Jeremia 10:11 - Baiboly Katolika Izao no holazainareo amin’ireny: Ireo andriamanitra tsy mba nanao ny lanitra sy ny tany, dia hofongorana eto an-tany sy atỳ ambanin’ny lanitra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izao anefa no holazainareo amin’ireny: Ny andriamanitra izay tsy mba nanao ny lanitra sy ny tany dia ho levona tsy ho amin’ny tany na ho atỳ ambanin’ny lanitra. DIEM PROTESTANTA Izao àry no holazainareo aminy: ireo andriamanitra tsy nanao ny lanitra sy ny tany ireo dia holevonina tsy ho etỳ an-tany intsony, sady tsy hanan-toerana atỳ ambanin’ny lanitra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izao àry no holazainareo aminy: ireo andriamanitra tsy nanao ny lanitra sy ny tany ireo dia holevonina tsy ho etỳ an-tany intsony, sady tsy hanan-toerana atỳ ambanin’ny lanitra. Baiboly Protestanta Malagasy (Izao no holazainareo amin’ireny: Ny amin’ny andriamanitra izay tsy mba nanao ny lanitra sy ny tany, Dia ho levona tsy ho amin’ny tany na ho atỳ ambanin’ny lanitra ireny)– Malagasy Bible (Izao no holazainareo amin'ireny; Ny amin'ny andriamanitra izay tsy mba nanao ny lanitra sy ny tany, dia ho levona tsy ho amin'ny tany na ho atỳ ambanin'ny lanitra ireny) La Bible en Malgache Izao anefa no holazainareo amin’ireny: Ny andriamanitra izay tsy mba nanao ny lanitra sy ny tany dia ho levona tsy ho amin’ny tany na ho atỳ ambanin’ny lanitra. |
Handrehitra afo ao amin’ny tranon’ireo andriamanitr’i Ejipta Aho, ka hodorana izany, ary hoentiny babo ireo andriamanitra ireo; ary hihodidinany hoatra ny hihodidinan’ny mpiandry ondry ny lambany ny tany Ejipta, vao hiala eo amim-piadanana izy.
Ireo tsangam-bato ao an-tranon’ny Masoandro, eo amin’ny tany Ejipta, hotorotoroina, ary ireo tranon’ny andriamanitr’i Ejipta hodorana.»
Ambarao any amin’ny firenena, torio izao, manangàna saina, ka torionareo izao; aza afeninareo fa lazao hoe: Azo i Babilôna. Mangaihay i Bela! Voazera i Merodàka! mangaihay ny sampiny, voazera ny andriamanitra tsy izy ao.
Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Hofoanako ny sampim-betaveta, holevoniko ny andriamanitra tsy izy ao Nôfa, tsy hisy mpanapaka intsony, avy amin’ny tany Ejipta, ary hanidinako tahotra ny tany Ejipta.
Ho fampatahorana mafy ho azy i Iaveh, fa hofoanany ireo andriamanitra rehetra ambonin’ny tany; ary hiankohoka eo anatrehany samy any amin’izay misy azy avy, ny mponina amin’ny nosim-pirenena rehetra.
Ary hisy zavatra toy izao amin’izany andro izany, - teny marin’i Iavehn’ny tafika: - Hofoanako amin’ny tany ny anaran-tsampy, ka tsy hotononina intsony izany; ary hoesoriko amin’ny tany koa ny mpaminany mbamin’ny fanahim-pahalotoana.
Nosamborin’izy io ny Dragona, ilay menarana antitra, dia ny demony sy i Satana, ka nafatony arivo taona,
Ny ampitson’izay dia nifoha maraina koa izy ireo, ka indro i Dagôna fa nitsingidina nihohoka tamin’ny tany, teo anoloan’ny Fiaran’i Iaveh, ary ny lohan’i Dagôna sy ny tanany roa tapaka, ka teo an-tokonam-baravarana,