teo ambonin’ny tany tsy mbola nisy hazo madinika eny an-tsaha, ary ny anana eny an-tsaha tsy mbola nisy nitsimoka, satria i Iaveh Andriamanitra tsy mbola nandatsaka ranonorana amin’ny tany; ary ny olona hamboly ny tany koa tsy mbola nisy.
Jeremia 10:13 - Baiboly Katolika Raha miteny Izy, dia miangona eny an-danitra ny rano; mampiakatra ny rahona, avy any amin’ny faran’ny tany; mampanjelatra ny helatra izay iavian’ny ranonorana mivatravatra; ary mamoaka ny rivotra avy ao amin’ny fitahirizany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Raha mampirohondrohona ny rano any an-danitra Izy dia mampiakatra rahona avy any amin’ny faran’ny tany; manao ny tselatra ho amin’ny ranonorana Izy sady mamoaka ny rivotra avy amin’ny trano fitahirizany. DIEM PROTESTANTA Baikony no mampitoby ny ranobe any an-danitra any sy mampiakatra ny rahona matevina avy any am-paravodilanitra, ary andatsahan’ny tselatra ny ranonorana sy ivoahan’ny rivotra avy amin’ny fitoerany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Baikony no mampitoby ny ranobe any an-danitra any sy mampiakatra ny rahona matevina avy any am-paravodilanitra, ary andatsahan’ny tselatra ny ranonorana sy ivoahan’ny rivotra avy amin’ny fitoerany. Baiboly Protestanta Malagasy Raha mampirohondrohona ny rano any an-danitra Izy, Dia mampiakatra fofona avy any amin’ny faran’ny tany; Manao ny helatra ho amin’ny ranonorana Izy Sady mamoaka ny rivotra avy amin’ny firaketany. Malagasy Bible Raha mampirohondrohona ny rano any an-danitra Izy, dia mampiakatra fofona avy any amin'ny faran'ny tany; Manao ny helatra ho amin'ny ranonorana Izy sady mamoaka ny rivotra avy amin'ny firaketany. La Bible en Malgache Raha mampirohondrohona ny rano any an-danitra Izy dia mampiakatra rahona avy any amin’ny faran’ny tany; manao ny tselatra ho amin’ny ranonorana Izy sady mamoaka ny rivotra avy amin’ny trano fitahirizany. |
teo ambonin’ny tany tsy mbola nisy hazo madinika eny an-tsaha, ary ny anana eny an-tsaha tsy mbola nisy nitsimoka, satria i Iaveh Andriamanitra tsy mbola nandatsaka ranonorana amin’ny tany; ary ny olona hamboly ny tany koa tsy mbola nisy.
Ary hoy i Elia tamin’i Akaba: «Miakara hihinana sy hisotro, fa injay reko ny fisasasasan’ny orana.»
Efa nidiranao va ny firaketana ny oram-panala? Efa hitanao va ny fitahirizana ny havandra?
Manondraka ny tendrombohitra, avy eny amin’ny fonenany avo Izy; ny vokatry ny asanao no ivokisan’ny tany,
Mampiakatra ny zavona avy amin’ny faran’ny tany izy; mandefa ny tselatra aman-dranon’orana, mamoaka ny rivotra avy amin’ny firaketany.
Fa saronany rahona ny lanitra, ary ny tany amonònany ranonorana; mampaniry ahitra ny tendrombohitra Izy.
Niantoraka avy amin’ny fahazavana nialoha Azy ny rahona izay nitondra havandra mbamin’ny vainafo mivaivay.
Mihirà ho an’Andriamanitra ianareo, fanjakana eto an-tany, mankalazà ny Tompo ianareo! - Selà
Dia nahinjitr’i Môizy nanandrify ny lanitra ny tehiny, ka nalefan’i Iaveh ny kotro-baratra sy ny havandra, ary nivarina tamin’ny tany ny afo. Ary i Iaveh nandatsaka havandra tamin’ny tany Ejipta.
Mba misy mahalatsaka orana va ny sampy foanan’ny firenena? sa ny lanitra no manome ny ranonorana? Fa tsy Ianao ihany, ry Iaveh Andriamanitray? Koa Ianao no antenainay, satria Ianao no manao izany rehetra izany.»
Izany no hataoko amin’ity firenena ity, - teny marin’i Iaveh, - sy amin’ny mponina ao aminy, rehefa hataoko tahaka an’i Tôfeta ity tanàna ity.
Fa tsy mba manao anakam-po hoe: Aoka isika hatahotra an’i Iaveh Andriamanitsika, izay mandatsaka ny ranonorana, dia ny loha orana sy ny fara orana, amin’ny fotoany avy, sady mitandrina ho antsika ireo herinandro voatendry ho fararano.
Amin’ny feony, dia miangona ny rano eny an-danitra; mampiakatra ny rahona avy amin’ny faran’ny tany Izy, mampamirapiratra hela-baratra izay iavian’ny ranonorana mivatravatra, ary mamoaka ny rivotra avy ao amin’ny fanangonany azy.
Satria izy no namorona ny tendrombohitra, sy nahary ny rivotra; izay mampahafantatra ny heviny amin’ny olombelona, izay mahatonga ny maraina ho maizina, sy mandia ny tampon’ny tany! Iaveh, Andriamanitry ny tafika no Anarany.
Mangataha amin’i Iaveh ny ranonorana amin’ny lohataona. Satria fa i Iaveh no manao ny helatra; ka homeny ranonorana be izy ireo, ary ahitra, eny an-tsahan’izy rehetra tsirairay avy.