hihinana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Moa tahaka ny vorona mpihaza hafahafa volo Amiko va ny lovako, no mivory manodidina azy ny vorona mpihaza? Avia ka angony ny bibidia rehetra, ampanatony ireny hihinana.

Jereo ny toko



Jeremia 12:9
15 Rohy Ifampitohizana  

Nalefan’i Iaveh hamely an’i Jôakima ny antoko-miaramila Kaldeanina, ny antoko-miaramila Sirianina, ny antoko-miaramila Moabita, ary ny antoko-miaramila Amônita, ka ny nandefasany an’ireo hamely an’i Jodà, dia ny mba handravany azy, araka ny tenin’i Iaveh izay notononiny tamin’ny alalan’ny mpaminany mpanompony.


Ny fiandrianan’ny mason’ny olona, hatanondrika, ary ny avonavon’ny olombelona, haetry, fa i Iaveh no hasandratra, dia Izy irery ihany, amin’izany andro izany.


Satria hisy andro anankiray ho an’i Iaveh, hamelezany ny fiavonavonana rehetra sy ny fianjonanjonana rehetra, hamelezana izay misandratra rehetra, hanonganany azy:


Ianareo, biby any an-tsaha rehetra, avia hihinana; ary ianareo biby any an’ala rehetra koa!


Ary loza efatra karazana no haingaiko hamely azy, - teny marin’i Iaveh - dia ny sabatra hamono, ny amboa hamiravira, ny voromanidina, amam-bibin’ny tany, hihinana sy handringana.


Mierona hamely azy ny liona tanora, sy miloa-peo mafy, ka mahatonga ny taniny ho lao. Voadotry ny afo ny tanànany, ka tsy misy mponina intsony.


Hatolotro eo an-tanan’ny fahavalony sy eo an-tanan’ireo mitady ny ainy izy ireo, hohanin’ny voromanidina amam-bibin’ny tany ny fatiny.


Ka ny fatin’ity firenena ity dia hohanin’ny voromanidina sy ny bibin’ny tany, ary tsy hisy handroaka ireny akory.


Mananty tanan-droa i Siôna, ... Tsy misy mampionona azy! Nantsoin’i Iaveh hamely an’i Jakôba, ny fahavalony ka manarona azy izy. Eo afovoan’izy ireo i Jerosalema, dia zary toa zava-maloto.


Ka niely izy, fa tsy nisy mpiandry; zary rembin’izao biby an-tsaha rehetra izao, dia tafaely.


Ny tandroka folo efa hitanao tamin’ilay Biby kosa, no hankahala an-dRavehivavy janga, ka hampijaly sy hampitanjaka azy, ary hihinana ny nofony sy handevona azy amin’ny afo.